bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
/
Genesis 22
Genesis 22
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
← Chapter 21
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 49
Chapter 50
Chapter 23 →
1
Taorian’izany toe-javatra izany, dia nizaha toetra an’i Abrahama Andriamanitra ka niantso azy hoe: –Ry Abrahama! Dia namaly i Abrahama hoe: –Inty aho.
2
Dia hoy Andriamanitra hoe: –Ento i Itsehàka zanakao lahitokana izay tianao; dia mandehana any amin’ny tany Môrià eo ambonin’ny tendrombohitra anankiray izay holazaiko anao, ka atolory ho sorona dorana eo izy.
3
Dia nifoha vao maraina be i Abrahama nony ampitso. Namaky kitay hanaovana sorona izy, dia nanisy lasely ny borikiny ary niainga ho any amin’ny toerana izay voatondron’Andriamanitra. Nentiny niaraka taminy koa ny zatovony roa lahy sy i Itsehàka zanany lahy.
4
Nony afaka ampitso maraina dia tazan’i Abrahama tery lavitra tery ny tendrombohitra izay halehany.
5
Koa hoy izy tamin’ireo zatovony roa lahy: –Mijanòna eto ianareo miaraka amin’ny boriky, fa izaho sy ny zazalahy handeha hatreny an-tendrombohitra mba hivavaka amin’Andriamanitra, dia hiverina aty aminareo indray.
6
Dia nalain’i Abrahama ny kitay hanaovana sorona ka natataony an’i Itsehàka zanany; fa izy kosa nitondra ny vainafo sy ny antsy. Ary raha mbola niara-nandeha izy mianaka,
7
dia hoy i Itsehàka tamin’i Abrahama rainy: –Dada ô! Ka novaliany hoe: –Mihaino anao aho, anaka. Ary hoy i Itsehàka hoe: –Indreo ny vainafo sy ny kitay, fa aiza kosa ny zanak’ondry hatao sorona dorana manontolo?
8
Fa namaly azy i Abrahama hoe: –Andriamanitra no hahita izay zanak’ondry hatao sorona dorana manontolo, anaka! Dia niara-nanohy ny diany izy mianaka.
9
Rehefa tonga teo amin’ny toerana izay voatondron’Andriamanitra izy ireo, dia nanorina alitara teo i Abrahama sady nandahatra ny kitay. Dia namatotra an’i Itsehàka zanany izy, ka nametraka azy teo amin’ny alitara, teo ambony kitay.
10
Ary naninji-tanana handray ny antsy i Abrahama mba hamonoana ny zanany.
11
Fa niantso azy avy any an-danitra ny anjeli n’ny TOMPO ka nanao hoe: –Abrahama ô! Abrahama ô! Hoy kosa ny navalin’i Abrahama azy: –Inty aho.
12
Dia hoy indray ilay anjely: –Aza maninji-tanana amin’io zazalahy io ianao ary aza manao aminy na inona na inona akory, satria fantatro ankehitriny fa manaja Ahy ianao; ka, na dia ny zanaka lahitokanao aza, dia tsy narovanao tamiko.
13
Dia nanopy maso i Abrahama ka nahatazana ondrilahy iray voasarangotry ny kirihitr’ala ny tandrony; dia lasa i Abrahama naka ilay ondrilahy, ka nanolotra azy ho sorona dorana manontolo ho solon’ny zanany lahy.
14
Dia nataon’i Abrahama hoe «Ny TOMPO no hahita» ny anaran’izany toerana izany ary mbola fiteny ankehitriny ny hoe: «Any an-tendrombohitra ny TOMPO no hahita.»
15
Ary ny anjelin’ny TOMPO niantso an’i Abrahama fanindroany avy tany an-danitra
16
ka nanao taminy hoe: –Izao no lazain’ny TOMPO noho ianao nanao izany zavatra izany, ka tsy niaro ny zanakao lahitokanao tamiko, dia ny tenako no ianianako
17
fa hitahy anao tokoa Aho ka hahamaro dia hahamaro ny taranakao ho tahaka ny kintana eny an-danitra na ny fasika eny amoron-dranomasina. Ary ny taranakao dia haka ny tanànan’ireo fahavalony.
18
Amin’ny alalan’ny taranakao no hitahiana ny firenena rehetra eto an-tany, satria ianao nihaino ny feoko.
19
Dia niverina nankeny amin’ny zatovony i Abrahama. Niainga izy rehetra ka niaraka nankany Beera-Seba; dia teo no niorim-ponenana i Abrahama.
20
Taorian’izany, dia ren’i Abrahama fa tera-dahy maro tamin’i Nahôra rahalahiny koa i Milkà:
21
dia i Hotsa lahimatoa sy i Boza rahalahiny, i Kemoela rain’i Arama,
22
i Keseda sy i Hazao, i Pildasy sy i Jildafa ary i Betoela.
23
Izy valo lahy no naterak’i Milkà tamin’i Nahôra rahalahin’i Abrahama. I Betoela no rain’i Rebekà.
24
Mbola nanana vadikely natao hoe Reomà i Nahôra ka niterahany an’i Teba sy i Gahama ary i Tahasa sy i Mahekà.
← Chapter 21
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 49
Chapter 50
Chapter 23 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36
37
38
39
40
41
42
43
44
45
46
47
48
49
50