bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
/
Genesis 10
Genesis 10
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
← Chapter 9
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 49
Chapter 50
Chapter 11 →
1
Taorian’ny safo-drano dia niteraka zanakalahy maro i Sema sy i Hama ary i Jafeta zanak’i Noà. Ireto no lisitry ny taranany:
2
Ny zanakalahin’i Jafeta dia i Gômera sy i Magôga, i Maday sy Javàna, i Tobala sy i Mesèka ary i Tirasa.
3
Ny zanakalahin’i Gômera dia i Askenaza sy i Rifata ary i Tôgarmà.
4
Ny zanakalahin’i Javàna dia i Elisà sy i Tarsisy ary i Kitima sy i Rôdanima.
5
Ireo no zanakalahin’i Jafeta sady niavian’ny firenen-tsamihafa niparitaka any amin’ny nosy maro; ka samy nanana ny taniny araka ny fiteniny avy sy nanana ny fireneny araka ny fokony avy izy.
6
Ny zanakalahin’i Hama dia i Kosy sy i Mitsiraîma ary i Poto sy i Kanahàna.
7
Ary ny zanakalahin’i Kosy dia i Sebà sy i Havilà, i Sabtà sy i Rahemà ary i Sabtekà. Ny zanakalahin’i Rahemà dia i Saba sy i Dedàna.
8
I Kosy no rain’i Nimrôda izay lehilahy mahery voalohany teto an-tany.
9
I Nimrôda dia mpihaza mahery teo imason’ny TOMPO, ka niavian’ny ohabolana hoe: «Sahala amin’i Nimrôda, mpihaza mahery teo imason’ny TOMPO.»
10
Ny tanàna lehibe tao amin’ny fanjakany dia i Babèla sy i Ereka ary i Akada sy i Kalne ao amin’ny tany Sinehara.
11
Niala tamin’izany tany izany i Nimrôda ho any Asiria ary nanangana tanàna, dia i Ninive sy i Rehôbôta-Hiry, i Kela,
12
ilay tanàna lehibe, ary i Resèna izay teo anelanelan’i Ninive sy i Kela.
13
I Mitsiraîma no razamben’ireo olona tao Loda sy tao Henama, tao Lehava sy tao Neftoà
14
ary tao Patrosy mbamin’ireo Kaslohita sy Kaftôrita izay niavian’ny Filistinina.
15
I Kanahàna no rain’i Tsidôna lahimatoany sy i Heta
16
razamben’ireto foko ireto: dia ny Jebosita sy ny Amôrita, ny Girgasita
17
sy ny Hivita, ny Harkita sy ny Sinita,
18
ny Arvadita sy ny Tsemarita ary ny Hamatita. Taorian’izany dia niparitaka ireo foko kanahanita,
19
ka ny faritaniny dia nanomboka hatreo Tsidôna mihazo an’i Gerara ka hatrany Gazà, ary mankany Sôdôma sy Gômôra ary Admà sy Tsebôima ka hatrany Lesà.
20
Ireo no zanakalahin’i Hama voatsinjara araka ny fokony sy ny fiteniny avy, ary ao amin’ny taniny sy ny fireneny avy.
21
I Sema zokin’i Jafeta dia mba niteraka ihany koa, fa izy no razamben’i Hebera sy ny taranany.
22
Ny zanakalahin’i Sema dia i Helama sy i Asora, i Arpaksàda sy i Loda ary i Arama.
23
Ny zanakalahin’i Arama dia i Hotsa sy i Hola ary i Getera sy i Masa.
24
I Arpaksàda no rain’i Sela, ary i Sela no rain’i Hebera.
25
I Hebera dia nanan-janaka roa lahy: ny anankiray dia nantsoina hoe Pegela na «Fizaràna» satria tamin’ny androny no nizara ny mponina teto an-tany, ary ny rahalahiny kosa dia nantsoina hoe Jôktàna.
26
I Jôktàna no rain-dry i Almôdada sy i Selefa, i Hatsarmavèty sy i Jerà,
27
i Hadorama sy i Ozàla, i Diklà
28
sy i Hobàla, i Abimaela sy i Seba,
29
i Ofira sy i Havila, ary i Jôbaba. Ireo rehetra ireo no zanakalahin’i Jôktàna.
30
Ny fonenan’izy ireo dia manomboka eo Mesà ka hatrany amin’ny tendrombohitra atsinanana mankany Sefara.
31
Ireo no zanakalahin’i Sema voatsinjara araka ny fokony sy ny fiteniny avy, ary ao amin’ny taniny sy ny fireneny avy.
32
Ireo no foko avy amin’ny zanakalahin’i Noà araka ny lisitry ny taranany isaky ny fireneny avy. Avy amin’ireo no niavian’ny firenena rehetra niparitaka eran-tany taorian’ny safo-drano.
← Chapter 9
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 49
Chapter 50
Chapter 11 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36
37
38
39
40
41
42
43
44
45
46
47
48
49
50