bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
/
Genesis 21
Genesis 21
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
← Chapter 20
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 49
Chapter 50
Chapter 22 →
1
Nitahy an’i Sarà ny TOMPO ka notanterahiny taminy tokoa izay nampanantenainy.
2
Dia nitoe-jaza i Sarà na dia efa antitra aza i Abrahama, ary niteraka zazalahy izy tamin’ny fotoana izay efa nambaran’Andriamanitra taminy.
3
Nataon’i Abrahama hoe Itsehàka ny anaran’ilay zazalahy naterak’i Sarà ho azy.
4
Noforan ’i Abrahama i Itsehàka zanany lahy, rehefa feno valo andro araka izay efa nandidian’Andriamanitra azy.
5
Ary efa feno zato taona i Abrahama tamin’ny nahaterahan’i Itsehàka zanany lahy.
6
Dia nilaza i Sarà hoe: –Nanao izay nampihomehy ahy Andriamanitra, ary izay rehetra mandre ny momba an’i Itsehàka dia hihomehy miaraka amiko.
7
Ary hoy koa izy hoe: –Iza moa no afaka hilaza amin’i Abrahama fa hampinono zaza i Sarà? Kanjo niteraka zazalahy ho azy tamin’ny fahanterany aho.
8
Rehefa lehibe ny zaza, dia nosarahi-nono. Koa nanao fanasana lehibe i Abrahama noho izany.
9
Indray andro dia hitan’i Sarà nilalao ny zanakalahin’i Hagara ejiptianina, izay naterany ho an’i Abrahama;
10
ka hoy i Sarà tamin’i Abrahama: –Roahy io mpanompovavy io sy ny zanany, satria tsy tokony handova miaraka amin’i Itsehàka zanako ny zanany.
11
Nampalahelo an’i Abrahama loatra izany teny izany, satria zanany koa i Jismahela.
12
Nefa hoy Andriamanitra tamin’i Abrahama: –Aza malahelo ny amin’ny zazalahy sy ny mpanompovavinao, fa ekeo izay rehetra nolazain’i Sarà taminao; amin’ny alalan’i Itsehàka manko no hisian’ny taranaka hitondra ny anaranao.
13
Kanefa ilay zanakalahin’ny mpanompovavinao koa dia hataoko tonga firenena, satria taranakao izy.
14
Dia nifoha vao maraina be i Abrahama ka naka mofo sy siny hoditra feno rano; dia nomeny an’i Hagara izany sady napetrany teo an-tsorony, ary natolony azy koa ny zaza. Dia nalefan’i Abrahama izy mianaka ka nandeha nirenireny tao an-taniefitr’i Beera-Seba.
15
Rehefa tapitra ny rano tao amin’ny siny hoditra, dia navelan’i Hagara teo am-pototry ny hazo iray ny zaza;
16
dia lasa izy nipetraka tandrifiny tery lavidavitra tokony ho tratry ny zana-tsipîka, fa hoy izy anakampo hoe: «Aza hitako anie izay hahafatesan’ny zaza.» Fony nipetraka tandrifin’ny zaza izy, dia nanandra-peo nitomany.
17
Nefa henon’Andriamanitra ny kiakiakan’ny zaza; koa niantso an’i Hagara avy any an-danitra ny anjeli n’Andriamanitra nanao taminy hoe: –Inona no mahazo anao, ry Hagara? Aza matahotra, fa efa henon’Andriamanitra ny kiakiakan’ny zaza eo amin’ny toerany eo.
18
Mitsangàna, ndeha areno ny zaza ka tantano; fa hataoko tonga firenena lehibe izy.
19
Dia nataon’Andriamanitra nahiratra ny mason’i Hagara, ka nahatazana lavaka fantsakana. Dia lasa izy nameno rano ny siny hoditra ary nampisotro rano ny zaza.
20
Ary nombàn’Andriamanitra ny zaza ka nihalehibe, ary nonina tany an-taniefitra ka lasa mpandefa tsipîka mahay.
21
Nangalan-dreniny vady avy tany Ejipta izy ary nonina tao an-taniefitr’i Paràna.
22
Tamin’izany fotoana izany dia nankany amin’i Abrahama i Abimelèka, niaraka tamin’i Pikôla lehiben’ny tafiny, ka nanao taminy hoe: –Homba anao anie Andriamanitra amin’izay rehetra hataonao.
23
Ankehitriny ianiano amin’Andriamanitra aho fa tsy hamadika ahy na ny zanako na ny taranako ianao. Fa ho tahaka ny soa izay nataoko taminao no hataonao amiko sy amin’ity tany izay ivahinianao ity.
24
Dia hoy i Abrahama hoe: –Ianianako izany!
25
Ary nitarainan’i Abrahama i Abimelèka noho ilay lavaka fantsakana nalain’ireo mpanompon’i Abimelèka an-keriny.
26
Fa namaly azy i Abimelèka hoe: –Tsy fantatro izay nanao izany zavatra izany, ary ianao koa tsy nanambara tamiko sady izao aho vao mandre izany.
27
Dia naka ny ondry aman’osy sy omby i Abrahama, ka nomeny an’i Abimelèka; dia nanao fifanekena izy roa lahy.
28
Ary nanavaka ondrivavy kely fito i Abrahama
29
ka nanontanian’i Abimelèka hoe: –Nahoana no avahanao ireo ondrivavy kely fito ireo?
30
Dia namaly i Abrahama hoe: –Mba ekeo avy amin’ny tanako ireo ho vavolombelona amiko fa izaho no nandavaka ilay fantsakana.
31
Izany no niantsoana io toerana io hoe Beera-Seba, satria teo izy roa lahy no nanao fianianana.
32
Nanao fifanekena tao Beera-Seba i Abrahama sy i Abimelèka; avy eo dia niainga i Abimelèka sy i Pikôla, lehiben’ny tafiny, ka lasa niverina nankany amin’ny tanin’ny Filistinina.
33
Ary i Abrahama namboly hazo voamadilo tao Beera-Seba, ka teo no nivavahany tamin’ilay Andriamanitra mandrakizay sy niantsoany Azy hoe TOMPO.
34
Naharitra ela ny fivahinian’i Abrahama tao amin’ny tanin’ny Filistinina.
← Chapter 20
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 49
Chapter 50
Chapter 22 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36
37
38
39
40
41
42
43
44
45
46
47
48
49
50