bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
/
Genesis 50
Genesis 50
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
← Chapter 49
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 49
Chapter 50
1
Dia nihohoka teo amin’ny tavan’ny rainy i Jôsefa, ary nitomany sady nanoroka azy.
2
Ary nomen’i Jôsefa baiko ireo dokotera mpanompony mba hanosotra zava-manitra ny rainy; koa notanterahin’ireo ny fanosorana menaka manitra ny fatin’i Jakôba,
3
nandritra ny efapolo andro ngarangidina mba hitahirizana azy. Ary nisaona an’i Jakôba nandritra ny fitopolo andro ny Ejiptianina.
4
Nony afaka ny andro fisaonana, dia hoy i Jôsefa tamin’ireo olona akaikin’ny Farao: –Raha mba mahita sitraka aminareo aho, dia mba ampitao amin’ny Farao izao teniko izao:
5
«Alohan’ny nahafatesan-draiko, dia nampianiana ahy izy mba handevina azy any amin’ny fasana izay efa nomaniny any Kanahàna. Koa ankehitriny aoka aho mba hiakatra handevina ny raiko; rehefa izany dia hiverina indray aho.»
6
Nomen’ny Farao lalana i Jôsefa mba handeha handevina ny rainy araka izay efa nianianany.
7
Dia niainga i Jôsefa handevina ny rainy; niaraka taminy ireo olona ambony tao an-dapan’ny Farao sy ny loholona rehetra tao Ejipta,
8
ny ankohonan’i Jôsefa manontolo mbamin’ireo rahalahiny ary ireo olon-kafa rehetra tao amin’ny fianakavian-drainy. Tsy nisy najanona tao amin’ny faritr’i Gôsena, afa-tsy ny ankizy sy ny biby fiompy ihany.
9
Nisy andian-kalesy sy mpitaingin-tsoavaly koa niara-niakatra taminy, ka nafonja tokoa ny andian’olona mpanotrona.
10
Tonga tao Gôrena-Atàda, any am-pitan’i Jôrdàna izy ireo. Tao no nankalazany tamin’ny fomba manetriketrika sy manohina tokoa ny famoizana an’i Jakôba, fa naharitra fito andro ny fisaonan’i Jôsefa an-drainy.
11
Nony nahita izany fomba fisaonana tao Gôrena-Atàda izany ny Kanahanita nonina tamin’iny faritra iny, dia loa-bolana hoe: –Fisaonana mangidy ho an’i Ejipta ity! Izany no niantsoana io toerana any am-pitan’i Jôrdàna io hoe Abela-Mitsiraima, izany hoe Fisaonan’i Ejipta.
12
Avy eo dia notanterahin’ireo zanakalahin’i Jakôba izay nanafaran-drainy azy.
13
Nentiny nankany amin’ny tany Kanahàna ny fatin-drainy ary naleviny tao amin’ny zohy tao an-tsahan’i Makpelà, teo akaikin’i Mamre. Fa novidîn’i Abrahama tamin’i Hefrôna izay hetita io saha io mba ho tany fandevenana.
14
Rehefa avy nandevina ny rainy i Jôsefa, dia niverina tany Ejipta ny tenany sy ireo rahalahiny mbamin’ireo olona rehetra izay niara-niakatra taminy handevina ny rainy.
15
Rehefa hitan’ireo rahalahin’i Jôsefa fa maty ny rainy, dia nifampiresaka izy hoe: «Mety hankahala antsika i Jôsefa ka hamaly faty ireo ratsy nataontsika taminy.»
16
Noho izany, dia nandefa teny nankany amin’i Jôsefa izy hoe: –Ny rainao, talohan’ny nahafatesany, dia nanafatra hoe:
17
«Izao no holazainareo amin’i Jôsefa: Mamindrà fo ka avelao ny heloka amam-pahotàn’ireo rahalahinao fa ratsy no nataony taminao.» Koa ankehitriny mba avelao ny helokay mpanompon’Ilay Andriamanitry ny rainao. Dia nitomany i Jôsefa noho ny teny nalefan’izy ireo taminy.
18
Tonga tany amin’i Jôsefa rahateo koa ireto rahalahiny ka niankohoka teo anatrehany sady nilaza hoe: –Indreto izahay ho mpanomponao.
19
Fa hoy i Jôsefa taminy: –Aza matahotra ianareo, fa tsy haka ny toeran’Andriamanitra aho.
20
Nikendry hanisy ratsy ahy ianareo fa Andriamanitra kosa nanova izany ratsy izany ho soa mba hamonjeny vahoaka marobe araka izao hitanareo ankehitriny izao.
21
Koa aza matahotra ianareo, fa izaho no hiahy ny sakafo ho anareo sy ny ankohonanareo. Ary nampahery azy i Jôsefa sady nanao teny nanohina ny fony.
22
Nipetraka tany Ejipta i Jôsefa sy ny ankohonan-drainy. Folo amby zato taona no andro niainan’i Jôsefa,
23
ka nahita ny zafiafin’i Efraîma zanany lahy izy ary nanangana ireo zanak’i Makira izay zafikeliny sady zanakalahin’i Manase.
24
Indray andro dia hoy i Jôsefa tamin’ireo rahalahiny: –Ho faty aho, nefa hamangy anareo tokoa Andriamanitra ka hampiala anareo amin’ity tany ity ho any amin’ny tany izay efa nianianany homena an’i Abrahama sy i Itsehàka ary i Jakôba.
25
Koa mianiàna amiko fa rehefa hamangy anareo tokoa Andriamanitra, dia hoentinareo miakatra avy atỳ ny taolam-baloko.
26
Maty i Jôsefa, rehefa feno 110 taona. Nohosorana zava-manitra ny fatiny; ary tao anaty vata vato no nametrahana azy tany Ejipta.
← Chapter 49
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 49
Chapter 50
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36
37
38
39
40
41
42
43
44
45
46
47
48
49
50