bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
/
Genesis 47
Genesis 47
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
← Chapter 46
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 49
Chapter 50
Chapter 48 →
1
Dia lasa i Jôsefa nampandre ny Farao hoe: –Ny raiko sy ny rahalahiko ary ireo ondry aman’osiny sy ny ombiny mbamin’izay rehetra ananany dia tonga avy any amin’ny tany Kanahàna, ka indreo ao amin’ny faritr’i Gôsena izy.
2
Nalain’i Jôsefa ny rahalahiny dimy, ka nasehony teo anatrehan’ny Farao.
3
Nanontany azy dimy lahy ny Farao hoe: –Inona moa no raharaha fanaonareo? Ka hoy ny navaliny azy: –Mpiandry ondry tahaka ny razanay ihany izahay mpanomponao.
4
Namely mafy ny mosary tao amin’ny tany Kanahàna, ka tsy misy intsony ny ahitra ho an’ny ondry aman’osinay; koa tonga mba hivahiny eto amin’ity tany ity izahay mpanomponao ankehitriny, ary miangavy mba hipetraka ao amin’ny faritr’i Gôsena.
5
Dia hoy ny Farao tamin’i Jôsefa: –Tonga atỳ aminao ny rainao sy ny rahalahinao,
6
ary ny tany Ejipta manontolo dia eo anatrehanao; koa izay faritra tsara indrindra no amponeno azy. Mahazo mipetraka ao amin’ny faritr’i Gôsena izy; ary raha fantatrao fa misy olo-mahay amin’izy ireo, dia tendreo ho lehiben’ny fiandrasana ny andiam-biby fiompiko.
7
Nentin’i Jôsefa teo anatrehan’ny Farao koa i Jakôba rainy. Dia niarahaba sady nirary soa ny Farao i Jakôba,
8
ka nanontaniany hoe: –Firy taona moa ianao izao?
9
Ka hoy i Jakôba hoe: –Efa telopolo amby zato taona izao no nivezivezeko toy ny mpivahiny. Fohy sady sarotra ny androm-piainako ka tsy nahatratra akory ny andron’ireo razako tamin’ny fotoana nivahiniany.
10
Dia nisaotra sy nanao veloma ny Farao i Jakôba ary niala teo anatrehany.
11
Tao amin’ny faritra tsara indrindra tany Ejipta, tao amin’ny faritra manodidina an’i Ramsesa, no napetrak’i Jôsefa ny rainy sy ireo rahalahiny, araka ny baikon’ny Farao, ary nomeny zaratany.
12
Novatsîn’i Jôsefa hanina ny rainy sy ny rahalahiny ary ny ankohonan-drainy rehetra, araka ny isan’ny vava mihinana.
13
Ary mafy tokoa ny mosary ka tsy nisy hanina intsony teo amin’ny faritany manontolo. Na tany Ejipta na tany Kanahàna dia efa very hevitra ny olona niatrika ny mosary.
14
Nangonin’i Jôsefa ny vola rehetra tany Ejipta sy tany Kanahàna, dia ny vola izay nividianan’ny olona vary, ka nasainy nentina tao an-dapan’ny Farao.
15
Ary rehefa tsy nisy vola intsony na tany Ejipta na tany Kanahàna, dia tonga tany amin’i Jôsefa ny Ejiptianina rehetra ka nanao hoe: –Omeo hanina izahay. Satria tsy manam-bola ve izahay, dia ho faty eto anatrehanao?
16
Hoy kosa i Jôsefa hoe: –Raha tsy manam-bola ianareo, dia omeo ahy ny andiam-biby fiompinareo, fa hatakaloko sakafo ho anareo.
17
Dia nentin’ny olona tany amin’i Jôsefa ny andiam-biby fiompiny; ka notakalozan’i Jôsefa hanina ny soavaliny sy ny ondry aman’osiny ary ny ombiny sy ny borikiny. Koa tamin’iny taona iny dia nanome sakafo azy i Jôsefa ho takalon’ny biby fiompy rehetra.
18
Nony afaka herintaona dia niverina tany amin’i Jôsefa indray ny olona ka niteny taminy hoe: –Tsy afeninay aminao, tompoko, fa tsy manam-bola intsony izahay, ary ireo biby fiompinay dia efa lasanao. Koa tsy misy afa-tsy ny tenanay sy ny taninay no sisa eto anatrehanao.
19
Nahoana no avela ho faty eto anatrehanao izahay ka hipetra-potsiny eo ny taninay? Vidio ny tenanay sy ny taninay, ka omeo hanina izahay; dia hanompo ny Farao ny tenanay sy ny taninay. Omeo masom-boly izahay mba hahazoanay mivelona ka ny tenanay tsy ho faty ary ny taninay tsy ho lao.
20
Dia novidîn’i Jôsefa ho an’ny Farao ny tany rehetra tao Ejipta, satria nihamafy ny mosary ka samy nivarotra ny sahany avy ny Ejiptianina. Noho izany dia lasa fananan’ny Farao avokoa ny tany manontolo;
21
ary ny vahoaka kosa noteren’i Jôsefa hanao fanompoana nanomboka amin’ny sisin-tany an-kilany ka hatrany amin’ny sisin-tany an-daniny.
22
Ny tany tsy mba novidin’i Jôsefa dia ny tanin’ireo mpisorona, satria nisy didy navoakan’ny Farao hitsimbinana azy. Anjara sakafo nomen’ny Farao azy no fihinany; izany no tsy nivarotan’ireo mpisorona ny taniny.
23
Dia hoy i Jôsefa tamin’ny vahoaka: –Ankehitriny efa voavidiko ho an’ny Farao ny tenanareo sy ny taninareo, koa homeko masom-boly ianareo hafafinareo any amin’ny taninareo.
24
Fa rehefa miakatra ny vokatra, dia haterinareo ho an’ny Farao ny ampahadiminy; ny efatra ampahadiminy kosa dia hotazoninareo mba ho masom-boly ary koa ho sakafonareo sy ny zanakareo mbamin’izay rehetra mipetraka ao an-tranonareo.
25
Ka hoy ny navalin’ireo hoe: –Namonjy ny ainay ianao, tompokolahy. Nahita sitraka teo imasonao izahay, koa ekenay ny ho mpanompon’ny Farao.
26
Toy izany no namoahan’i Jôsefa lalàna tany Ejipta, lalàna mbola manan-kery mandraka androany, fa ny ampahadimin’ny vokatra dia aterina ho an’ny Farao. Ny tanin’ny mpisorona irery ihany no tsy mba lasa fananan’ny Farao.
27
Nipetraka tany Ejipta, tao amin’ny faritr’i Gôsena, ny Israelita. Nahazo zaratany tao izy, dia niteraka, ka nihamaro fatratra.
28
Niaina fito ambin’ny folo taona tany Ejipta i Jakôba, ka ny androm-piainany dia nahatratra fito amby efapolo amby zato taona.
29
Ary rehefa akaiky ny andro hahafatesan’i Jakôba, dia niantso an’i Jôsefa zanany izy ka nanao taminy hoe: –Raha tia ahy ianao, dia asehoy amiko ny fitiavanao sy ny toetranao mahafatra-po, aza alevina aty Ejipta aho. Mianiàna amiko ianao, ka ataovy ato ambany feko ny tananao.
30
Rehefa maty aho, dia ento hiala aty Ejipta ka aleveno any am-pasan-drazako. Ka hoy i Jôsefa hoe: –Hotanterahiko araka ny teninao izany.
31
Ary hoy i Jakôba hoe: –Mianiàna amiko mihitsy àry ianao. Dia nianiana taminy i Jôsefa. Ary teo an-doham-pandriany teo i Jakôba no niondrika mba ho fisaorana azy.
← Chapter 46
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 49
Chapter 50
Chapter 48 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36
37
38
39
40
41
42
43
44
45
46
47
48
49
50