bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
/
Genesis 12
Genesis 12
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
← Chapter 11
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 49
Chapter 50
Chapter 13 →
1
Hoy ny TOMPO tamin’i Abrama: –Mialà amin’ny taninao sy ny fianakavianao ary ny tranon-drainao ka mankanesa any amin’ny tany izay hasehoko anao.
2
Hataoko firenena lehibe ianao; hitahy anao Aho ka hampahalaza ny anaranao. Hanjary fitahiana ho an’ny hafa ianao.
3
Hotahîko izay mitahy anao, fa hozoniko kosa izay manozona anao. Amin’ny alalanao no hitahiana ny firenena rehetra eran-tany.
4
Dia nandeha araka izay nolazain’ny TOMPO taminy i Abrama, ary niaraka taminy koa i Lôta. Tokony ho 75 taona i Abrama fony izy niala tany Haràna.
5
Nalain’i Abrama i Saray vadiny sy i Lôta zana-drahalahiny, ary nentiny ny harena rehetra voaangony mbamin’ireo mpanompo rehetra novidîny tao Haràna. Dia niainga izy ka nankany amin’ny tany Kanahàna. Dia tonga tany Kanahàna ry i Abrama mianakavy.
6
Ary i Abrama namakivaky ny tany hatrany amin’ny hazo ôakan’i Môre, any Sekema. Ny Kanahanita no nipetraka tamin’iny faritra iny tamin’izany.
7
Niseho tamin’i Abrama ny TOMPO ka niteny taminy hoe: «Homeko ny taranakao ity tany ity.» Dia nanorina alitara ho an’ny TOMPO i Abrama teo amin’io toerana izay nisehoan’ny TOMPO taminy io.
8
Avy eo izy dia niainga ho any amin’ny faritra be havoana any atsinanan’i Betela, ary nanorina ny lainy teo anelanelan’i Betela tao andrefana sy i Hay tao atsinanana. Nanorina alitara iray ho an’ny TOMPO teo koa izy ka nivavaka sady niantso an’Andriamanitra hoe TOMPO.
9
Dia nandeha i Abrama ka nifindrafindra toby nihazo ny faritra atsimo.
10
Ary nisy mosary tao amin’ny tany; ka rehefa nihamafy izany, dia nidina tany Ejipta ry i Abrama.
11
Ary nony efa akaiky ho tonga tany Ejipta ry zareo, dia hoy i Abrama tamin’i Saray vadiny: –Etsy ange, fantatro fa vehivavy tsara tarehy ianao.
12
Koa raha vao mahita anao ny Ejiptianina, dia hanao hoe «io no vadiny»; dia hovonoiny aho, fa ianao kosa hovelominy.
13
Koa aoka holazainao amin’ireo fa anabaviko ianao mba horaisiny tsara aho noho ny aminao, ary hovelominy noho ny aminao!
14
Nony tonga tany Ejipta i Abrama, dia hitan’ireo Ejiptianina fa tena tsara tarehy tokoa ravehivavy.
15
Nahita azy ny manamboninahitry ny Farao ka lasa nidera azy tany amin’ny Farao; koa nampanalaina ho any an-dapan’ny Farao ilay ramatoa.
16
Noho ny aminy dia nasian’ny Farao soa i Abrama ka nomeny ondry aman’osy sy omby, mpanompo lahy sy vavy mbamin’ny boriky sy rameva.
17
Fa ny TOMPO namely loza goavana ny Farao sy ny ankohonany noho ny amin’i Saray, vadin’i Abrama.
18
Dia nampiantso an’i Abrama ny Farao ka nanao taminy hoe: –Inona ity nataonao tamiko? Nahoana no tsy nambaranao tamiko fa vadinao izy?
19
Nahoana moa no nolazainao fa anabavinao izy, ka dia nalaiko ho vadiko? Izao ankehitriny izao, iny raiso ny vadinao ka mandehana!
20
Nobaikoin’ny Farao ireo mpanompony mba handefa an’i Abrama sy ny vadiny mbamin’ny fananany rehetra.
← Chapter 11
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 49
Chapter 50
Chapter 13 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36
37
38
39
40
41
42
43
44
45
46
47
48
49
50