bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
/
Genesis 24
Genesis 24
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
← Chapter 23
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 49
Chapter 50
Chapter 25 →
1
Ary efa tena antitra be i Abrahama, sady notahîn ’ny TOMPO tamin’ny zavatra rehetra.
2
Indray andro dia hoy i Abrahama tamin’ilay mpanompony tranainy indrindra tao an-tranony, izay mpifehy ny fananany rehetra: –Apetraho ato ambany feko ny tananao,
3
ka mianiàna amin’ny TOMPO Andriamanitry ny lanitra sy ny tany ianao fa tsy haka vady ho an’ny zanako avy amin’ny zanakavavin’ny Kanahanita izay miara-monina amiko.
4
Fa handeha ho any amin’ny tany fiaviako sy amin’ny havako ianao, ka haka vady ho an’i Itsehàka zanako.
5
Dia namaly azy ilay mpanompo hoe: –Angamba tsy te hiaraka amiko ho atỳ amin’ity tany ity razazavavy, koa moa tsy maintsy haveriko any amin’ny tany izay efa nilaozanao ve ny zanakao?
6
Dia hoy i Abrahama namaly azy: –Tandremo tsara mba tsy haverinao any ny zanako.
7
Ny TOMPO, Andriamanitry ny lanitra, no naka ahy tao an-tranon’ny raiko sy tao an-tanindrazako. Niteny tamiko Izy sady nianiana tamiko fa hanome ity tany ity ho an’ny taranako. Izy no haniraka ny anjeliny eo alohanao, ka any no hakanao vady ho an’ny zanako.
8
Raha tsy manaiky hanaraka anao ilay razazavavy, dia afaka amin’izao fianianana izao ianao; fa ny zanako kosa aza entinao miverina any.
9
Dia napetrak’ilay mpanompo tao ambany fen’i Abrahama tompony ny tanany, ary nianiana taminy momba io raharaha io izy.
10
Dia naka rameva folo tamin’ny ramevan’ny tompony izy sady nitondra izay zavatra tsara indrindra nananan’ny tompony, dia niainga hankany Mezôpotamia ambony, any amin’ny tanànan’i Nahôra.
11
Nony tonga teo akaikin’ny fantsakana teo ivelan’ny tanàna izy, dia nampandohalika ny rameva, fa fotoana hariva fivoahan’ny vehivavy mantsaka tamin’izay.
12
Izao no vavaka nataony: –Ry TOMPO Andriamanitr’i Abrahama tompoko ô, mba ambino aho anio, ka manehoa fahasoavana amin’i Abrahama tompoko.
13
Inty aho eto akaikin’ny fantsakana; ary ireo zatovovavy zanaky ny mponina ao an-tanàna dia hivoaka hantsaka rano eto.
14
Koa izay zatovovavy hangatahako mba hampidina kely ny sininy hisotroako, ka hamaly hoe: «Misotroa ary aoka ny ramevanao hampisotroiko ihany koa!», dia amin’izay no hahafantarako fa izy no voatendrinao ho an’i Itsehàka mpanomponao ary efa naneho fahasoavana tamin’ny tompoko Ianao.
15
Fa raha mbola tsy nifarana akory ny teniny, dia indro tamy i Rebekà milanja siny eny an-tsorony. Io Rebekà io dia zanakavavin’i Betoela zanakalahin’i Milkà izay vadin’i Nahôra rahalahin’i Abrahama.
16
Tsara tarehy tokoa razazavavy sady virijiny fa tsy mbola nisy lehilahy niray taminy. Ary nidina teo am-pantsakana izy ka nameno ny sininy, dia niakatra.
17
Fa nihazakazaka hihaona amin-drazazavavy ilay mpanompon’i Abrahama ka nanao hoe: –Mba ampisotroy rano kely avy amin’ny sininao aho azafady!
18
Ary hoy razazavavy hoe: –Misotroa, tompoko. Nampidininy haingana ny siny ho eo an-tanany, dia nampisotroiny ralehilahy.
19
Ary rehefa vitany izany, dia hoy indray razazavavy hoe: –Hantsaka ho an’ny ramevanao koa aho ambara-pisotron’izy rehetra.
20
Dia naidiny faingana tao anaty tavy fisotroam-biby ny rano tao an-tsiny ary nihazakazaka nantsaka indray izy, ka nantsakany avokoa ireto rameva rehetra.
21
Ary nandinika tsara an-drazazavavy tamim-panginana ilay rangahy mba hahafantarany raha nambinin’ny TOMPO tokoa ny diany na tsia.
22
Rehefa tapitra nisotro ny rameva, dia naka kavin’orona volamena iray tokony ho folo grama sy haba volamena roa tokony ho zato grama avy izy ho an-drazazavavy,
23
sady nanontany azy hoe: –Mba lazao ahy hoe: Zanak’iza moa ianao? Ary misy toerana azonay andriana ve ao an-tranon-drainao?
24
Dia namaly razazavavy hoe: –Zanakavavin’i Betoela aho, sady zafikelin’i Milkà sy i Nahôra.
25
Ary mbola nampiany hoe: –Na ny mololo na ny vilona dia samy betsaka ao aminay sady misy toerana handrianareo koa.
26
Niondrika ilay rangahy ary niankohoka nisaotra ny TOMPO
27
nanao hoe: –Hisaorana anie Ianao, ry TOMPO Andriamanitr’i Abrahama tompoko, fa tsy namela ny fitiavanao sy ny toetranao mahatoky hiala tamin’ny tompoko Ianao, fa teny an-dalana aho dia nentinao hankaty amin’ny tranon’ireo havan’ny tompoko.
28
Dia lasa nihazakazaka nankany an-tranon-dreniny razazavavy hilaza ny vaovao.
29
Ary nanana anadahy atao hoe Labàna anefa i Rebekà; dia nihazakazaka io nankany amin’ilay rangahy tany ivelany, teo am-pantsakana.
30
Tazany manko ny kavin’orona sy ireo haba teny an-tanan’ny anabaviny ary henony koa ny nitantarany izay voalazan’ilay rangahy. Dia tonga teo amin’ilay rangahy i Labàna; ary mbola mijoro eo anilan’ny fantsakana miaraka amin’ny ramevany izy
31
no nitenenany hoe: –Mandrosoa ao an-trano, ry ilay notahîn’ny TOMPO. Nahoana ianao no mijanona etỳ ivelany? Izaho anie efa nanomana ny trano sy namboatra toerana ho an’ny rameva e!
32
Dia nandroso tao an-trano ilay mpanompon’i Abrahama. Novahana ny rameva, ka nomena mololo sy vilona; ary nitondrana rano hisasan-tongotra koa ilay rangahy sy ireo olona niaraka taminy.
33
Norosoana sakafo izy nefa nilaza hoe: –Tsy mbola hihinana aho aloha, raha tsy efa voalazako izay tokony holazaiko. Ka hoy i Labàna hoe: –Lazao àry.
34
Dia namaly ilay rangahy hoe: –Mpanompon’i Abrahama aho.
35
Efa notahîn’ny TOMPO tokoa ny tompoko ka tonga olo-malaza. Nomen’ny TOMPO azy ny andian’ondry aman’osy sy omby ary koa volafotsy sy volamena, mpanompolahy sy mpanompovavy betsaka, ary rameva sy boriky.
36
Ary i Sarà vadiny, na dia efa antitra aza, dia niteraka zazalahy taminy; ary izy io no namindrany ny fananany rehetra.
37
Nampianiana ahy ny tompoko mba tsy haka vady ho an’ny zanany lahy avy ao amin’ny tanin’ny Kanahanita izay onenany. Ka hoy izy tamiko:
38
«Mianiàna amiko fa any amin’ny fianakavian-draiko, any amin’ny foko nipoirako, no halehanao haka vady ho an’ny zanako.»
39
Dia nanontany azy aho hoe: «Ary raha ohatra ka tsy mety hanaraka ahy razazavavy?»
40
Dia novaliany hoe: «Eo anatrehan’ny TOMPO hatrany no izorako, ka Izy haniraka ny anjeliny hiaraka aminao sy hampahomby ny dianao; ny zanako dia hitondranao vady avy amin’ny foko nipoirako sy ny fianakavian-draiko.
41
Ary rehefa mandeha any amin’ny foko nipoirako ianao, na dia tsy omeny aza, dia afaka amin’ny fampianianako.»
42
Koa raha vao tonga teo akaikin’ny fantsakana aho androany, dia nivavaka hoe: «Ry TOMPO Andriamanitr’i Abrahama tompoko ô, mba ataovy mahomby ny anton-diako.
43
Inty aho mby eto anilan’ny fantsakana, hisy zazavavy hivoaka hantsaka ka hiangaviako mba hampisotro ahy rano kely avy amin’ny sininy.
44
Koa raha mamaly ahy izy hoe: ‹Misotroa ianao, ary ny ramevanao koa hantsakako›, dia izy no vehivavy voatendrinao, ry TOMPO, ho an’ny zanakalahin’ny tompoko.»
45
Raha mbola tsy tapitra akory anefa ny teniko anakampo, dia tamy i Rebekà niantsoroka siny, dia nidina nankeo am-pantsakana ka nantsaka; ary hoy aho taminy: «Mba omeo aho hosotroiko, aza fady!»
46
Dia nampidininy faingana avy teny an-tsorony ny siny ka hoy izy hoe: «Misotroa, ary hampisotroiko koa ny ramevanao.» Dia nisotro aho ary nampisotroiny koa ny rameva.
47
Ary rehefa nanontany azy aho hoe: «Zanak’iza moa ianao?», dia novaliany hoe: «Zanakavavin’i Betoela aho, ary zafikelin’i Nahôra sy i Milkà.» Dia napetrako teo amin’ny oron-drazazavavy ny kavina ary nataoko teny an-tanany ny haba.
48
Nandohalika aho hitsaoka ny TOMPO, Andriamanitr’i Abrahama tompoko, ary nisaotra Azy noho ny nitondrany ahy tamin’ny lalana marina haka ny zanakavavin’ny rahalahin’ny tompoko mba ho an-janany.
49
Koa ankehitriny lazao ahy raha vonona haneho fitia sy firaiketam-po amin’ny tompoko ianareo. Fa raha tsy izany kosa dia handeha ho any an-kafa aho.
50
Dia namaly i Labàna sy i Betoela hoe: –Avy amin’ny TOMPO no niavian’izao zavatra izao ka tsy azonay iadian-kevitra.
51
Indro i Rebekà eo anoloanao, ento miaraka aminao izy ary aoka ho vadin’ny zanakalahin’ny tomponao, araka izay nambaran’ny TOMPO.
52
Rehefa nandre izany teny izany ilay mpanompon’i Abrahama, dia niankohoka tamin’ny tany hisaotra ny TOMPO.
53
Avy eo dia namoaka firavaka volafotsy sy volamena ary fitafiana izy ka nomeny an’i Rebekà; nomeny zavatra sarobidy maro koa ny anadahiny sy ny reniny.
54
Izay vao nihinana sy nisotro ilay mpanompon’i Abrahama sy ireo olona niaraka taminy; avy teo dia lasa natory. Ny ampitso maraina, rehefa nifoha izy ireo, dia hoy ilay mpanompon’i Abrahama hoe: –Alefaso àry aho hiverina any amin’ny tompoko.
55
Fa namaly kosa ny anadahin-drazazavavy sy ny reniny hoe: –Aoka hipetraka hiaraka aminay kelikely tokony ho folo andro aloha razazavavy, vao mandeha.
56
Fa namaly azy ireo indray ilay mpanompo hoe: –Aza tananareo aho, fa ny TOMPO efa nanambina ny diako; alefaso aho hiverina ho any amin’ny tompoko.
57
Hoy kosa ireo hoe: –Aoka àry hantsoinay razazavavy, aoka hanontaniana izay heviny!
58
Dia nantsoin’ireo i Rebekà ka nanontaniany hoe: –Moa handeha hiaraka amin’io lehilahy io ve ianao? Ary hoy i Rebekà hoe: –Eny, handeha aho.
59
Koa navelan’ireo handeha i Rebekà sy ny mpitaiza azy hiaraka amin’ilay mpanompon’i Abrahama sy ny olony.
60
Nitsodrano an’i Rebekà ireo ka nanao taminy hoe: –Ho tonga renin’ny olona an’alinalina anie ianao, rahavana, ary ny taranakao anie hahazo ny tanànan’izay mankahala azy!
61
Dia niainga i Rebekà sy ireo mpanompovaviny ka nitaingin-drameva, ary lasa nandeha niaraka tamin’ilay mpanompon’i Abrahama.
62
I Itsehàka kosa niala tao amin’ny fantsakan’i Lahay-Roy, ka nonina tao amin’ny faritany atsimo.
63
Indray hariva raha nivoaka hitsangantsangana teny an-tsaha izy, dia nanopy maso ka nahita rameva nanatona.
64
Rehefa nahatazana an’i Itsehàka i Rebekà, dia nidina niala tamin’ny rameva,
65
ary nanontany ilay mpanompo hoe: –Iza moa io lehilahy mandeha etỳ an-tsaha avy mitsena antsika io? Ka hoy ilay mpanompo hoe: –Io no tompoko. Dia noraisin’i Rebekà ny voaly, ka nisaronany tarehy.
66
Notantarain’ilay mpanompo an’i Itsehàka avokoa ny zavatra rehetra izay nataony.
67
Avy eo dia nampandrosoin’i Itsehàka tao an-dain’i Sarà reniny i Rebekà, ka nalainy ho vady sy notiaviny; dia nampionona an’i Itsehàka izany taorian’ny nahafatesan-dreniny.
← Chapter 23
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 49
Chapter 50
Chapter 25 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36
37
38
39
40
41
42
43
44
45
46
47
48
49
50