bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
/
Genesis 46
Genesis 46
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
← Chapter 45
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 49
Chapter 50
Chapter 47 →
1
Niainga i Jakôba sy izay rehetra azy ka tonga tao Beera-Seba; dia nanao sorona teo izy ho an’ilay Andriamanitr’i Itsehàka rainy.
2
Nony alina dia niteny taminy tao anaty fahitana Andriamanitra ka nanao hoe: –Ry Jakôba! Ry Jakôba! Ary hoy ny navalin’i Jakôba Azy: –Inty aho!
3
Dia hoy indray Izy hoe: –Izaho no Andriamanitra, dia ilay Andriamanitry ny rainao. Aza matahotra hidina any Ejipta ianao; fa hataoko firenena lehibe any.
4
Hidina hiaraka aminao any Ejipta Aho, ary Izaho koa no mbola hampiakatra anao avy any indray; ary ny tanan’i Jôsefa no hanirina ny masonao, rehefa maty ianao.
5
Dia niala tao Beera-Seba i Jakôba. Ary ireo zanakalahiny dia nitondra an’i Jakôba rainy sy ireo zaza amam-behivavy tao anatin’ny sarety izay efa nalefan’ny Farao hitondrana azy.
6
Nentin’ireo koa ny biby fiompiny mbamin’ny fananana hafa izay noharîny tao amin’ny tany Kanahàna. Dia tonga tany Ejipta i Jakôba sy ny taranany rehetra niaraka taminy,
7
fa nasainy nentina tany Ejipta avokoa ny zanany lahy sy ny zanany vavy mbamin’ny zafikeliny.
8
Ireto no anaran’ny Israelita tonga tany Ejipta, dia i Jakôba sy ny zanaka aman-jafiny: I Reobena, lahimatoan’i Jakôba,
9
ary ireo zanany lahy, dia i Hanôka, i Palò ary i Hetsirôna sy i Karmỳ.
10
I Simehôna sy ireo zanany lahy, dia i Jemoela sy i Jamìna, i Ohada sy i Jakìna ary i Tsôhara sy i Saola; io Saola io dia zanak’ilay vehivavy kanahanita.
11
I Levỳ sy ireo zanany lahy dia i Gersôna sy i Kehata ary i Merary.
12
I Joda sy ireo zanany lahy, dia i Selà sy i Peretsa ary i Zera; fa ny zanany roa lahy, i Hera sy i Onàna, dia efa maty tany amin’ny tany Kanahàna. Ary ny zanakalahin’i Peretsa dia i Hetsirôna sy i Hamola.
13
I Jisakara sy ireo zanany lahy, dia i Tôlà sy i Povà ary i Jasoba sy i Simrôna.
14
I Zebolòna sy ireo zanany lahy, dia i Sereda sy i Elôna ary i Jahiliela.
15
Ireo no zanakalahin’i Jakôba naterak’i Leà tany Mezôpôtamia ambony, miampy an’i Dinà anabaviny. Ny isan’izy rehetra mbamin’ny zanany na lahy na vavy dia telo amby telopolo.
16
I Gada sy ireo zanany lahy, dia i Tsifiôna sy i Hagỳ, i Sonỳ sy i Etsibôna, i Herỳ sy Arôdỳ ary i Arelỳ.
17
I Asera sy ireo zanany lahy, dia i Jimnà sy i Jisvà ary i Jisvỳ sy i Berihà, fa i Serà kosa no anabaviny. Ary ny zanakalahin’i Berihà dia i Hebera sy i Malkiela.
18
Ireo telo ambin’ny folo lahy ireo no taranak’i Jakôba tamin’i Zilpà izay nomen’i Labàna ho mpanompovavin’i Leà.
19
Ary ny zanakalahin’i Rahely vadin’i Jakôba kosa dia i Jôsefa sy i Benjamîna.
20
Tany Ejipta i Jôsefa dia niteraka zanaka roa lahy, i Manase sy i Efraîma, tamin’i Asenata vadiny, izay zanakavavin’i Pôtifera mpisorona tao Ona.
21
Folo no zanakalahin’i Benjamîna: i Bela sy i Bekera, i Asbela sy i Gerà, i Nahamàna sy i Ehỳ, i Rôsy sy i Hopima ary i Mopîma sy i Arda.
22
Ireo izy efatra ambin’ny folo lahy taranak’i Rahely sy i Jakôba.
23
Dia ao koa i Dana sy i Hosima zanany lahy.
24
I Naftalỳ sy ireo zanany lahy, dia i Jahatsiela sy i Gonỳ ary i Jetsera sy i Silema.
25
Ireo fito lahy ireo no taranak’i Jakôba tamin’i Bilehà izay nomen’i Labàna ho mpanompovavin’i Rahely.
26
Ny isan’ny ankohonan’i Jakôba rehetra, izany hoe ireo taranany mivantana izay tonga tany Ejipta, dia 66 ankoatra ireo vinantovaviny.
27
Ampian’ireo zanakalahin’i Jôsefa anankiroa teraka tany Ejipta izany, dia fitopolo no isan’ny ankohonan’i Jakôba rehetra tonga tany Ejipta.
28
Nirahin’i Jakôba hialoha azy any amin’i Jôsefa i Joda mba hiangavy azy hankany Gôsena. Rehefa tonga tany Gôsena i Jakôba sy ny ankohonany,
29
dia nanomana ny kalesiny i Jôsefa ka nandeha hihaona amin’ny rainy tany Gôsena. Raha vao nahita an’i Jakôba izy, dia niantoraka teny am-bozony ary nitomany ela teo sady namihina azy.
30
Dia hoy i Jakôba taminy: –Mahazo modimandry amin’izay aho, satria mbola velona ihany ianao sady nifanatri-tava tamiko.
31
Dia hoy i Jôsefa tamin’ny rahalahiny sy ny olon-kafa ankohonan-drainy: –Handeha hampandre ny Farao aho ka hilaza aminy fa ireo rahalahiko sy ny olon-kafa ankohonan-draiko izay tany amin’ny tany Kanahàna dia efa tonga eto amiko.
32
Holazaiko aminy fa lehilahy mpiandry ondry sy mpiompy ianareo, ka nentinareo koa ny omby sy ny ondry aman’osinareo ary izay rehetra anananareo.
33
Koa rehefa mampiantso anareo ny Farao ka manontany hoe: «Inona no raharahanareo?»,
34
dia hovalianareo hoe: Olona mpiompy toy ireo razanay izahay mpanomponao, nanomboka hatramin’ny fahazazànay ka mandraka izao. Amin’izay dia hahazo mipetraka ao amin’ny faritr’i Gôsena ianareo, satria maharikoriko ny Ejiptianina ny mpiandry ondry rehetra.
← Chapter 45
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 49
Chapter 50
Chapter 47 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36
37
38
39
40
41
42
43
44
45
46
47
48
49
50