bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
/
Genesis 28
Genesis 28
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
← Chapter 27
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 49
Chapter 50
Chapter 29 →
1
Dia niantso an’i Jakôba i Itsehàka, ary nanao veloma azy sady nanafatrafatra hoe: –Aza maka vady amin’ny zanakavavin’ny Kanahanita.
2
Miaingà ka mandehana any Mezôpôtamia ambony, any amin’i Betoela raibenao. Any ianao no makà vady amin’ny zanakavavin’i Labàna anadahin-dreninao.
3
Hitahy anao anie ilay Andriamanitra Tsitoha, ka hanome taranaka maro mba hahatonga anao ho razamben’ny firenena maro
4
Homeny anao sy ny taranakao anie ny tsodrano nataony tamin’i Abrahama mba hahazoanao ny tany fivahinianao, dia ny tany izay efa nomen’Andriamanitra an’i Abrahama.
5
Koa nalefan’i Itsehàka ho any Mezôpôtamia ambony i Jakôba, ho any amin’i Labàna, zanakalahin’i Betoela izay aramianina sady anadahin’i Rebekà renin’i Hesao sy i Jakôba.
6
Ary hitan’i Hesao fa nanao veloma an’i Jakôba i Itsehàka sady efa nandefa azy haka vady any Mezôpôtamia ambony; ary teo am-panaovam-beloma dia nanafatrafatra azy izy mba tsy hanambady zazavavy kanahanita.
7
Nankatò an-drainy sy reniny tokoa i Jakôba ka lasa nankany Mezôpôtamia ambony.
8
Hitan’i Hesao kosa tamin’izay fa tsy nahafaly an’i Itsehàka rainy ireo zazavavy kanahanita.
9
Noho izany, dia lasa izy nankany amin’i Jismahela, zanakalahin’i Abrahama, ka naka vady an’i Mahalato zanany vavy sady anabavin’i Nebaiôta, ho fanampin’ izay efa nananany.
10
Niala tao Beera-Seba i Jakôba ka nankany Haràna.
11
Ary tratry ny masoandro milentika teo amin’ny toerana iray izy ka nandry teo. Dia naka vato tamin’izany toerana izany izy nataony ondana, ka natory teo.
12
Nanonofy izy ka indro nisy tohatra natsangana avy amin’ny tany ary nahatakatra ny lanitra ny tendrony; dia indreo nisy anjeli n’Andriamanitra niakatra sy nidina teo aminy.
13
Ary niseho teo anoloan’i Jakôba ny TOMPO Andriamanitra ka nanao hoe: –Izaho no TOMPO, Andriamanitr’i Abrahama raibenao sy Andriamanitr’i Itsehàka. Ny tany izay andrianao dia homeko anao sy ny taranakao.
14
Ho maro tahaka ny vovoky ny tany ny taranakao ka hiely hianatsimo sy hianavaratra ary hiankandrefana sy hiantsinanana. Amin’ny alalanao sy ny taranakao no hitahiana ny firenena rehetra eto an-tany.
15
Hiaraka aminao Aho ary hiaro anao amin’izay rehetra alehanao ka hitondra anao miverina amin’ity tany ity. Tsy handao anao aho ary hotanterahiko izay rehetra nampanantenaiko anao.
16
Taitra tamin’ny torimasony i Jakôba ka nanao hoe: –Tena eto amin’ity toerana ity tokoa ny TOMPO, fa izaho no tsy nahalala.
17
Ary natahotra izy ka nanao hoe: –Tena mahatahotra ity toerana ity, izay tsy hafa fa tranon’Andriamanitra sy vavahadin’ny lanitra.
18
Dia nifoha vao maraina i Jakôba, ary nalainy ilay vato nataony ondana ka naoriny ho tsangambato ary nohosorany menaka teo an-tampony.
19
Dia nantsoiny hoe Betela na hoe tranon’Andriamanitra io toerana io, fa Lozy no anaran’izany tanàna izany taloha.
20
Nanao voady teo i Jakôba ka niteny hoe: –Raha miaraka amiko ny Tompo ka miaro ahy amin’izao lalana alehako izao, ary manome ahy izay hohaniko sy hotafîko,
21
ka mahatafaverina ahy soa aman-tsara any an-tranon-draiko, dia ny TOMPO no ho Andriamanitro.
22
Ary ity vato izay efa naoriko ho tsangambato ity dia hanjary tranon’Andriamanitra, ka ny ampahafolon’izay rehetra homeny ahy dia hatolotro Azy.
← Chapter 27
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 49
Chapter 50
Chapter 29 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36
37
38
39
40
41
42
43
44
45
46
47
48
49
50