bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
/
Genesis 20
Genesis 20
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
← Chapter 19
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 49
Chapter 50
Chapter 21 →
1
Niala teo i Abrahama nankany amin’ny faritany atsimo, ka nonina tao anelanelan’i Kadesy sy i Soro, ary nivahiny tao Gerara.
2
Nolazain’i Abrahama fa anabaviny i Sarà vadiny; koa naniraka haka an’i Sarà i Abimelèka, mpanjakan’i Gerara.
3
Niseho nofy tamin’i Abimelèka anefa Andriamanitra nony alina ka nanao taminy hoe: –Indro ho faty ianao noho ny amin’ny vehivavy izay nalainao, fa manam-bady izy io.
4
I Abimelèka anefa tsy mbola nanatona akaiky an-dravehivavy akory, ka nilaza hoe: –Tompo ô, moa haringanao koa va ny tenako sy ny fireneko na dia tsy diso aza izahay?
5
Moa tsy Abrahama va no nilaza tamiko an’i Sarà hoe anabaviny? Ary moa tsy ravehivavy io va no nilaza tamiko an’i Abrahama hoe anadahiny? Koa tamin’ny fo tsotra sy tanana madio no nanaovako izany.
6
Mbola tamin’io nofy io ihany no nilazan’Andriamanitra tamin’i Abimelèka hoe: –Izaho koa dia mahalala fa tamin’ny fo tsotra no nanaovanao izany. Izaho ihany koa no nisakana anao tsy hanota amiko. Izany no tsy namelako anao hikasika azy.
7
Koa ankehitriny avereno amin’ny vadiny ravehivavy. Mpaminany izy ka hivavaka ho anao, dia tsy ho faty ianao. Fa raha tsy averinao kosa izy, dia fantaro fa ho faty tokoa ianao sy izay rehetra anao.
8
Dia nifoha vao maraina be i Abimelèka, ka niantso ny mpanompony rehetra ary nanambara ny zavatra rehetra taminy; dia raiki-tahotra mafy ireo olona ireo.
9
Nampiantso an’i Abrahama i Abimelèka, ka nanao taminy hoe: –Inona izao nataonao anay izao? Inona no fahotana nataoko taminao no dia saika nampidiranao heloka lehibe toy izao ny tenako sy ny fanjakako? Zavatra tsy fanao no nataonao tamiko.
10
Inona, hoy aho, no kendrenao tamin’ny nanaovanao izao zavatra izao?
11
Namaly kosa i Abrahama hoe: –Nihevitra anakampo aho fa tsy misy olona matahotra an’Andriamanitra amin’ity toerana ity, koa hovonoin’ireo aho noho ny amin’ny vadiko.
12
Marina ihany anefa fa anabaviko izy, iray ray izahay; saingy tsy iray reny amiko izy, ka izany no nahatonga azy ho vadiko.
13
Rehefa nasain’Andriamanitra nandao ny tranon-draiko aho, dia hoy aho tamin’ny vadiko: «Izao no rohim-pihavanana hampiasainao amiko: Any amin’ny toerana rehetra izay halehantsika dia lazao hoe anadahinao aho.»
14
Dia naka ondry sy osy aman’omby ary mpanompolahy sy mpanompovavy i Abimelèka, ka nomeny an’i Abrahama; naveriny taminy koa i Sarà vadiny.
15
Ary hoy i Abimelèka tamin’i Abrahama: –Indro mivoha ho anao ny taniko, koa mipetraha amin’izay mahafinaritra ny masonao.
16
Hoy kosa izy tamin’i Sarà: –Hitanao fa nomeko volafotsy arivo ny anadahinao mba ho tampi-maso amin’izay rehetra havanao fa tsy manantsiny ianao amin’izao raharaha izao.
17
Nataon’ny TOMPO momba koa ny vehivavy rehetra tao an-tranon’i Abimelèka noho ilay raharahan’i Sarà vadin’i Abrahama. Dia nivavaka tamin’Andriamanitra i Abrahama; koa nositranin’Andriamanitra i Abimelèka sy ny vadiny ary ireo mpanompovaviny, ka afa-niteraka indray.
← Chapter 19
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 49
Chapter 50
Chapter 21 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36
37
38
39
40
41
42
43
44
45
46
47
48
49
50