bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
/
Genesis 29
Genesis 29
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
← Chapter 28
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 49
Chapter 50
Chapter 30 →
1
Ary niainga i Jakôba ka nankany amin’ny tany atsinanana, dia ny tanindrazan-dreniny.
2
Indray andro izy, dia nahatazana fantsakana teny an-tsaha, ary indreo nisy ondry aman’osy andiany telo nandry teo anilany, fa io fantsakana io no fampisotroana ny biby fiompy. Misy vato lehibe manarona ny vavan’ny fantsakana.
3
Rehefa tafangona avokoa ireo andiany rehetra, dia esorina ny vato amin’ny vava fantsakana ary ampisotroina ny andian’ondry aman’osy; aorian’izany, dia averina ho amin’ny toerany eo amin’ny vava fantsakana ilay vato.
4
Nanontany an’ireo mpiandry ondry i Jakôba hoe: –Ry rahalahy, avy aiza moa ianareo? Ka hoy ireo hoe: –Avy any Haràna izahay.
5
Dia niteny indray i Jakôba hoe: –Fantatrareo ve i Labàna, zafin’i Nahôra? Ka novalian’ireo hoe: –Eny, fantatray izy.
6
Fa nanontany ihany i Jakôba hoe: –Salama ihany ve izy? Dia hoy ireo taminy: –Salama izy, ary inty i Rahely zanany vavy fa tonga miaraka amin’ny andian’ondriny.
7
Ary hoy Jakôba hoe: –Mbola antoandro loatra ny andro, ka tsy mbola fotoana fanangonana ny biby fiompy; fa ampisotroy aloha ireo, dia andraso ihany.
8
Fa novalian’ireo hoe: –Tsy azonay atao izany, raha tsy efa tafangona avokoa ny andiany rehetra; amin’izay dia hoesorina ny vato eo amin’ny vava fantsakana, ary hampisotro ny ondry aman’osy izahay.
9
Raha mbola niresaka tamin’ireo i Jakôba, dia tonga i Rahely niaraka tamin’ny ondrin-drainy, fa mpiandry ondry izy.
10
Ary rehefa nahita an’i Rahely zanakavavin’i Labàna anadahin-dreniny sy ireo ondry aman’osiny i Jakôba, dia nanatona nanaisotra ny vato teo amin’ny vava fantsakana, ka nampisotro ireo ondry aman’osin’ny anadahin-dreniny.
11
Dia nanoroka an’i Rahely i Jakôba sady nitomany.
12
Notantarain’i Jakôba tamin’i Rahely fa havan-drainy izy ary zanakalahin’i Rebekà. Dia nihazakazaka i Rahely ka nitantara izany tamin-drainy.
13
Rehefa nandre ny amin’i Jakôba zanak’anabaviny kosa i Labàna, dia nihazakazaka nitsena azy, ka namihina sady nanoroka azy ary nitondra azy ho any an-tranony. Notantarain’i Jakôba tamin’i Labàna avokoa ny zava-nitranga,
14
ka hoy i Labàna taminy: –Marina tokoa fa havako ianao, ary iray ra amiko. Dia nipetraka iray volana tao aminy i Jakôba.
15
Indray andro dia hoy i Labàna tamin’i Jakôba: –Noho ny maha havako anao ve dia hanompo ahy maimaim-poana ianao? Koa lazao amiko, inona no ho karamanao?
16
Nanana zanakavavy roa anefa i Labàna; ilay zokiny dia nantsoina hoe Leà ary ilay zandriny natao hoe Rahely.
17
I Leà dia malefa-pijery, fa i Rahely kosa tsara tarehy sady bikàna.
18
Ary tia an’i Rahely i Jakôba ka niteny tamin’i Labàna hoe: –Hanompo anao fito taona aho mba hahazoako manambady an’i Rahely faravavinao.
19
Dia namaly azy i Labàna hoe: –Aleoko homena anao izy toy izay ho an’olon-kafa, fa mitoera eto amiko.
20
Koa mba hahazoany an’i Rahely, dia nanompo an’i Labàna fito taona i Jakôba; nefa toy ny andro vitsivitsy nandalo izany teo imasony, satria tena tiany razazavavy.
21
Rehefa afaka izany, dia hoy i Jakôba tamin’i Labàna: –Aiza amin’izay ny vadiko hampakariko, fa efa tapitra ny fe-potoana.
22
Dia nasain’i Labàna ho amin’ny sakafom-panambadiana ny olona rehetra teo an-toerana.
23
Nony hariva dia nalain’i Labàna i Leà zanany vavy ka nentiny tany amin’i Jakôba ary nandry taminy izy.
24
Nomen’i Labàna an’i Leà zanany vavy kosa i Zilpà mba ho mpanompovavy hanampy azy.
25
Nony maraina vao gaga i Jakôba fa hay i Leà no tao aminy, ka hoy izy tamin’i Labàna: –Inona izao nataonao tamiko izao? Fa angaha tsy i Rahely no nanompoako anao, koa nahoana ianao no namitaka ahy?
26
Dia namaly i Labàna hoe: –Tsy fomban-tany aty aminay ny mampanambady ny zandriny alohan’ny zokiny.
27
Vitao aloha ny herinandron’ny volantantely amin’ny zokiny, dia homenay anao koa ny zandriny raha manompo ahy fito taona hafa indray ianao.
28
Dia nataon’i Jakôba izany, ka novitainy ny herinandron’ny volantantely tamin’i Leà; avy eo dia nomen’i Labàna azy koa i Rahely ho vadiny.
29
Nomen’i Labàna an’i Rahely i Bilehà mba ho mpanompovavy hanampy azy.
30
Dia nandry tany amin’i Rahely koa i Jakôba ka tiany lavitra noho i Leà izy. Ary nanompo an’i Labàna fito taona hafa koa i Jakôba.
31
Ary rehefa hitan’ny TOMPO fa tsy tiana noho i Rahely i Leà, dia nataony mitoe-jaza izy; fa i Rahely kosa nataony momba.
32
Dia bevohòka i Leà, ka tera-dahy ary ny anarany nataony hoe Reobena, satria hoy izy hoe: –Ny TOMPO efa nijery ny fahoriako, ary ankehitriny dia ho tia ahy ny vadiko.
33
Ary bevohòka indray izy ka tera-dahy, dia niteny hoe: –Efa ren’ny TOMPO fa tsy tiana aho, ka nomeny an’ity indray koa. Dia nataony hoe Simehôna ny anarany.
34
Mbola bevohòka indray izy ka tera-dahy fanintelony, dia nanao hoe: –Ankehitriny dia hifikitra amiko ny vadiko, satria efa niteraka telo lahy ho azy aho. Noho izany dia nataony hoe Levỳ ny anarany.
35
Fa mbola bevohòka indray izy, dia niteraka zazalahy fahefatra, ka nanao hoe: –Amin’ity kosa dia hidera ny TOMPO aho. Dia nataony hoe Joda ny anarany. Dia nitsahatra tsy niteraka intsony izy.
← Chapter 28
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 49
Chapter 50
Chapter 30 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36
37
38
39
40
41
42
43
44
45
46
47
48
49
50