bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
/
Genesis 32
Genesis 32
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
← Chapter 31
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 49
Chapter 50
Chapter 33 →
1
Nifoha maraina koa i Labàna ny ampitso, dia nanoroka ireo zanany vavy sy ireo zafikeliny, ka nanao veloma azy ary niverina nody.
2
Nanohy ny diany i Jakôba, ary nisy anjeli n’Andriamanitra nifanena taminy.
3
Rehefa nahita ireo i Jakôba, dia niteny hoe: –Tobin’Andriamanitra ity! Dia nantsoiny hoe Mahanaima izany toerana izany.
4
Ary i Jakôba nandefa iraka hialoha azy ho any amin’i Hesao rahalahiny, any ambanivohitr’i Edôma, any amin’ny tany Sehira.
5
Nanafatra an’ireo iraka izy hoe: –Izao no holazainareo amin’i Hesao: «I Jakôba mpanomponao, tompokolahy, dia nanafatra anay hilaza hoe: Nivahiny tany amin’i Labàna aho ary nijanona tany hatramin’izao.
6
Manana omby sy boriky sy ondry aman’osy aho ary koa mpanompo lahy sy vavy maro. Nandefa ireto irako ireto aho hampilaza aminao tompokolahy mba handraisanao ahy tsara.»
7
Niverina tany amin’i Jakôba ireo iraka ka nilaza hoe: –Tonga tany amin’i Hesao rahalahinao izahay; ary ny tenany mihitsy no tamy hitsena anao miaraka amin’ny olona efajato lahy.
8
Dia raiki-tahotra mafy i Jakôba ka nangitakitaka; ary nozarainy ho antoko roa ny olona niaraka taminy sy ireo ondry aman’osy ary omby sy rameva,
9
fa hoy izy anakampony: «Raha tonga hamely ny antoko iray i Hesao, dia afa-mandositra kosa ny antoko hafa.»
10
Ary nivavaka i Jakôba nanao hoe: –Ry Andriamanitr’i Abrahama raibeko sy Andriamanitr’i Itsehàka raiko ô, Ianao Ilay TOMPO efa nilaza tamiko hoe: «Miverena any amin’ny taninao sy ny fianakavianao, dia hanisy soa anao Aho.»
11
Tsy mendrika an’ireo mari-pitiavana sy zavatra azo antoka rehetra izay nataonao tamiko mpanomponao akory aho, satria tsy nanana afa-tsy tehina ny tenako raha niampita an’ity Jôrdàna ity, ary ankehitriny kosa efa tonga antokony roa.
12
Mba afaho amin’ny tanan’i Hesao rahalahiko aho, satria matahotra azy, fandrao tonga izy ka hamono ahy sy ny zaza amam-behivavy ho faty.
13
Ianao manko efa nampanantena ahy hoe: «Hanisy soa anao tokoa Aho, ka hahatonga ny taranakao ho marobe tsy hita isa tahaka ny fasika eny amoron-dranomasina.»
14
Dia nandry teo i Jakôba tamin’iny alina iny. Ary naka avy tamin’izay teo an-tanany izy mba hatao fanomezana ho an’i Hesao rahalahiny,
15
dia osivavy roanjato sy osilahy roapolo, ondrivavy roanjato sy ondrilahy roapolo,
16
rameva telopolo ampianahany ombivavy efapolo sy ombilahy folo, borikivavy roapolo ary borikilahy folo.
17
Dia natolony hiandraiketan’ireo mpanompony ireny, ka nozarainy ho andiany vitsivitsy; dia hoy izy tamin’ireo mpanompony: «Mandehana any alohako ka asio elanelany hatrany isaky ny andiany.»
18
Nanome baiko ny mpanompo voalohany i Jakôba nanao hoe: –Rehefa mifanena aminao i Hesao rahalahiko, ka manontany anao hoe: «An’iza moa ianao? Ho aiza ianao ary an’iza ireo biby fiompy mandeha eo alohanao?»
19
dia hovalianao hoe: «An’i Jakôba mpanomponao ireo, ary fanomezana izay nalefany ho anao, tompokolahy; fa izy kosa manaraka ao aorianay ao.»
20
Nomeny baiko toy ny teo ihany koa ny faharoa sy ny fahatelo ary izay rehetra nanaraka ny andiam-biby hoe: –Izany teny izany no holazainareo amin’i Hesao, rehefa mifanena aminareo izy;
21
sady hampianareo hoe: «Indro i Jakôba mpanomponao manaraka ao aorianay ao.» I Jakôba manko dia niteny anakampo hoe: «Hampitoneko amin’ireo fanomezana alefako mialoha ahy ireo izy, ka aorian’izay vao hiseho eo anatrehany aho; antenaiko fa ho tsara fandray ahy izy.»
22
Dia nalefan’i Jakôba nialoha azy ny andiam-biby fa ny tenany kosa mbola nijanona tao an-toby tamin’iny alina iny.
23
Tamin’iny alina iny ihany no niainga i Jakôba, ka naka ny vadiny roa sy ny mpanompovaviny roa ary ny zanany iraika ambin’ny folo, dia lasa nita teo amin’ny fitana an’i Jabôka.
24
Nalainy ary nampitainy teo avokoa izay rehetra azy.
25
I Jakôba irery no sisa nijanona ary nisy lehilahy nifampitolona taminy mandra-pahazava ratsy ny andro.
26
Ary rehefa hitany fa tsy naharesy an’i Jakôba izy, dia nodoniny ny foto-pen’i Jakôba ka nipitsoka, raha izy mbola nifampitolona iny.
27
Dia hoy izy hoe: –Avelao aho handeha fa efa mazava ratsy ny andro. Hoy kosa i Jakôba taminy: –Tsy havelako ianao, raha tsy tsofinao rano aho.
28
Dia nanontany izy hoe: –Iza moa no anaranao? Ka hoy ny navaliny azy: –Jakôba.
29
Dia nanohy ny teniny izy hoe: –Tsy hantsoina hoe Jakôba intsony ianao fa hatao hoe Israely, satria efa nitolona tamin’Andriamanitra sy tamin’ny olona ianao ka nandresy.
30
Dia nanontany kosa i Jakôba hoe: –Mba lazao ahy, azafady, ny anaranao! Ary hoy izy hoe: –Ahoana no anontanianao ny anarako? Dia notsofiny rano teo i Jakôba.
31
Ka hoy i Jakôba hoe: –Efa nahita an’Andriamanitra nifanatri-tava tamiko aho, nefa tsy maty fo aman’aina. Izany no niantsoany io toerana io hoe Peniela, na hoe Tavan’Andriamanitra.
32
Efa niposaka ny masoandro raha niala teo Peniela i Jakôba, ary nandringa izy noho ny feny.
33
Izany no tsy ihinanan’ny Israelita ny hozatra eo amin’ny foto-pe mandraka androany, satria voadona teo amin’io hozatra io i Jakôba.
← Chapter 31
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 49
Chapter 50
Chapter 33 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36
37
38
39
40
41
42
43
44
45
46
47
48
49
50