bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
/
Genesis 35
Genesis 35
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
← Chapter 34
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 49
Chapter 50
Chapter 36 →
1
Indray andro dia hoy Andriamanitra tamin’i Jakôba: –Miaingà, miakara any Betela ka mitoera any; ary manaova alitara eo ho an’ilay Andriamanitra Izay niseho taminao fony ianao nandositra an’i Hesao rahalahinao.
2
Dia hoy i Jakôba tamin’ny ankohonany sy izay rehetra niaraka taminy: –Ario avokoa ireo andriamani-kafa eo aminareo, ka midiova ary misoloa fitafiana.
3
Ndeha isika hiainga hiakatra any Betela; fa hanamboatra alitara any aho ho an’Andriamanitra Izay nihaino ahy tamin’ny androm-pahoriako sady nomba ahy tamin’izay rehetra nalehako.
4
Dia natolony an’i Jakôba ireo andriamani-kafa rehetra tany am-pelatanany mbamin’ireo kavina teny an-tsofiny, ka nalevin’i Jakôba teo am-pototr’ilay hazo midoroboka tao akaikin’i Sekema.
5
Ary rehefa niala teo ry i Jakôba sy ny zanany, dia nampihorohoroin’Andriamanitra ireo tanàna manodidina, ka tsy nisy sahy nanarakaraka azy avy taoriana.
6
I Jakôba sy ireo rehetra niaraka taminy dia tonga tao Lozy, izany hoe tao Betela izay ao amin’ny tany Kanahàna.
7
Ary nanamboatra alitara teo izy, ka niantso an’io toerana io hoe Andriamanitr’i Betela; satria teo no nisehoan’Andriamanitra taminy fony izy nandositra ny rahalahiny.
8
Ary maty i Debôrà, izay nitaiza an’i Rebekà, ka nalevina teo akaikin’i Betela, teo am-pototry ny hazo ôaka izay nantsoina hoe «Hazo ôaka fitomaniana» nanomboka hatreo.
9
Rehefa niverina avy tany Mezôpôtamia ambony i Jakôba, dia nisehoan’Andriamanitra indray sady notsofiny rano
10
ary nitenany hoe: –I Jakôba no anaranao; nefa tsy hatao hoe Jakôba intsony ianao fa hatao hoe Israely. Dia nataon’Andriamanitra hoe Israely ny anarany;
11
sady hoy koa Izy taminy: –Izaho no Andriamanitra Tsitoha. Mihamaroa sy mitomboa, ka hisy firenena sy vondrom-pirenena hipoitra avy aminao ary mpanjaka maro avy amin’ny taranakao.
12
Homeko anao sy ny taranakao mandimby anao ny tany izay nomeko an’i Abrahama sy i Itsehàka.
13
Dia niala teo amin’ny toerana izay nitenenany tamin’i Jakôba Andriamanitra.
14
I Jakôba kosa nanorina tsangambato teo ka nanoso-menaka ilay tsangambato sy nandraraka divay teo amboniny.
15
Dia nantsoin’i Jakôba hoe «Betela» na Tranon’Andriamanitra io toerana izay nitenenan’Andriamanitra taminy io.
16
Niala tao Betela i Jakôba sy ny ankohonany. Raha mbola lavidavitra an’i Efratà no nisy azy mianakavy, dia teraka i Rahely; nefa saro-piterahana izy.
17
Fa raha sahirana teo am-piterahana iny i Rahely, dia hoy ny mpampivelona taminy: –Aza matahotra fa mbola zazalahy no ho anao!
18
Teo am-pialana aina rehefa ho faty izy, dia nataony hoe Bèna-Ony na zanaky ny fahoriako ny anaran’ny zaza; fa ny rainy kosa niantso azy hoe Benjamîna na zanaky ny tanan-kavanana.
19
Maty i Rahely ka nalevina teo amoron-dàlana mankany Efratà, izay atao hoe Betlehema ankehitriny.
20
Dia nanorenan’i Jakôba tsangambato teo ambonin’ny fasany izay mbola antsoina mandraka androany hoe Tsangambatom-pasan’i Rahely.
21
Dia niala teo i Jakôba ka nanorin-day tao ambadik’i Migdala-Hedera.
22
Fa raha mbola nipetraka tamin’izany faritany izany i Jakôba, dia lasa i Reobena nandry tamin’i Bilehà vadikelin-drainy. Nahare izany i Jakôba ka nisafoaka. Fa nisy roa ambin’ny folo ny zanakalahin’i Jakôba;
23
i Reobena no lahimatoan’i Jakôba tamin’i Leà, avy eo dia i Simehôna, i Levỳ, i Joda, i Jisakara ary i Zebolòna.
24
I Jôsefa sy i Benjamîna kosa no zanany tamin’i Rahely.
25
I Dana sy Naftalỳ no zanany tamin’i Bilehà mpanompovavin’i Rahely.
26
I Gada sy i Asera no zanany tamin’i Zilpà, mpanompovavin’i Leà. Ireo no zanakalahin’i Jakôba teraka tany Mezôpôtamia ambony.
27
Ary nandeha i Jakôba nankany amin’i Itsehàka rainy tany Mamre, tao akaikin’i Kiriata-Arbà izay antsoina hoe Hebrôna ankehitriny, fa tao Mamre no nivahinian’i Abrahama sy i Itsehàka.
28
Efa nisy valopolo amby zato taona ny andron’i Itsehàka,
29
no niala aina izy ka maty; ary efa tratra antitra izy vao nakambana tamin’ny razany. I Hesao sy i Jakôba zanany no nandevina azy.
← Chapter 34
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 49
Chapter 50
Chapter 36 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36
37
38
39
40
41
42
43
44
45
46
47
48
49
50