bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
/
Genesis 42
Genesis 42
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
← Chapter 41
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 49
Chapter 50
Chapter 43 →
1
Fantatr’i Jakôba fa misy vary any Ejipta, ka hoy izy tamin’ireo zanany lahy: –Nahoana no mifampijery fotsiny eto ianareo?
2
Indro, reko fa misy vary any Ejipta. Koa andeha midina any mividy vary ho antsika, mba ho velona isika fa tsy ho faty.
3
Dia nidina tany Ejipta ireo zokin’i Jôsefa folo lahy mba hividy vary.
4
Tsy nalefan’i Jakôba niaraka tamin’ireo rahalahiny kosa i Benjamîna zandrin’i Jôsefa, fa hoy izy hoe: «Sao misy loza hanjo azy any.»
5
Dia tonga hividy vary tany Ejipta toy ny hafa ireo zanakalahin’i Jakôba, fa tratry ny mosary koa ny tany Kanahàna.
6
I Jôsefa no mpitondra ny tany Ejipta, ka izy no mpivaro-bary tamin’ireo olon’ny tany hafa rehetra. Koa tonga niankohoka tamin’ny tany teo anatrehan’i Jôsefa ireo rahalahiny.
7
Vao hitan’i Jôsefa ireo rahalahiny, dia fantany; saingy mody niseho ho vahiny taminy kosa i Jôsefa sady nandrahona azy hoe: –Avy aiza moa ianareo? Hoy kosa ireo hoe: –Avy any amin’ny tany Kanahàna izahay. Tonga mba hividy sakafo.
8
Koa fantatr’i Jôsefa ireto rahalahiny, fa izy ireo kosa tsy nahafantatra azy.
9
Tsaroan’i Jôsefa ny nofiny momba azy ireo, ka hoy indray izy hoe: –Mpitsikilo ianareo! Hizaha izay toerana mora hanafihana eto amin’ny tany no nahatongavanareo.
10
Fa novaliany hoe: –Tsia, tompoko ô! Tonga mba hividy sakafo fotsiny izahay mpanomponao.
11
Zanak’olona iray ihany izahay rehetra ireto; olo-marina fa tsy mba mpitsikilo akory izahay mpanomponao.
12
Ary hoy i Jôsefa taminy: –Tsia, fa hizaha izay toerana mora hanafihana eto amin’ny tany no nahatongavanareo.
13
Namaly kosa ireo hoe: –Misy 12 mirahalahy izahay mpanomponao, zanak’olona iray ihany any amin’ny tany Kanahàna; ary indro ny faralahy aminay aza dia nijanona any amin’ny rainay, fa ny iray kosa efa tsy ao intsony.
14
Hoy indray i Jôsefa taminy: –Izany indrindra no efa nilazako anareo hoe mpitsikilo ianareo.
15
Koa izao no fizahan-toetra hatao aminareo: Velona ny Farao, ka mianiana aho fa tsy hiala eto mihitsy ianareo raha tsy tonga eto izany zandrinareo faralahy izany.
16
Maniraha anankiray aminareo haka azy, fa ianareo sisa kosa dia hatao an-tranomaizina. Ho hita amin’izany ny fahamarinan’ny teninareo. Fa raha tsy izany kosa, velona ny Farao, ka manizinginzina aho fa mpitsikilo tokoa ianareo.
17
Nataon’i Jôsefa an-tranomaizina nandritra ny telo andro izy rehetra.
18
Ary tamin’ny andro fahatelo dia hoy i Jôsefa taminy: –Izao no ataovy, dia ho velona ianareo, satria izaho koa mba manaja an’Andriamanitra.
19
Raha olo-marina tokoa ianareo, dia aoka ny anankiray aminareo hijanona ao an-tranomaizina nitazonana anareo; fa ianareo sisa kosa mandehana mitondra ny vary ho any amin’ny fianakavianareo mosarena.
20
Avy eo dia ento aty amiko ny zandrinareo faralahy, amin’izay dia ho voaporofo fa marina ny teninareo ka tsy ho faty ianareo. Dia nanaiky izany izy,
21
nefa nifampiresaka hoe: –Tena meloka tokoa isika noho ny amin’ny rahalahintsika izay hitantsika ny fahoriam-panahiny tamin’ny fiangaviany antsika, nefa tsy mba nohenointsika; ary izao dia manody antsika izany.
22
Dia niteny i Reobena hoe: –Moa tsy efa nilaza taminareo ve aho hoe: «Aza manao heloka bevava amin’i Jôsefa leiretsy», kanefa tsy nihaino ahy ianareo. Koa izao dia manody antsika ny rany.
23
Tsy nampoizin’ireo hoe fantatr’i Jôsefa ny teniny, satria mpandika teny no niresahany taminy.
24
Dia nihodina niala teo anatrehany aloha i Jôsefa mba hitomany. Ary niverina teo amin’ireto rahalahiny indray i Jôsefa ka nilaza taminy fa i Simehôna no hotazoniny, sady nafatony teo imason’izy ireo.
25
Avy eo dia nasainy nofenoina vary ny kitapon’izy ireo, ary naverina tao an-kitapony avy koa ny volan’ny isan-dahy sady nomena vatsy hoentiny eny an-dàlana. Dia notanterahina izany.
26
Ary nataingin’izy mirahalahy avy teo ambony borikiny ny kitapom-bary, dia lasa izy.
27
Ary nony mby teo amin’ny toerana handriany hariva izy ireo, dia nosokafan’ny anankiray ny kitapony mba hanomezany sakafo ho an’ny borikiny, nefa indro ny volany hitany teo am-bavan’ny kitapo.
28
Dia niteny tamin’ireo rahalahiny izy hoe: –Naverina ny volako, fa io anaty kitapoko io! Dia nivarahontsana izy ireo sady raiki-tahotra ka nifanontany hoe: «Inona izao ataon’Andriamanitra amintsika izao?»
29
Nony tonga tany Kanahàna teo amin’i Jakôba rainy izy ireo, dia nitantara taminy ny zava-niseho rehetra ka nanao hoe:
30
–Ilay lehilahy tompon’ny tany dia nandrahona anay ka nilaza anay ho mpitsikilo.
31
Fa hoy izahay taminy: «Olo-marina izahay fa tsy mpitsikilo.
32
Roa ambin’ny folo mirahalahy izahay no zanaky ny rainay, ka ny iray dia efa tsy ao intsony fa ny faralahy kosa dia nijanona any Kanahàna miaraka amin’ny rainay.»
33
Saingy ilay lehilahy tompon’ny tany dia namaly anay fa te hahafantatra raha tena olo-marina tokoa izahay ka nanao hoe: «Aoka ny iray aminareo hijanona eto amiko; fa ianareo sisa kosa mandehana, ento ny vary ho any amin’ny fianakavianareo mosarena.
34
Dia ento aty amiko ny zandrinareo faralahy. Amin’izay dia ho fantatro fa tsy mpitsikilo ianareo fa olo-marina tokoa; dia haveriko aminareo i Simehôna rahalahinareo, ary hahazo mivezivezy eto amin’ny tany ianareo.»
35
Ary nony nararak’izy ireo ny tao an-kitapony, dia indro samy am-ponosana tao an-kitapony avy ny volany. Ary rehefa nahita ireo vola voafono toy izany izy mbamin’ny rainy, dia samy raiki-tahotra.
36
Ka hoy i Jakôba rainy taminy: –Tianareo tsy hanan-janaka ve aho? I Jôsefa efa tsy eo, i Simehôna koa efa tsy eo, ary izao dia halainareo amiko indray i Benjamîna! Izaho no ianjadian’izany rehetra izany.
37
Fa hoy i Reobena tamin-drainy: –Vonoy ny zanako roa lahy raha tsy tongako eto aminao indray i Benjamîna; fa atolory ahy izy, dia izaho no hamerina azy eto aminao!
38
Hoy kosa i Jakôba hoe: –Tsia, tsy handeha hidina miaraka aminareo ny zanako. Efa maty ny rahalahiny, ary izy irery no sisa. Raha hisy fahavoazana manjo azy eny an-dalana, dia ianareo no hahatonga ity tenako efa antitra ity ho difotr’alahelo hankany amin’ny toeran’ny maty.
← Chapter 41
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 49
Chapter 50
Chapter 43 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36
37
38
39
40
41
42
43
44
45
46
47
48
49
50