bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
/
Genesis 45
Genesis 45
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
← Chapter 44
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 49
Chapter 50
Chapter 46 →
1
Ary tsy nahatsindry ny fihetseham-pony teo imason’ny olona rehetra nanodidina azy intsony i Jôsefa; dia nasainy nivoaka ny trano izy rehetra. Koa tsy nisy olon-kafa teo amin’i Jôsefa fony izy nampahafantatra ny tenany tamin’ireo rahalahiny.
2
Mafy loatra anefa ny tomanin’i Jôsefa ka ren’ny Ejiptianina maro, ary heno hatrany an-dapan’ny Farao.
3
Hoy i Jôsefa tamin’ireo rahalahiny: –Izaho no Jôsefa; moa mbola velona any ihany ve i dada? Tsy nahavaly azy kosa ireo rahalahiny, fa tora-kovitra teo anatrehany.
4
Ka hoy indray i Jôsefa tamin’ireo rahalahiny: –Avia manatòna ahy ianareo. Dia nanatona ireo. Ary hoy koa i Jôsefa hoe: –Izaho no Jôsefa rahalahinareo izay namidinareo mba hoentina aty Ejipta.
5
Ary ankehitriny, aza malahelo na tezitra tamin’ny nivarotanareo ahy toy izao, fa Andriamanitra no nandefa ahy mialoha taty mba hamonjy aina.
6
Efa roa taona izao no nisian’ny mosary teto amin’ny tany Ejipta, kanefa ato anatin’ny dimy taona dia tsy mbola hisy ny fiasan-tany na fijinjana.
7
Andriamanitra no nandefa ahy nialoha anareo tamin’ity tany ity mba tsy hahalany taranaka anareo ary mba hamelomana ny ainareo; ka famonjena lehibe izany.
8
Tsy ianareo no nandefa ahy taty fa Andriamanitra mihitsy, ary mbola Izy ihany no nametraka ahy ho mpandraharaha faratampon’ny Farao sy ho mpanapaka izay rehetra ao an-tranon’ny Farao ary ho mpitondra an’i Ejipta manontolo.
9
Koa miakara haingana ho any amin’i dada ianareo, ka lazao aminy hoe: «Izao no lazain’i Jôsefa zanakao: Andriamanitra efa nametraka ahy ho tompon’i Ejipta manontolo, koa midina atỳ amiko fa aza mitaredretra.
10
Hipetraka ao amin’ny faritr’i Gôsena ianao mbamin’ny zanakao sy ny zafikelinao ary koa ny ondry aman’osinao sy ny ombinao ary ny fanananao rehetra; dia ho etỳ akaikiko ianao amin’izay.
11
Izaho no hamatsy sakafo anao atỳ, fa mbola haharitra dimy taona ny mosary fandrao ringana ianao sy ny ankohonanao ary ireo biby fiompinao.»
12
Ary indro hitan’ny masonareo sy ny mason’i Benjamîna rahalahiko izao fa ny vavako mihitsy no manambara aminareo.
13
Koa mandehana tantarao avokoa amin’i dada ny voninahitro eto Ejipta mbamin’ny zavatra rehetra efa hitanareo, ary ento faingana midina atỳ i dada.
14
Dia niantoraka teny am-bozon’i Benjamîna i Jôsefa ka nifamihina izy roa lahy sady nitomany.
15
Ary nanoroka ny rahalahiny hafa rehetra koa i Jôsefa sady nitomany. Taorian’izany vao niresaka tamin’i Jôsefa ireo rahalahiny.
16
Ren’ny tao an-dapan’ny Farao fa hoe tonga ny rahalahin’i Jôsefa; ary nahafaly ny Farao sy ireo olona mpanotrona azy izany.
17
Koa hoy ny Farao tamin’i Jôsefa: –Lazao ireo rahalahinao hampitaingina ny entany hoentin’ny biby sy handeha hody any Kanahàna,
18
dia haka ny rainy sy ny fianakaviany ka hankaty amiko; fa homeko azy ny tany lonaka indrindra eto Ejipta ka hihinana ny vokatra tsara indrindra eto amin’ny tany izy.
19
Lazao koa ireo rahalahinao haka sarety eto mba hitondrany ireo vadiny aman-janany mbamin’ny rainy.
20
Tsy tokony halahelo izay fanaka ilaozany any izy, satria hipetraka amin’ny faritra lonaka indrindra eto amin’ny tany Ejipta manontolo.
21
Dia notanterahin’ireo zanakalahin’i Jakôba izay nasaina nataony. Koa nomen’i Jôsefa sarety izy araka ny baikon’ny Farao, sady nomeny vatsin-dalana koa.
22
Nomeny akanjo indray misolo avy koa izy rehetra, fa i Benjamîna kosa nomeny sekela volafotsy telonjato sy akanjo dimy.
23
Ary izao koa no nampitondrain’i Jôsefa ho an-drainy: borikilahy folo nivesatra ny zava-tsoa avy tany Ejipta sy borikivavy folo nitondra vary sy mofo ary sakafo hafa ho an’ny dian-drainy mianakavy.
24
Namepetra ireo rahalahiny i Jôsefa mba tsy hifanditra eny an-dalàna ary nalefany handeha ireo.
25
Dia niala tao Ejipta ireto rahalahin’i Jôsefa ka nihazo an’i Kanahàna ary tonga tany amin’i Jakôba rainy.
26
Notantarainy azy fa mbola velona any i Jôsefa ary izy mihitsy no mpanapaka eo amin’ny tany Ejipta manontolo; saingy tsy nampiraika an’i Jakôba izany, satria tsy nino ireto zanany izy.
27
Fa nambaran’izy ireo taminy ny teny rehetra izay nampitondrain’i Jôsefa azy; ary rehefa nahita ny sarety izay nalefan’i Jôsefa hitondrana azy i Jakôba rainy, dia nahazoazo aina indray
28
ka nanao hoe: –Aoka izay fa mbola velona any tokoa i Jôsefa zanako! Handeha aho ka hahita azy indray alohan’ny hahafatesako.
← Chapter 44
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 49
Chapter 50
Chapter 46 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36
37
38
39
40
41
42
43
44
45
46
47
48
49
50