bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
/
Genesis 37
Genesis 37
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
← Chapter 36
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 49
Chapter 50
Chapter 38 →
1
Nipetraka tao amin’ny tany Kanahàna i Jakôba, dia tao amin’ny faritany nivahinian-drainy.
2
Toy izao no tantaran’ny ankohonan’i Jakôba: Rehefa fito ambin’ny folo taona i Jôsefa, dia niandry ondry niaraka tamin’ireo rahalahiny; fa izy dia zaza niaraka tamin’ny zanakalahin’i Bilehà sy i Zilpà, vadikelin-drainy. Ary taterin’i Jôsefa amin-drainy avokoa ny ratsy lazaina momba ireo rahalahiny.
3
Tian’i Jakôba mihoatra noho ireo rahalahiny rehetra i Jôsefa satria zanaky ny fahanterany, ka nanaovany akanjo tsara tarehy.
4
Hitan’ireo rahalahiny fa tian-drainy mihoatra noho izy rehetra i Jôsefa, ka nankahalainy sady tsy hainy nitenenana tamim-pihavanana intsony.
5
Indray mandeha dia nanonofy i Jôsefa ary notantarainy tamin’ireo rahalahiny ny nofiny, ka vao mainka niampy ny fankahalàn’ireo azy.
6
Hoy izy tamin’ireo: –Aza fady, henoy ange ity nofiko ity e!
7
Teny ampovoan-tanimbary, hono, isika ary teo am-pamehezam-bary indrindra no indro ny fehezam-bariko nitsangana sady nijoro mahitsy, fa ny fehezam-barinareo kosa nanodidina sady niankohoka teo anatrehan’ny fehezam-bariko.
8
Ka hoy ireo rahalahiny taminy: –Dia hanjaka aminay sy hifehy anay tokoa ve ianao? Vao mainka niampy izaitsizy ny fankahalàny azy noho ireo nofiny sy ny fitantàrany azy.
9
Ary mbola nanonofy hafa i Jôsefa, dia notantarainy tamin’ny rahalahiny hoe: –Nanonofy indray aho, ka indro hono ny masoandro sy ny volana ary ny kintana iraika ambin’ny folo tonga niankohoka teo anatrehako.
10
Notantarainy tamin’ny rainy toy ny efa nataony tamin’ireo rahalahiny koa io nofy io, ka nibedy azy ny rainy nanao hoe: –Inona moa ity nofinofinao ity? Moa tsy maintsy ho avy tokoa ve izaho sy ny reninao ary ireo rahalahinao hiankohoka eo anatrehanao?
11
Dia nialona an’i Jôsefa ireo rahalahiny, fa ny rainy kosa nandinika izany nofy izany.
12
Nandeha niandry ny ondry aman’osin-drainy tany akaikin’i Sekema ireo rahalahin’i Jôsefa.
13
Ka hoy i Jakôba tamin’i Jôsefa: –Moa tsy miandry ondry any akaikin’i Sekema ve ireo rahalahinao? Koa andeha àry ianao hirahiko ho any aminy. Dia hoy ny navaliny azy: –Inty aho.
14
Fa hoy indray i Jakôba hoe: –Mandehana ianao ka jereo na tsara ihany izy ireo sy ny andian’ondry aman’osy na tsia. Avy eo dia miverena hilaza amiko ny vaovao. Avy teo amin’ny lohasahan’i Hebrôna i Jôsefa no nirahin-drainy. Nony tonga tao akaikin’i Sekema izy,
15
dia nisy lehilahy iray nahita azy nirenireny eran’ny tanety ka nanontany azy hoe: –Fa inona no tadiavinao?
16
Hoy kosa i Jôsefa hoe: –Ny rahalahiko no tadiaviko, ka asa raha mba afaka manoro ahy ny toerana iandrasany ny biby fiompy ianao?
17
Ary hoy ralehilahy hoe: –Efa niala teto izy, fa reko niresaka hoe hankany Dôtàna. Dia nanara-dia ireo rahalahiny i Jôsefa, ka nahita azy tao Dôtàna.
18
Mbola lavitra i Jôsefa, dia tazan’ireo rahalahiny; ka raha tsy mbola tonga teny aminy akory izy, dia niray tetika hamono hahafaty azy ny rahalahiny
19
ka nifampiresaka hoe: –He, inty tamy ilay mpanonofy!
20
Andeha hovonointsika ho faty izy, dia hatsipintsika ao anatin’ny anankiray amin’ireto lavaka fantsakana ireto, ka holazaintsika hoe lanin’ny biby masiaka. Amin’izay dia ho hitantsika raha ho tanteraka ny nofiny.
21
Rehefa nandre izany i Reobena, dia tapa-kevitra hamonjy an’i Jôsefa ka nanao hoe: –Aoka re tsy hovonointsika ho faty izy.
22
Sady mbola nampian’i Reobena hoe: –Aza mandatsa-dra ianareo; aza vonoina ho faty izy, fa atsipazo ao anatin’io lavaka atỳ an-taniefitra io fotsiny. Nilaza izany taminy izy, mba hamonjeny azy ka hamerenany azy any amin’ny rainy.
23
Raha vao tonga teo amin’ny rahalahiny i Jôsefa, dia nendahan’ireo ny fitafiany, izany hoe ilay akanjo tsara tarehy teny aminy;
24
ary nobatainy izy ka natsipiny tao an-davaka, dia lavaka iray tsy nisy rano.
25
Avy eo dia nipetraka nihinana ireo, ary nitazana ka nahatsinjo andiana Jismahelita nandalo avy any Gilehada, nitanjozotra nidina ho any Ejipta. Ireo ramevany dia mitondra ditin-kazo manitra toy ny nekôta sy balsama ary làdana.
26
Dia hoy i Joda tamin’ireo rahalahiny: –Inona moa no tombon-tsoa ho antsika raha vonointsika ho faty ny rahalahintsika ary afenintsika ny fahafatesany?
27
Andeha hamidintsika amin’ireto Jismahelita ireto izy fa tsy hikasi-tanana azy isika, satria rahalahintsika izy ary fianakaviantsika ihany. Dia nanaiky ireo rahalahiny.
28
Raha nandalo ireo lehilahy midianita mpivarotra, dia nakariny avy tao an-davaka i Jôsefa ary namidiny sekela volafotsy roapolo tamin’ny Ismaelita izay nitondra azy nankany Ejipta.
29
Rehefa niverina hijery ny lavaka i Reobena, dia tsy tao intsony i Jôsefa; diso fanantenana izy ka nandriatra ny fitafiany.
30
Niverina nankeo amin’ireo rahalahiny izy ka niantsoantso hoe: –Tsy ao intsony ny zaza, ka aiza no tany halehako?
31
Nalain’ireo rahalahiny ny akanjon’i Jôsefa ka natsobony tao anaty ran’osy novonoiny.
32
Avy eo dia nalefany tany amin’ny rainy iny niaraka amin’ny hafatra hoe: «Inty no hitanay, ka fantaro raha akanjon-janakao ity na tsia.»
33
Fantatr’i Jakôba fa an’i Jôsefa io, koa niantsoantso izy hoe: –Akanjon-janako tokoa ity! Noviravirain’ny biby masiaka i Jôsefa ary laniny.
34
Dia nandriatra ny fitafiany i Jakôba ka nisikina lamba fisaonana, ary nisaona ny zanany nandritra ny andro maro.
35
Tonga nampionona azy avokoa na ireo zanany lahy na ireo zanany vavy; kanefa tsy nety nionona izy, fa nanao hoe: «Mbola hisaona aho no hidina hihaona amin-janako any amin’ny toeran’ny maty.» Koa mbola nitomany an-janany ihany izy.
36
Ireo Midianita kosa nivarotra an’i Jôsefa tany Ejipta tamin’i Pôtifara, tandapan’ny Farao sady lehiben’ny mpiambina azy.
← Chapter 36
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 49
Chapter 50
Chapter 38 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36
37
38
39
40
41
42
43
44
45
46
47
48
49
50