bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
/
Genesis 2
Genesis 2
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
← Chapter 1
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 49
Chapter 50
Chapter 3 →
1
Dia vita ny lanitra sy ny tany mbamin’izay rehetra ao aminy.
2
Rehefa vitan’Andriamanitra ny asany, dia nitsahatra tamin’izay rehetra nataony Izy tamin’ny andro fahafito.
3
Koa notahîn’Andriamanitra sady natokany ny andro fahafito satria io no nitsaharany tamin’ny asany rehetra maha mpahary Azy.
4
Izany no tantaran’ny lanitra sy ny tany tamin’ny naharian’Andriamanitra azy. Fony nanao ny tany sy ny lanitra ny TOMPO Andriamanitra,
5
dia tsy mbola nisy kirihitra ny tany, ary tsy nisy ahitra nitsimoka akory, satria tsy mbola nampilatsaka orana tamin’ny tany ny TOMPO Andriamanitra ary tsy mbola nisy olombelona hiasa ny tany.
6
Fa loharano nifantsitsitra avy tao amin’ny tany ihany no nanondraka ny velaran-tany manontolo.
7
Ary vovoka avy amin’ny tany no nalain’ny TOMPO Andriamanitra, ka nanamboarany olombelona anankiray. Nitsofany fofonaina mahavelona tao am-bavorony, dia tonga manana aina raolombelona.
8
Avy eo dia novolen’ny TOMPO Andriamanitra zaridaina tao Hedena, tany atsinanana, mba hametrahany an-draolombelona izay namboariny.
9
Nampaniry karazan-kazo tsara tarehy fihinam-boa teo amin’ny tany ny TOMPO Andriamanitra, ka nataony teo afovoan’ny zaridaina ny hazon’aina sy ny hazo fahalalana ny tsara sy ny ratsy.
10
Ary nisy ony iray nivoaka avy tao Hedena ka nanondraka ny zaridaina. Hatreo izy no nizara ho sampana efatra.
11
I Pisôna no anaran’ny sampan-drano voalohany; io no manodidina ny tany Havilà manontolo izay misy ny volamena,
12
ary tsara ny volamena tamin’io tany io; tao koa ny ditin-kazo mani-pofona sy ny vatosoa.
13
I Gihôna no anaran’ny sampan-drano faharoa, izay manodidina ny tany Kosy manontolo.
14
I Tigra no anaran’ny sampan-drano fahatelo mandalo any atsinanan’i Asiria. Ary i Eofrata no anaran’ny sampan-drano fahefatra.
15
Ary nalain’ny TOMPO Andriamanitra raolombelona ka napetrany tao amin’ny zaridainan’i Hedena mba hanolokolo sy hitandrina azy.
16
Ary IZY nandidy an-draolombelona hoe: «Azonao ihinanana avokoa ny voa avy amin’ny hazo rehetra ao amin’ny zaridaina;
17
afa-tsy ny avy amin’ny hazo fahalalàna ny tsara sy ny ratsy, satria amin’ny andro izay hihinananao azy dia ho faty tokoa ianao.»
18
Dia hoy ny TOMPO Andriamanitra hoe: «Tsy tsara raha irery raolombelona, fa aoka hanaovako mpanampy sahaza azy izy.»
19
Tany no nanaovan’ny TOMPO Andriamanitra ny karazam-bibidia sy voro-manidina rehetra, ka dia nentiny teo amin-draolombelona ireny hahitany izay anarana hiantsoany azy. Ary dia izay hanononan-dralehilahy azy no ho anarany.
20
Dia nomen-draolombelona anarana ny biby fiompy rehetra sy ny voro-manidina rehetra ary ny bibidia rehetra, kanefa tsy hitany izay mpanampy sahaza azy.
21
Ary ny TOMPO Andriamanitra nahatonga an-draolombelona ho sondrian-tory sy ho renoka, dia nalainy ny taolana iray tamin’ny tehezany ka nosoloany nofo.
22
Izany taolan-tehezana nalainy tamin-draolombelona izany no namboarin’ny TOMPO Andriamanitra ho vehivavy izay nentiny teo amin-draolombelona.
23
Tamin’izay dia hoy raolombelona hoe: «Ity ahay mba mitovy amiko, fa taolana avy amin’ny taolako ity sady nofo avy amin’ny nofoko; hatao hoe vehivavy ity, satria lehilahy no nanalana azy.»
24
Izany no handaozan’ny lehilahy ny rainy sy ny reniny ka hifikirany amin’ny vadiny, ary hanjary tena iray ihany izy roa.
25
Ary nitanjaka ny lehilahy sy ny vadiny nefa tsy nahalala henatra.
← Chapter 1
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 49
Chapter 50
Chapter 3 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36
37
38
39
40
41
42
43
44
45
46
47
48
49
50