bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
/
Genesis 49
Genesis 49
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
← Chapter 48
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 49
Chapter 50
Chapter 50 →
1
Nantsoin’i Jakôba ireo zanany ka nilazany hoe: –Mivoria ianareo, fa hambarako aminareo izay zavatra hiseho aminareo any aoriana.
2
Mivoria ianareo ka mihainoa, ry zanakalahin’i Jakôba, eny, mihainoa an’i Israely rainareo.
3
Ianao, ry Reobena, no lahimatoako, voalohan-terako tao anatin’ny heriko. Ihoaranao ny rahalahinao amin’ny fahamendrehana sy ny hery.
4
Misamboaravoara toy ny ranon-driaka ianao; kanefa tsy ho lohalaharana intsony ianao, satria niakatra teo am-pandriako ka nandoto ny farafarako tamin’ny vadiko.
5
I Simehôna sy i Levỳ dia mpirahalahy niray tetika hanao herisetra;
6
kanefa tsy te handray anjara amin’ny fiokoany aho ary tsy te hanatrika ny fivoriany, satria nentanim-pahatezerana izy ka namono olona ho faty ary tia setrasetra ka nitraingo ombilahy.
7
Ho voaozona anie ny hatezerany tafahoatra ary ny havinirany tsy mifaditrovana. Haparitako ny taranany ka haeliko eran’i Israely.
8
Ry Joda, hidera anao ireo rahalahinao; Hofolahinao kosa ny hatok’ireo fahavalonao, ka hiankohoka eo anatrehanao ireo ralahahinao.
9
Ry Joda zanako, toy ny liona tanora ianao, dia liona avy niremby ka mamonjy fierena; mitorevaka toy ny lion-dahy i Joda ka matory, ary mamitsaka toy ny liom-bavy, ka iza no hampitsangana azy?
10
Tsy hiala amin’i Joda ny tehim-panjakana, ary tsy hiala amin’ny taranany ny tehim-pibaikoana mandra-pahatongan’ilay tena tompony izay hankatoavin’ny firenena rehetra.
11
Hihanaka dia hihanaka ny voaloboka, ka hafatony amin’ny tahom-boaloboka ny borikiny ary amin’ny sampam-boaloboka ny zana-borikiny; divay no hanasany akanjo ary ranom-boaloboka no hanasany fitafiana.
12
Ny divay no hampibaliaka tsara ny masony; ny ronono kosa no hampibotsiaka ny nifiny.
13
I Zebolòna dia honina eo amoron-dranomasina, dia eo amin’izay hisy seranan-tsambo; hivelatra hatrany Tsidôna ny faritaniny.
14
I Jisakara dia toy ny boriky matanjaka, mandry eo anivon’ny valany izay misy fefy roa sosona.
15
Hitany fa tsara ny toerana ary mahafinaritra ny tany. Nanongilan-tsoroka hampitondraina entana izy, ka tonga miasa mafy toy ny mpanompo.
16
I Dana dia hifehy ny vahoakany tahaka ny foko hafa ao amin’i Israely.
17
Toa bibilava mamitsaka eny an-dalana izy, ary tahaka ny menarana eo amoron-dalana; kaikerin’ny menarana ny traingon-tsoavaly ka mianjera mitsilany ny mpitaingina azy.
18
Manantena ny famonjenao aho, TOMPO ô!
19
I Gada dia notafihin’andia-mpandroba, koa manao valim-panafihana sy manenjika azy.
20
I Asera dia hanan-tany mahavokatra tokoa, ka hahazoana mofo mendrika mpanjaka.
21
I Naftalỳ dia toy ny osivavy mikarenjy izay manan-janaka tsara tarehy.
22
I Jôsefa dia toy ny zava-maniry mahavokatra izay mirobona eo akaikin-doharano ka manan-drantsana tafahoatra ny fefy.
23
Nampahory azy imbetsaka ireo mpitifitra tsipîka, ka nandefa zana-tsipîka hamelivelezana azy.
24
Kanjo nateza mafy ny tsipîkan’i Jôsefa, ary kinga hatrany ny sandry aman-tanany. Noho ny fiarovan’ilay Andriamanitra maherin’i Jakôba, noho ny anaran’ilay Mpiandry izay vatolampy iankinan’i Israely,
25
amin’ny alalan’ilay Andriamanitry ny rainao izay mamonjy anao, amin’ny alalan’ilay Andriamanitra Tsitoha izay mitahy anao, raiso ny fitahiana avy amin’ny orana izay mirotsaka avy any an-danitra, raiso ny fitahiana avy amin’ny rano izay mihanaka ao amin’ny fanambanin’ny tany ary raiso ny fitahiana izay hahamaro anaka ny vehivavy sy ny biby fiompy.
26
Ny tsodrano omen’ny rainao dia mihoatra noho ny zava-tsoan’ireo tendrombohitra fahagola sy ny zava-tsoan’ireo havoana tranainy. Hirotsaka eo an-dohan’i Jôsefa anie izany tsodrano izany, dia eo an-dohan’ilay voafidy teo anivon’ny rahalahiny!
27
I Benjamîna dia toy ny amboadia masiaka: Ny maraina izy homan-dremby; ny hariva, mizara babo.
28
Izy rehetra ireo no foko israelita roa ambin’ny folo. Izany no teny nolazain-drainy taminy, fony izy nitsodrano azy. Eny, samy nomeny tsodrano manokana ny foko tsirairay avy.
29
Taorian’izany dia nanafatra ireo zanany i Jakôba ka nanao taminy hoe: –Rehefa maty aho, dia aleveno any am-pasan-drazako, dia ilay zohy ao amin’ny sahan’i Hefrôna izay hetita,
30
ilay zohy ao Makpelà akaikin’i Mamre, any amin’ny tany Kanahàna. Novidîn’i Abrahama tamin’i Hefrôna izay hetita io saha io mba ho tany fandevenana.
31
Tao no nalevina i Abrahama sy i Sarà vadiny, i Itsehàka sy i Rebekà vadiny, ary tao koa no nandevenako an’i Leà.
32
Ny saha sy ny zohy ao aminy dia novidîna tamin’ny Hetita.
33
Rehefa vitan’i Jakôba ny hafatrafatra farany tamin’ireo zanany lahy, dia nandry teo am-parafara indray izy. Ary niala aina izy ka nakambana tamin’ny razany.
← Chapter 48
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 49
Chapter 50
Chapter 50 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36
37
38
39
40
41
42
43
44
45
46
47
48
49
50