bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
/
Genesis 34
Genesis 34
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
← Chapter 33
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 49
Chapter 50
Chapter 35 →
1
Indray andro dia nivoaka ny tanàna i Dinà, zanakavavin’i Leà tamin’i Jakôba, mba hitsidika zazavavy tao amin’ny faritany.
2
Nahita an’i Dinà i Sekema zanakalahin’i Hamôra izay hivita lehiben’ny faritany, ka naka azy an-keriny sy nandry taminy.
3
Nifikitra tamin’i Dinà zanakavavin’i Jakôba izy fa tia azy, ka nanao teny nambabo ny fony.
4
Dia hoy izy tamin’i Hamôra rainy: –Alaovy ho ahy iny zazavavy iny mba ho vadiko.
5
Ren’i Jakôba fa nolotoin’i Sekema i Dinà zanany vavy, kanefa tany an-tsaha niandry ny biby fiompy ireo zanany lahy, koa tsy nanao na inona na inona izy ambara-pahatongan’ireo.
6
Niainga ho any amin’i Jakôba i Hamôra rain’i Sekema mba hiresaka aminy.
7
Nony tonga avy tany an-tsaha ireo zanakalahin’i Jakôba ka nandre ny vaovao, dia nahatsiaro ny tenany ho afa-baràka sady nirehi-pahatezerana mafy, satria zava-pady ny nandrian’i Sekema an-keriny tamin’ny zanakavavin’i Jakôba; fa zavatra tsy fanao izany tao Israely.
8
I Hamôra anefa dia nilaza tamin’izy ireo hoe: –Raiki-pitia amin-drazazavavy i Sekema zanako lahy. Koa mba omeo ho vadiny re izy!
9
Hifanaraka isika ka ny zanakareo vavy homenareo ho anay ary ny zanakay vavy kosa halainareo ho anareo.
10
Hiara-monina aminay ianareo, ka hanjary ho anareo ny faritany eo anoloanareo; koa mitoera sy mivarota, ary manàna zaratany eto.
11
I Sekema mihitsy no tonga niteny tamin’ny rain’i Dinà sy ny anadahiny hoe: –Mba amindrao fo aho fa homeko anareo izay takînareo amiko.
12
Na dia harena be sy zavatra betsaka aza no takînareo amiko, dia homeko ihany, raha omenareo ho vadiko razazavavy.
13
Dia namaly an’i Sekema sy i Hamôra rainy tamin’ny hafetsena ireo zanakalahin’i Jakôba, satria nandoto an’i Dinà anabaviny izy.
14
Ka hoy ireto taminy: –Tsy azonay atao ny hanome ny anabavinay ho vadin’ny lehilahy tsy voafora, fa manala baràka anay izany.
15
Izao anefa: ekenay ny hevitrareo, raha hoforana mitovy aminay ny lehilahy rehetra eo aminareo.
16
Amin’izay dia homenay ho vadinareo ny tovovavinay, ary ny anareo kosa halainay ho vadinay; dia hiara-monina isika, ary hanjary firenena iray ihany.
17
Fa raha tsy manaiky hoforàna kosa ianareo, dia halainay ny anabavinay ary handeha izahay.
18
Sitrak’i Hamôra sy i Sekema zanany lahy ny soso-kevitra.
19
Koa tsy nitaredretra akory ilay tovolahy nanatanteraka izany zavatra izany, satria raiki-pitia tamin’ny zanakavavin’i Jakôba izy; ary izy no to teny indrindra tao amin’ny fianakaviany.
20
Koa nankeo amin’ny toerana teo am-bavahadin’ny tanàna i Hamôra sy i Sekema, ary nikabary tamin’ireo olona tao an-tanànany nanao hoe:
21
–Mampiseho fihavanana amintsika ireo olona ireo, koa avelao izy honina eto amin’ny faritany sady hivarotra; fa mivoha malalaka ho azy ireo ny tany eo anoloany. Amin’izay dia hahazo manambady ireo tovovaviny isika, ary ny antsika kosa ho vadiny.
22
Manaiky hiara-monina amintsika ireo olona ireo, raha tàhiny ny lehilahy rehetra ato amintsika hoforana tahaka ny azy.
23
Raha manaiky ny teniny isika, dia hiara-mipetraka amintsika izy ireo, ka ho lasantsika miandalana koa ny biby fiompiny sy ny fananany ary ny biby rehetra mpitondra ny entany.
24
Samy nanaiky ny soso-kevitr’i Hamôra sy i Sekema ny olona rehetra teo am-bavahady, koa noforàna avokoa ny lehilahy rehetra tao an-tanàna.
25
Tamin’ny andro fahatelo taorian’izany, raha mbola nararim-pery mafy iny ireo lehilahy ireo, dia nandray sabatra ny zanakalahin’i Jakôba, dia i Simehôna sy i Levỳ anadahin’i Dinà, ka niditra an-tsokosoko tao an-tanàna, ary nandringana ny lehilahy rehetra tao;
26
ka anisan’izany koa ry i Hamôra sy i Sekema zanany lahy. Dia naka an’i Dinà tao an-tranon’i Sekema izy roa lahy, ka lasa nandeha.
27
Ireo zanakalahin’i Jakôba hafa kosa nanendaka ireo faty sy nandroba ny tanàna noho ny nandotoana ny anabaviny.
28
Nalainy avokoa ny ondry aman’osiny ary ny ombiny sy ny borikiny, dia ny tao an-tanàna sy tany an-tsaha.
29
Nobaboiny ny hareny rehetra mbamin’ny zaza amam-behivavy, ka nofaohiny avokoa ny zavatra tao an-trano.
30
Dia hoy i Jakôba tamin’i Simehôna sy i Levỳ: –Nampidi-doza ahy ianareo fa nahatonga ahy ho mangidy hoditra amin’ny mponina tompon-tany, dia ny Kanahanita sy ny Perizita. Hitambatra hamely ahy ireo, dia handresy ahy satria olom-bitsy no eto amiko; ka ho fongotra ny tenako sy ny fianakaviako.
31
Fa namaly ireo hoe: –Nahoana no ho toy ny vehivavy mpivaro-tena no anaovany ny anabavinay?
← Chapter 33
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 49
Chapter 50
Chapter 35 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36
37
38
39
40
41
42
43
44
45
46
47
48
49
50