bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
/
Genesis 27
Genesis 27
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
← Chapter 26
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 49
Chapter 50
Chapter 28 →
1
Efa antitra i Itsehàka ary efa pahina ny masony ka tsy nahita tsara intsony. Dia niantso an’i Hesao zanany lahimatoa izy ka nanao taminy hoe: –Ry Hesao a! Ary hoy ny navaliny azy: –Inty aho! Dia hoy i Itsehàka hoe:
2
Hitanao izao fa efa antitra aho, ka tsy fantatro izay andro hahafatesako.
3
Izao ankehitriny izao, raiso ny fiadianao, dia ny tsipîkanao sy ny zana-tsipîkanao ka mandehana mihaza; ary ento ho ahy izay haza azonao,
4
ka anamboaro hanim-py ho ahy araka ilay tiako, ary ento aty hohaniko. Avy eo dia hotsofiko rano ianao alohan’ny hahafatesako.
5
Nohenoin’i Rebèka anefa ny resak’i Itsehàka sy i Hesao; koa rehefa lasa nandeha nihaza i Hesao,
6
dia niantso an’i Jakôba zanany i Rebekà ka nanao hoe: –Reko ny rainao nilaza tamin’i Hesao hoe:
7
«Itondray haza aho ary anamboary hanim-py hohaniko izany; fa rehefa avy mihinana aho, dia hotsofiko rano eo anatrehan’ny TOMPO ianao alohan’ny hahafatesako.»
8
Koa ankehitriny, anaka, henoy tsara aho ary ataovy izay andidiako anao.
9
Mankanesa any amin’ny andian’ondry aman’osy, ka makà zanak’osy roa izay tsara, fa hanamboarako hanim-py araka ilay tian-drainao.
10
Hoentinao any amin-drainao izany hohaniny ka hanomezany tsodrano anao alohan’ny hahafatesany.
11
Fa hoy i Jakôba tamin’ny reniny: –I Hesao rahalahiko dia voloina, fa izaho kosa malama hoditra.
12
Koa raha mitsapa ahy ny raiko, dia ho fantany fa mamitaka azy aho; ka hahatonga ozona amiko fa tsy tsodrano izany.
13
Namaly azy kosa ny reniny hoe: –Aoka ho ahy ny ozona, anaka; fa araho ny teniko ka mandehana akao ireo zanak’osy ireo aho.
14
Dia nandeha i Jakôba naka ireo zanak’osy ka nitondra azy tany amin-dreniny, dia nanamboaran-dreniny hanim-py araka ilay tian’i Itsehàka.
15
Avy eo dia nalain’i Rebekà ny fitafian’ny lahimatoany izay tsara indrindra tao an-trano, ka natafiny an’i Jakôba.
16
Nalainy koa ny hoditr’osy ka namonosany ny sandriny sy ny faritra malama teo amin’ny vozony;
17
dia natolony azy ny hanim-py sy ny mofo efa namboariny.
18
Dia lasa i Jakôba nankany amin’ny rainy ka niteny hoe: –Dada ô! Namaly kosa izy hoe: –Inty aho, anaka, fa iza moa ianao?
19
Dia hoy i Jakôba taminy: –Izaho no Hesao, zanakao lahimatoa, efa nanao araka izay nolazainao aho; koa miarena ary mipetraha hihinana avy amin’ny hazako, mba hitsofanao rano ahy.
20
Nanontany azy kosa i Itsehàka hoe: –Ahoana no nahitanao haza faingana toy izao, anaka? Fa namaly izy hoe: –Ny TOMPO Andriamanitrao no nampahatonga azy teo anatrehako.
21
Dia hoy i Itsehàka tamin’i Jakôba: –Manatòna kely hoe, anaka, hitsapako anao mba hahafantarako raha i Hesao zanako tokoa ianao na tsia.
22
Nanatona an’Itsehàka rainy i Jakôba ka notsapainy, ary nilazany hoe: –Ny feony dia feon’i Jakôba, nefa ny tanany kosa dia tanan’i Hesao.
23
Tsy fantatr’i Itsehàka i Jakôba, satria rakotra volo toy ny tanan’i Hesao rahalahiny ny sandriny. Kanefa talohan’ny hitsofany rano azy,
24
dia nanontany azy indray izy hoe: –Ianao tokoa ve no Hesao zanako? Ka novalian’i Jakôba hoe: –Eny, izaho no izy.
25
Dia hoy indray i Itsehàka taminy: –Arosoy àry hihinanako izato hazan-janako mba hitsofako rano anao. Dia norosoany izy ka nihinana, ary nitondrany divay koa ka nisotro.
26
Taorian’izany, dia hoy i Itsehàka rainy taminy: –Manatòna kely hoe ny zanako ka manoroha ahy!
27
Dia nanatona i Jakôba ka nanoroka an-drainy. Ary nony ren’i Itsehàka ny fofon’ny fitafiany, dia nitsodrano azy izy nanao hoe: Endrey izany fofon’ny zanako, fa tahaka ny fofon’ny saha notahîn’ny TOMPO!
28
Homen’Andriamanitra anao anie ny andon’ny lanitra sy ny tsiron’ny tany ary ny vary aman-divay betsaka!
29
Hanompo anao anie ireo firenena ary hiankohoka eo anatrehanao ny vahoaka maro! Ho tompon’ny rahalahinao anie ianao ka hiankohoka eo anoloanao ireo zanaky ny reninao! Ho voaozona anie izay manozona anao ary hohasoavina izay manisy soa anao!
30
Nivoaka ny efitrano i Jakôba, nony vitan’i Itsehàka ny fitsofan-drano azy. Nefa raha vao nidify teo anatrehan’ny rainy izy, dia tonga kosa i Hesao rahalahiny avy nihaza.
31
Nanamboatra hanim-py koa izy dia nitondra izany tany amin’ny rainy sady niteny taminy hoe: –Miarena, ry dada, mihinàna amin’ny haza namboariko, mba hitsofanao rano ahy.
32
Fa hoy i Itsehàka taminy: –Iza moa ianao? Ka novaliany hoe: –Izaho no Hesao, zanakao lahimatoa.
33
Dia nangovitra fatratra i Itsehàka, ka nanontany hoe: –Fa iza àry ilay nihaza, dia nitondra ny hazany teto amiko ka nihinanako talohan’ny nahatongavanao? Izy no efa notsofiko rano; eny, hotahîna tokoa izy.
34
Rehefa nandre ny tenin-drainy i Hesao, dia nikiakiaka mafy noho ny alahelony ka nanao hoe: –Dada ô, mba omeo tsodrano koa aho!
35
Fa namaly i Itsehàka hoe: –Tonga teto ny rahalahinao namitaka ahy, ka lasany ny tsodrano tokony ho anao.
36
Dia hoy i Hesao tamin-drainy: –Tsy mandia tokoa ve ny anarany hoe Jakôba, «Ilay mpisoloky?» Fa efa nisoloky ahy indroa izy izao; efa nalainy ny fizokiako, ary ankehitriny lasany koa ny tsodrano tokony ho ahy! Moa tsy mba misy tsodrano notahirizinao ho ahy ve?
37
Namaly azy i Itsehàka hoe: –Efa nataoko ho tomponao izy ary nomeko ho mpanompony ny rahalahiny rehetra. Nomeko azy koa ny vary aman-divay. Koa tsy misy azoko atao ho anao intsony, anaka!
38
Fa mbola niteny indray i Hesao hoe: –Moa tokana ihany ve ny tsodranonao, ry dada? Dada ô, izaho koa re mba tsofy rano e!
39
Dia nitomany mafy i Hesao. Fa ny rainy kosa nanao taminy hoe: «Indro ny fonenanao ho lavitry ny tany lonaka sy ho lavitry ny ando midina avy any an-danitra.
40
Fa ny sabatrao no hivelomanao, ary ny rahalahinao no hotompoinao. Nefa hiavo-tena ianao ka hanapotika ny ziogany hiala amin’ny vozonao.»
41
Ary nankahalain’i Hesao i Jakôba, satria nahazo ny tsodranon -drainy; ka hoy i Hesao anakampo hoe: «Efa akaiky ny andro hisaonana an’i dada, ary amin’izay no hamonoako an’i Jakôba rahalahiko.»
42
Rehefa nampandrenesina ny fikàsan’i Hesao lahimatoany i Rebekà, dia nampiantso an’i Jakôba faralahiny ka nanao taminy hoe: –Tandremo fa te hamaly ny nataonao i Hesao rahalahinao ka hamono anao ho faty.
43
Koa ankehitriny, anaka, henoy tsara aho! Mandehana mandositra any amin’ny anadahiko any Haràna.
44
Mitoera any aminy aloha mandritra ny fotoana vitsivitsy, mandra-pitony ny rahalahinao.
45
Rehefa afaka ny hatezeran’ny rahalahinao aminao ka hadinony izay nataonao taminy, dia haniraka haka anao any aho; fa nahoana moa aho no hamoy anareo roa lahy indray andro?
46
Ary hoy i Rebèka tamin’i Itsehàka: –Efa mankaleo ahy mihitsy ny fiainako noho ny afitsok’ireto vinantovavy hetita ireto. Raha hanambady zazavavy tompon-tany toy ireo i Jakôba, dia aleoko maty!
← Chapter 26
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 49
Chapter 50
Chapter 28 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36
37
38
39
40
41
42
43
44
45
46
47
48
49
50