bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
/
Genesis 48
Genesis 48
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
← Chapter 47
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 49
Chapter 50
Chapter 49 →
1
Taorian’izany zavatra izany, dia nisy nilaza tamin’i Jôsefa fa marary ny rainy. Dia nentin’i Jôsefa niaraka taminy ny zanany roa lahy, dia i Manase sy i Efraîma.
2
Rehefa nampandrenesina i Jakôba fa tonga hamangy azy i Jôsefa zanany, dia niezaka hipetraka teo am-pandriana izy.
3
Ary hoy i Jakôba tamin’i Jôsefa: –Niseho tamiko tao Lozy tany amin’ny tany Kanahàna ilay Andriamanitra Tsitoha ka nitsodrano ahy
4
sady niteny tamiko hoe: «Indro Aho hahamaro anaka anao sady hampitombo anao, hahatonga anao ho vondrom-pirenena; ka homeko ny taranakao mandimby anao ho lova raikitra ity tany ity.»
5
Hoy izy nanampy izany: –Koa ankehitriny, ireo zanakao roa lahy, teraka teto Ejipta talohan’ny nahatongavako taty aminao, dia raisiko ho zanako. Eny, ho zanako mitovy amin’i Reobena sy i Simehôna mihitsy i Manase sy i Efraîma.
6
Fa ireo zanakao lahy izay ho teraka aorian’ireo kosa dia ho anao ihany. Ao amin’ny faritanin’ireo zokiny ihany no handraisan’izy roa lahy ny anjara lovany.
7
Fony aho niverina avy any Mezôpôtamia ambony, talohan’ny hahatongavana tao Efratà, any amin’ny tany Kanahàna, dia maty teo anilako i Rahely ary naleviko teo amoron-dàlana; i Efratà dia antsoina hoe Betlehema ankehitriny.
8
Tamin’izay dia tazan’i Jakôba ireo zanakalahin’i Jôsefa ka nanontaniany hoe: –Iza moa ireto?
9
Hoy kosa ny navalin’i Jôsefa azy: –Ireo no zanaka lahy izay nomen’Andriamanitra ahy teto Ejipta. Ka hoy i Jakôba hoe: –Mba ento eto anilako àry ireo, dia hotsofiko rano.
10
Efa pahina ny mason’i Jakôba noho ny fahanterana ka tsy nahita loatra intsony; dia nampanatonin’i Jôsefa azy ireto zanany lahy. Ary namihina ireo i Jakôba sady nanoroka azy.
11
Dia hoy izy tamin’i Jôsefa: –Tsy nanantena hahita anao intsony aho, kanjo indro izao fa navelan’Andriamanitra hahita ny zanakao aza aho.
12
Nanaisotra azy mirahalahy teo an-dohalik’i Jakôba i Jôsefa, dia niankohoka tamin’ny tany.
13
Noraisiny tamin’ny tanany havanana i Efraîma ka narosony ho eo an-kavian’i Jakôba, ary noraisiny tamin’ny tanany havia kosa i Manase mba ho eo an-kavanan’i Jakôba, dia nampanatoniny an-draibeny indray izy mirahalahy.
14
Fa nampifamadihin’i Jakôba ny tanany, ka ny tanany havanana no napetrany teo amin’ny lohan’i Efraîma na dia zandriny aza io; fa ny tanany havia kosa no napetrany teo amin’ny lohan’i Manase, kanefa izy io no lahimatoa.
15
Toy izao ny tsodrano nomen’i Jakôba an’i Jôsefa: Antsoiko Andriamanitra hitsodrano, fa teo anatrehany no nizoran’i Abrahama raibeko sy i Itsehàka raiko; antsoiko Andriamanitra Izay nanolokolo ahy hatrizay niainako ka mandraka ankehitriny;
16
antsoiko ilay Anjely Izay nanavotra ahy tamin’ny loza rehetra; dia hotahîny anie ireto zazalahy ireto! Ka amin’ny alalan’izy roa lahy no hahatsiarovana ny anarako mbamin’ny anaran’i Abrahama raibeko sy i Itsehàka raiko! Hitombo maro dia maro eo anivon’ilay tany anie izy!
17
Hitan’i Jôsefa fa napetraky ny rainy teo amin’ny lohan’i Efraîma ny tanany havanana ka tsy sitrany izany. Dia noraisiny ny tanan-drainy mba hampiala azy amin’ny lohan’i Efraîma hankeo amin’ny lohan’i Manase;
18
sady hoy i Jôsefa tamin-drainy: –Tsy izao no izy, ry dada; fa ity no lahimatoa, koa apetraho eo an-dohany ny tananao havanana.
19
Fa nandà i Jakôba ka nanao hoe: –Fantatro dia fantatro, anaka, fa ho tonga firenen-dehibe koa i Manase. Kanefa ny zandriny dia ho lehibe noho izy, ary ny taranany dia ho firenena maro.
20
Tamin’izany andro izany dia nitsodrano azy mirahalahy i Jakôba ka niteny toy izao: –Ny anaranareo no hitsofan’ny Israelita rano ka hilazany hoe: «Tahaka ny nataon’Andriamanitra tamin’i Efraîma sy i Manase anie no hataony aminao!» Araka izany, dia napetrak’i Jakôba alohan’i Manase i Efraîma.
21
Ary hoy i Jakôba tamin’i Jôsefa: –Indro ho faty aho, nefa Andriamanitra homba anareo ka hampody anareo ho any an-tanindrazanareo.
22
Ary izaho manome anao zaratany iray fatratra kokoa noho ny an’ireo rahalahinao, dia ny faritr’i Sekema izay azoko tamin’ny sabatro sy ny tsipîkako teo an-tanan’ny Amôrita.
← Chapter 47
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 49
Chapter 50
Chapter 49 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36
37
38
39
40
41
42
43
44
45
46
47
48
49
50