bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
/
Genesis 40
Genesis 40
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
← Chapter 39
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 49
Chapter 50
Chapter 41 →
1
Taorian’izany zavatra izany dia nanao fahadisoana tamin’ny mpanjakan’i Ejipta tompony ny lehiben’ny mpandroso zava-pisotro ary koa ny lehiben’ny mpanao mofo.
2
Tezitra mafy tamin’ireo tandapany roa lahy ireo ny Farao,
3
ka nampanao azy an-tranomaizina; ny fonenan’ilay lehiben’ny mpiambina no nisy io tranomaizina io, dia ny fonja izay nigadran’i Jôsefa.
4
Ilay lehiben’ny mpiambina kosa nametraka azy roa lahy teo ambany fitandreman’i Jôsefa; ary fotoana vitsivitsy no nitanana azy tao.
5
Indray alina dia samy nanonofy tao an-tranomaizina izy roa lahy, dia ny lehiben’ny mpandroso zava-pisotro ary koa ny mpanao mofon’ny mpanjakan’i Ejipta; ary samy nanana ny heviny avy ny nofiny.
6
Nony maraina, rehefa tonga hijery azy ireo i Jôsefa, dia nahita azy nanjoretra,
7
ka nanontany azy hoe: –Nahoana no malahelo tarehy ianareo androany?
8
Dia novalian’izy roa lahy hoe: –Samy nanonofy izahay, nefa tsy misy olona mahalaza ny heviny. Hoy kosa i Jôsefa hoe: –Andriamanitra ihany no afaka manome ny heviny, fa mba tantarao amiko aloha ny nofinareo.
9
Dia nitantara ny nofiny tamin’i Jôsefa ilay lehiben’ny mpandroso zava-pisotron’ny mpanjaka, ka nanao hoe: –Nofiko fa nisy, hono foto-boaloboka iray teo anoloako.
10
Nisampana telo ilay foto-boaloboka, ka raha vao nitsimoka izy, dia namelana ary nisy voaloboka masaka an-tangozany.
11
Teny an-tanako ny tsangambavan’ny Farao ary notazako ny voaloboka, ka nofiazako tao; dia natolotro teo an-tanan’ny Farao ilay tsangambava.
12
Ary hoy i Jôsefa taminy: –Izao no hevitry ny nofinao: ny sampany telo dia manambara andro telo.
13
Ato anatin’ny telo andro dia hasandratry Farao ianao, ka haveriny eo amin’ny toeranao, ary hanolotra ny tsangambavan’ny Farao toy ny teo aloha araka ny maha lehiben’ny mpandroso zava-pisotro anao.
14
Fa mba tsarovy aho rehefa hambinina ianao, anehoy hatsaram-po ka mba resaho amin’ny Farao hamoahanao ahy hiala amin’ity tranomaizina ity.
15
Fa an-keriny no nitondrana ahy avy tany amin’ny tanin’ny Hebreo; ary teto koa dia tsy nanao na inona na inona akory aho, nefa natao an-tranomaizina.
16
Nony hitan’ilay lehiben’ny mpanao mofo fa tsara ny hevitry ny nofy nambaran’i Jôsefa, dia hoy izy taminy: –Izaho koa mba nanonofy, ka nisy hono harona telo fitondrana mofo nololohaviko.
17
Tao amin’ilay harona ambony indrindra dia feno ireo mofo fihinan’ny Farao, saingy tonga ny voro-manidina ka nihinana azy tao an-karona teny an-dohako.
18
Dia hoy ny navalin’i Jôsefa azy: –Izao no hevitry ny nofinao: ny harona telo dia manambara andro telo.
19
Ato anatin’ny telo andro dia hoesorin’ny Farao amin’ny toeram-boninahitrao ianao, ka hahantony amin’ny hazo; dia ho avy ny voro-manidina hihinana ny nofonao.
20
Nony afaka telo andro, dia nitsingerina ny andro nahaterahan’ny Farao, ka nanao fanasam-be ho an’ireo mpanompony rehetra izy. Koa teo anivon’ireo mpanompony no nanehoan’ny Farao an’ilay lehiben’ny mpandroso zava-pisotro sy ilay lehiben’ny mpanao mofo.
21
Ilay lehiben’ny mpandroso zava-pisotro dia naveriny tamin’ny raharahany ka nanolotra ny tsangambava ho eo an-tanàn’ny Farao;
22
fa ilay lehiben’ny mpanao mofo kosa dia nasainy nahantona. Dia araka izay efa nambaran’i Jôsefa tamin’izy roa lahy avy izany.
23
Kanjo nanadino tanteraka an’i Jôsefa ilay lehiben’ny mpandroso zava-pisotro.
← Chapter 39
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 49
Chapter 50
Chapter 41 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36
37
38
39
40
41
42
43
44
45
46
47
48
49
50