bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
/
Genesis 11
Genesis 11
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
← Chapter 10
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 49
Chapter 50
Chapter 12 →
1
Fiteny iray ihany ary voambolana mitovy no nampiasaina tamin’ny tany tontolo.
2
Saingy rehefa nikisaka niantsinanana ny olona, dia nahita lemaka tao amin’ny tany Sinehara ary niorim-ponenana tao.
3
Dia nifampiresaka izy ka nanao hoe: «Andao isika hanao biriky tanimanga ka handotra azy amin’ny afo.» Ny biriky no nataony solon’ny vato ary ny molanga no nataony solon’ny rihitra.
4
Avy teo dia hoy koa ireo hoe: «Andeha isika hanorina tanàna misy tilikambo mahatakatra ny lanitra ny tendrony! Amin’izay dia halaza isika ka tsy hiparitaka amin’ny velaran’ny tany.»
5
Dia nidina avy any an-danitra ny TOMPO mba hijery ny tanàna sy ny tilikambo izay naorin’ny zanak’olombelona.
6
Ka hoy IZY hoe: «Indro ankehitriny fa firenena iray ihany izy rehetra ary fiteny tokana ihany no ampiasainy. Raha izany no fiandohan-javatra hataony, dia tsy hisy hahasakana azy tsy hahatanteraka izay kasainy.
7
Koa andeha isika hidina hanakorontana ny fiteniny mba tsy hifankahazoany fiteny intsony.»
8
Koa tao ny TOMPO no nampiely ny olona ho amin’ny velaran’ny tany tontolo; ary dia nilaozan’ireo ny fananganana ilay tanàna.
9
Izany no niantsoana io tanàna io hoe Babèla, satria tao no nanakorontanan’ny TOMPO ny fitenin’ny olona, ary tao no nampielezany ny olona ho amin’ny velaran’ny tany tontolo.
10
Toy izao no lisitry ny taranak’i Sema. Efa feno zato taona i Sema raha niteraka an’i Arpaksada, roa taona taorian’ny safo-drano. Taorian’ny nahaterahan’i Arpaksada,
11
dia mbola velona dimanjato taona i Sema, ary niteraka zanakalahy sy zanakavavy hafa koa.
12
Rehefa feno 35 taona i Arpaksada, dia niteraka an’i Sela.
13
Taorian’ny nahaterahan’i Sela, dia mbola velona 403 taona i Arpaksada ary niteraka zanakalahy sy zanakavavy hafa koa.
14
Rehefa feno 30 taona i Sela, dia niteraka an’i Hebera.
15
Taorian’ny nahaterahan’i Hebèra dia mbola velona 403 taona i Sela, ary niteraka zanakalahy sy zanakavavy hafa koa.
16
Rehefa feno 34 taona i Hebera, dia niteraka an’i Pelega.
17
Taorian’ny nahaterahan’i Pelega, dia mbola velona 430 taona i Hebèra, ary niteraka zanakalahy sy zanakavavy hafa koa.
18
Rehefa feno 30 taona i Pelega dia niteraka an’i Rehò.
19
Taorian’ny nahaterahan’i Rehò dia mbola velona 209 taona i Pelega, ary niteraka zanakalahy sy zanakavavy hafa koa.
20
Rehefa feno 32 taona i Rehò, dia niteraka an’i Seroga.
21
Taorian’ny nahaterahan’i Seroga, dia mbola velona 207 taona i Rehò, ary niteraka zanakalahy sy zanakavavy hafa koa.
22
Rehefa feno 30 taona i Seroga, dia niteraka an’i Nahôra.
23
Taorian’ny nahaterahan’i Nahôra, dia mbola velona 200 taona i Seroga, ary niteraka zanakalahy sy zanakavavy hafa koa.
24
Rehefa feno 29 taona i Nahôra, dia niteraka an’i Tera.
25
Taorian’ny nahaterahan’i Tera, dia mbola velona 119 taona i Nahôra, ary niteraka zanakalahy sy zanakavavy hafa koa.
26
Rehefa feno 70 taona i Tera, dia niteraka telo lahy dia i Abrama sy i Nahôra ary i Haràna.
27
Ireto avy no taranak’i Tera, rain’i Abrama sy i Nahôra ary i Haràna. I Haràna dia niteraka an’i Lôta,
28
ary maty tao amin’ny tany nahaterahany tao Ora any Babilônia izy fony fahavelon’i Tera rainy.
29
Nanambady an’i Saray i Abrama; ary i Nahôra kosa nanambady an’i Milkà zanakavavin’i Haràna. I Haràna koa no rain’i Milkà sy i Jiskà.
30
Ary i Saray dia tsy niteraka fa momba.
31
Ary nentin’i Tera i Abrama zanany lahy sy i Lôta zafikeliny sady zanakalahin’i Haràna. Nentiny koa i Saray vinantovaviny, vadin’i Abrama. Dia niala tao Ora any Babilônia ireo ka nankany amin’ny tany Kanahàna. Tonga hatrany Haràna izy ary nonina tao.
32
Ary maty tao Haràna i Tera, rehefa feno 205.
← Chapter 10
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 49
Chapter 50
Chapter 12 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36
37
38
39
40
41
42
43
44
45
46
47
48
49
50