bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
/
Genesis 13
Genesis 13
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
← Chapter 12
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 49
Chapter 50
Chapter 14 →
1
Avy any Ejipta i Abrama dia niverina nankany Negeva niaraka tamin’ny vadiny mbamin’ny fananany rehetra. Niaraka taminy koa i Lôta.
2
Nanan-karena tokoa i Abrama, fa nanana biby fiompy sy volafotsy ary volamena betsaka.
3
Nandeha izy nifindrafindra avy tao Negeva ka hatrany Betela, teo amin’ny toerana izay efa nitobiany tamin’ny voalohany, teo anelanelan’i Betela sy i Hay.
4
Ka dia tamin’ilay toerana nanorenan’i Abrama alitara voalohany no nivavahany sady niantsoany an’Andriamanitra hoe TOMPO.
5
Ary i Lôta izay niara-dia tamin’i Abrama koa dia nanana andian’omby aman’ondry sy tranolay maro.
6
Noho ny hamaroan’ny olona sy ny biby fiompy, dia tsy ampy hitoeran’izy roa lahy miaraka ny tany satria mbola nonina tao koa ny Kanahanita sy ny Perizita. Koa nisy fifandirana teo amin’ny mpiandry biby fiompin’i Abrama sy ny an’i Lôta.
8
Dia hoy i Abrama tamin’i Lôta: –Aoka tsy hisy fifandirana amintsika na amin’ny mpiandry ireo biby fiompintsika, satria olona mpihavana isika.
9
Moa tsy eo anatrehanao ve ny faritra manontolo? Koa aoka hisaraka eto isika. Fa raha hianavaratra ianao, dia hianatsimo aho; ary raha hianatsimo kosa ianao, izaho hianavaratra.
10
Dia nitazana i Lôta ka nahatsinjo ny faritanin’i Jôrdàna manontolo. Talohan’ny nandravan’ny TOMPO an’i Sôdôma sy i Gômôra, izany faritany izany mandra-pahatonga any Tsôhara dia tahaka ny zaridainan’ny TOMPO, tahaka ny lohasahan’i Neily.
11
Koa nofidîn’i Lôta ho azy ny faritanin’i Jôrdàna ka nikisaka niantsinanana izy. Toy izany no nisarahan’izy roa lahy.
12
I Abrama nipetraka tao amin’ny tany Kanahàna, fa i Lôta kosa nitoby tao amin’ireo tanàna amin’ny faritanin’i Jôrdàna ka nametraka ny lainy hatrany Sôdôma.
13
Ny mponina tao Sôdôma dia tena ratsy toetra sady nanota mafy tamin’ny TOMPO.
14
Dia nitenenan’ny TOMPO i Abrama, rehefa avy nisaraka tamin’i Lôta izy, ka nataony hoe: –Mitazàna, avy eo amin’izay misy anao, ka mijere mianavaratra sy mianatsimo, ary miantsinanana sy miankandrefana;
15
fa homeko anao sy ny taranakao mandrakizay ny tany manontolo izay tazanao.
16
Hohamaroiko tahaka ny vovo-tany ny taranakao ka tsy ho hita isa, tahaka ny tsy ahazoan’ny olona manisa ny vovo-tany.
17
Miaingà ka mandehana mamakivaky ny tany amin’ny sakany sy lavany, fa homeko anao izy.
18
Dia nangoron-day i Abrama ka nandeha nipetraka tao amin’ny hazo ôakan’i Mamre, akaikin’i Hebrôna, ary nanorina alitara teo ho an’ny TOMPO.
← Chapter 12
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 49
Chapter 50
Chapter 14 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36
37
38
39
40
41
42
43
44
45
46
47
48
49
50