bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
/
Genesis 6
Genesis 6
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
← Chapter 5
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 49
Chapter 50
Chapter 7 →
1
Ary rehefa nanomboka nihamaro ny olona teto ambonin’ny tany ka niteraka zazavavy maro,
2
dia hitan’ireo zanakalahin’andriamanitra fa tsara tarehy ireny zazavavy ireny, ka nifidianany izay ho vadiny.
3
Koa hoy ny TOMPO hoe: «Tsy hitoetra mandrakariva ao amin’ny olona ny Fanahiko noho ny faniasiavany; amin’ny maha nofo azy dia ho 120 taona ny andro iainany.»
4
Tamin’izany fotoana izany no nisian’ireo rapeton’olona goavambe teto an-tany, ary mbola nisy koa aza tonga taty aoriana izay teraka avy tamin’ny fifanambadian’ireo zanakalahin’andriamanitra sy ny zanakavavin’ny olombelona. Izy ireny no olo-mahery sady lehilahy nanan-daza fahagola.
5
Ary hitan’ny TOMPO fa nitombo haratsiana ny olombelona teto an-tany, ka ny faniriana rehetra tao am-pony dia nirona ho amin’ny ratsy ihany mandavanandro.
6
Koa nanenina IZY ary nalahelo ny fony tamin’ny nanaovany ny olombelona teto ambonin’ny tany.
7
Dia hoy IZY hoe: «Hofoanako tsy hisy ambonin’ny tany ny olombelona izay noarîko sy ny biby rehetra na lehibe na kely, hatramin’ny voro-manidina, satria manenina Aho tamin’ny nanaovako ireo.»
8
Fa i Noà kosa nahita famindrampo teo imason’ny TOMPO.
9
Izao no tantaran’i Noà: i Noà dia lehilahy marina sady tsy nisy tsiny tamin’ireo mpiara-belona taminy, fa niara-nandeha tamin’Andriamanitra.
10
Telo lahy ny naterak’i Noà, dia i Sema sy i Hama ary i Jafeta.
11
Teo anatrehan’Andriamanitra dia efa nihalò ny mponin’ny tany sady feno herisetra.
12
Nijery Izy ka indro feno fahalovana ny tany, satria ny olombelona rehetra tambonin’ny tany no efa nanimba ny fitondrantenany avy.
13
Dia hoy Andriamanitra tamin’i Noà: «Tapa-kevitra aho handringana ny olombelona. Fa noho ny aminy dia feno herisetra ny tany, koa hofongorako eto an-tany izy.
14
Noho izany, manaova fiara ho anao, mitovy amin’ny sambo lehibe vita amin’ny hazo kipreso, dia asio efitrefitra ka hosory dity ao anatiny sy eo ivelany.
15
Izao no hanaovanao azy: 150 metatra ny halavany, 25 metatra ny sakany ary 15 metatra ny haavony.
16
Tafoy izy, ka asio elanelany antsasa-metatra eo amin’ny tafo sy ny rindrin-kazo; voleo varavarana amin’ny lafiny iray, ary asio rihana telo ny sambofiara.
17
Indro Aho hahatonga safo-drano lehibe mba hamongorana izay rehetra manana aina atỳ ambany lanitra, ka ho levona avokoa izay rehetra eny ambonin’ny tany.
18
Fa hajoroko kosa ny fanekempihavanako aminao, ka hiditra ao amin’ny sambofiara ianao sy ny vadinao mbamin’ireo zanakao lahy sy ny vinantovavinao.
19
Itondray tsiroaroa avy ny zava-mananaina rehetra isan-karazany, dia lahy sy vavy; ka ampidiro ao an-tsambofiara mba hovelomina miaraka aminao.
20
Ny vorona isan-karazany ary ny biby hafa rehetra isan-karazany eto an-tany, na lehibe na kely, no hankeo aminao tsiroaroa mba hovelomina.
21
Ianao kosa, maka amin’ny karazan-tsakafo rehetra mety ho fihinana, ka angony eo aminao mba ho sakafonao sy ho sakafon’izy ireo koa.»
22
Dia notanterahin’i Noà izany; ka araka izay rehetra efa nandidian’Andriamanitra azy no nataony.
← Chapter 5
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 49
Chapter 50
Chapter 7 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36
37
38
39
40
41
42
43
44
45
46
47
48
49
50