bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
/
Genesis 3
Genesis 3
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
← Chapter 2
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 49
Chapter 50
Chapter 4 →
1
Ary ny bibilava no fetsy indrindra, tamin’ny bibidia rehetra nataon’ny TOMPO Andriamanitra. Hoy izy tamin-dravehivavy: –Marina ve fa noraran’Andriamanitra tsy hihinana ny voan’ny hazo rehetra ao an-jaridaina ianareo?
2
Dia namaly ny bibilava ravehivavy hoe: –Azonay hanina ihany ireo voankazo ao an-jaridaina,
3
afa-tsy ny voan’ny hazo eo afovoan’ny zaridaina izay efa nandraran’Andriamanitra anay tsy hohanina na hokasihina akory, fandrao mahafaty anay.
4
Hoy kosa ny bibilava taminy: –Tsy ho faty tsy akory ianareo!
5
Saingy fantatr’Andriamanitra fa amin’ny andro hihinananareo azy dia hahiratra ny masonareo, ary ho tonga tahaka an’Andriamanitra ianareo ka hahalala ny tsara sy ny ratsy.
6
Ary hitan-dravehivavy fa maha te hihinana ny voan’ilay hazo sady mahasarika ny maso no mampitsiriritra hahazoana fahiratan-tsaina. Dia nitoazany ny voany ka nohaniny; ary nomeny koa ny vadiny izay niaraka taminy ka nihinana.
7
Dia nahiratra ny mason’izy mivady ka fantany fa mitanjaka izy. Ary nanjaitra ravin’aviavy izy roa ka nataony sikina ho azy.
8
Ary nony hariva, rehefa nitsoka ny rivotra, dia nandre ny feon’ny TOMPO Andriamanitra nitsangantsangana tao an-jaridaina ralehilahy sy ny vadiny ka niery ny tavany tao anaty hazo.
9
Niantso an-dralehilahy ny TOMPO Andriamanitra ka nanao taminy hoe: –Aiza moa ianao?
10
Dia namaly izy hoe: –Nandre ny feonao tao an-jaridaina aho, dia natahotra fa mitanjaka, koa dia niery.
11
Fa hoy ny TOMPO hoe: –Iza no nampahafantatra anao fa mitanjaka ianao? Moa nihinananao va ny voan’ny hazo izay norarako tsy hohaninao?
12
Dia namaly ralehilahy hoe: –Ny vehivavy izay nomenao ho namako no nanome ahy ny voan’io hazo io, ka dia nihinana aho.
13
Ary hoy ny TOMPO Andriamanitra tamin-dravehivavy: –Nahoana ianao no nanao izany? Fa namaly kosa ravehivavy hoe: –Voafitaky ny bibilava aho ka nihinana.
14
Dia hoy ny TOMPO Andriamanitra tamin’ny bibilava: –Satria nanao izany ianao, dia ozoniko. Amin’ny biby fiompy sy ny bibidia rehetra, dia ianao ihany no handeha amin’ny kibonao, sady hihinana vovo-tany amin’ny andro rehetra hiainanao.
15
Hampifankahalaiko ianao sy ny vehivavy, ary ny taranakao sy ny taranany. Ny tarana-behivavy no hanorotoro ny lohanao, ary ianao kosa hanorotoro ny ombalahitongotry ny taranany.
16
Avy eo dia hoy ny TOMPO Andriamanitra tamin-dravehivavy: –Hampitomboiko ny fanaintainanao rehefa bevohòka ianao, ary fahoriana no hiterahanao ny zanakao; ny vadinao no hifatraran’ny fanirianao, nefa izy no hifehy anao.
17
Farany ralehilahy na i Adama dia nilazan’ny TOMPO Andriamanitra hoe: –Satria nihaino ny feom-badinao ianao ka nihinana tamin’ny voan-kazo izay efa nandrarako anao tsy hohanina, dia voaozona ny tany noho ny fahadisoanao; tsy maintsy hiasa mafy ianao mba hahazoanao hanina mandritra ny andro rehetra hiainanao.
18
Fa tsilo sy songosongo no hovokarin’ny tany ho anao; ary anana no hohaninao.
19
Ny hatsembohan’ny tavanao no hihinananao hanina mandra-piverinao amin’ny tany izay nanalana anao. Fa vovo-tany ianao, ka hiverina ho vovo-tany.
20
Ary ralehilahy nanao ny anaran’ny vadiny hoe Eva, izany hoe Aina, satria izy no renin’ny olombelona rehetra.
21
Ary ny TOMPO Andriamanitra nanamboatra akanjo hoditra ho an’i Adama sy ny vadiny ka nampiakanjo azy.
22
Dia hoy ny TOMPO Andriamanitra hoe: «Indro ny olombelona fa efa tonga tahaka ny iray amintsika momba ny fahalalana ny tsara sy ny ratsy; koa ankehitriny, aoka izy tsy haninjitra ny tanany haka ny voan’ny hazon’aina ka hihinana amin’izany, dia ho velona mandrakizay!»
23
Noho izany, dia noroahin’ny TOMPO Andriamanitra hiala tao an-jaridainan’i Hedena ny olombelona mba handeha hiasa ny tany izay nanalàna azy.
24
Rehefa avy nandroaka ny olombelona Izy, dia nametraka teo atsinanan’ny zaridaina ireo kerobima, izay mitondra sabatra misy lelafo midedadeda mba hiambina ny lalana mankany amin’ny hazon’aina.
← Chapter 2
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 49
Chapter 50
Chapter 4 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36
37
38
39
40
41
42
43
44
45
46
47
48
49
50