bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
/
Genesis 30
Genesis 30
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
← Chapter 29
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 49
Chapter 50
Chapter 31 →
1
Ary rehefa hitan’i Rahely fa tsy niteraka izy, dia nialonany ny rahavaviny ka hoy izy tamin’i Jakôba hoe: –Mba omeo zanaka aho! Fa raha tsy izany, dia aleoko maty!
2
Tezitra taminy i Jakôba ka namaly hoe: –Izaho angaha no solon’Andriamanitra Izay nisakana ny kibonao tsy hiteraka?
3
Fa hoy i Rahely taminy: –Io àry i Bilehà mpanompovaviko; ndeha mandry aminy, dia hiteraka zaza hatsangako izy, ary hanan-janaka avy aminy aho.
4
Dia nomeny an’i Jakôba ny mpanompovaviny ho vadîny, ka dia nandry taminy izy.
5
Ary bevohòka i Bilehà ka niteraka zazalahy tamin’i Jakôba.
6
Dia hoy i Rahely hoe: –Andriamanitra efa nanome rariny ahy ka nihaino ny fangatahako, ary nanome ahy zanakalahy. Dia nataony hoe Dana ny anarany.
7
Mbola bevohòka indray i Bilehà ka niteraka zazalahy faharoa tamin’i Jakôba,
8
dia hoy i Rahely hoe: –Efa niady mafy tamin’ny rahavaviko aho, ka nandresy! Dia nataony hoe Naftalỳ ny anarany.
9
Ary nony hitan’i Leà fa nitsaha-jaza izy, dia nalainy i Zilpà mpanompovaviny ka nomeny hovadîn’i Jakôba.
10
Ary i Zilpà niteraka zazalahy tamin’i Jakôba,
11
ka hoy i Leà hoe: –Manan-jara aho! Dia nataony hoe Gada ny anarany.
12
Fa mbola niteraka zazalahy faharoa tamin’i Jakôba i Zilpà,
13
ka hoy i Leà hoe: –Hasambarana tsy misy toy izany! Fa ankehitriny dia holazain’ny vehivavy hoe sambatra aho. Dia nataony hoe Asèra no anarany.
14
Indray andro tamin’ny fotoam-pararano iny, dia nandeha nitsangatsangana tany an-tsaha i Reobena ary nahita mandragôra. Nentiny tany amin’i Leà reniny izany, ka hoy i Rahely tamin’i Leà: –Mba omeo kely amin’ireo mandragôran’ny zanakao aho, azafady!
15
Fa novalian’i Leà hoe: –Moa tsy ampy anao ve ny nakanao ny vadiko ka tianao halaina koa ankehitriny ny mandragôran-janako? Dia hoy i Rahely hoe: –Aleo àry handry any aminao i Jakôba anio alina ho takalon’ny mandragôran-janakao.
16
Rehefa tonga avy tany an-tsaha i Jakôba ny hariva, dia nivoaka hitsena azy i Leà sady nanao taminy hoe: –Ato amiko no handrianao anio ho takalon’ny mandragôran-janako. Dia nandry tany aminy i Jakôba iny alina iny.
17
Ary nohenoin’Andriamanitra ny vavak’i Leà, ka bevohòka izy ary niteraka zazalahy fahadimy tamin’i Jakôba.
18
Dia hoy ny filàzan’i Leà hoe: –Efa novalian’Andriamanitra soa aho satria efa nomeko hovadîn’ny vadiko ny ankizivaviko. Koa nataony hoe Jisakara ny anarany.
19
Ary mbola bevohòka indray i Leà ka niteraka zazalahy fahenina tamin’i Jakôba.
20
Dia nilaza izy hoe: –Efa nanome zava-tsoa ahy Andriamanitra; ary amin’ity indray mandeha ity dia hanaja ahy ny vadiko, satria efa niteraka enin-dahy ho azy aho. Dia nataony hoe Zebolòna ny anarany.
21
Taorian’izany dia mbola niteraka zazavavy koa izy, ka nataony hoe Dinà ny anarany.
22
Ary Andriamanitra nahatsiaro an’i Rahely ka nihaino ny fangatahany, dia nampitoe-jaza azy.
23
Dia bevohòka i Rahely ary tera-dahy ka loa-bolana hoe: –Efa nahafa-tondromaso ahy Andriamanitra.
24
Dia nataony hoe Jôsefa ny anarany, sady niteny izy hoe: –Enga anie ka mbola hanampy zanakalahy iray hafa ho ahy ny TOMPO!
25
Rehefa avy niteraka an’i Jôsefa i Rahely, dia hoy i Jakôba tamin’i Labàna: –Alefaso hiverina any an-tanindrazako aho.
26
Avelao hoentiko ireo vady aman-janako, izay antony nanompoako anao. Aoka aho handeha, satria efa fantatrao avokoa ireo asa efa nataoko ho anao!
27
Namaly azy i Labàna hoe: –Miangavy aho raha mba mahita famindrampo aminao ihany. Fantatro fa noho ny aminao no nitahian ’ny TOMPO ahy.
28
Koa lazao izay ho karamanao fa homeko!
29
Dia hoy i Jakôba taminy: –Ny tenanao mihitsy no nahalala ny nanompoako anao sy izay nanjarian’ny biby fiompinao noho ny amiko.
30
Ny fanananao izay kely talohan’ny niaviako dia nitombo be dia be teo ambany fitantanako, fa notahîn’ny TOMPO ianao. Ary ankehitriny, tsy mba tokony hiasa ho an’ny ankohonako amin’izay ve aho?
31
Fa hoy indray i Labàna hoe: –Inona no karama haloako aminao? Ka novalian’i Jakôba hoe: –Tsy misy haloanao amiko akory. Fa raha manaiky izao soso-kevitra izao ianao, dia hiverina hiandry sy hitandrina ny ondry aman’osinao aho.
32
Hisafo any amin’ny ondry aman’osinao rehetra aho anio, ka hanavaka ny ondry maramara sy sada na hoe vandambandana rehetra ary ny osy maramara sy sada rehetra: ireo no ho karamako.
33
Amin’ny andro ho avy, mba hizahanao ny fahamarinako, dia tongava hijery ny karamako, ka izay rehetra tsy misy sada na maramara ao amin’ny osy ary vandambandana ao amin’ny ondry dia biby nangalarina.
34
Ary hoy i Labàna hoe: –Eny, ekeko ny soso-kevitra.
35
Ny androtr’iny ihany anefa dia efa navahan’i Labàna ka natolony ho eo am-pelatanan’ny zanany ireo osilahy sadìka sy sada sy ireo osivavy rehetra maramara sy sada ary ireo ondry vandambandana rehetra;
36
ary nasiany lalana tokony ho telo andro ny teo anelanelanan’ny zanany lahy sy i Jakôba. I Jakôba kosa dia niandry ny andiany sisa tamin’ny ondry aman’osin’i Labàna.
37
Koa nalainy ny tsora-kazo maromaro tamin’ny hazo beravina sy ny hazo amandy ary ny hazo platàna ka nataony vaofy vandana hisehoan’ny fotsy teo amin’ny tsora-kazo.
38
Napetrany tao amin’ny tavy fisotroan-drano ireny, teo anoloan’ireo biby izay maimay hikambana rehefa tonga hisotro rano.
39
Dia nikambana teo anoloan’ireo tsora-kazo ireo ny ondry aman’osy ka niteraka sadìka sy maramara ary sada.
40
Ary ireo ondry efa navahan’i Jakôba dia natodiny hijery ny sadika sy maramara rehetra teo amin’ny biby fiompin’i Labàna. Natokan’i Jakôba ny ondry aman’osy ho an’ny tenany fa tsy navelany hifangaro tamin’ny an’i Labàna.
41
Koa isaky ny hikambana ireo biby matanjaka, dia napetrak’i Jakôba tao amin’ny tavy fisotroan-drano ireny tsora-kazo ireny mba hikambanany eo anoloan’ny tsora-kazo.
42
Fa raha farofy kosa ireo biby, dia tsy mba napetrany teo ireny tsora-kazo ireny; ka dia ireo biby farofy no an’i Labàna fa ireo matanjaka kosa no an’i Jakôba.
43
Ary nitombo harena fatratra i Jakôba ka nanana andian’ondry aman’osy be sy mpanompo vavy sy lahy maro ary rameva sy boriky betsaka.
← Chapter 29
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 49
Chapter 50
Chapter 31 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36
37
38
39
40
41
42
43
44
45
46
47
48
49
50