bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
/
Genesis 26
Genesis 26
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
← Chapter 25
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 49
Chapter 50
Chapter 27 →
1
Nisy mosary teo amin’ny tany, hafa noho izay niseho tamin’ny andron’i Abrahama; koa lasa i Itsehàka nankany amin’i Abimelèka mpanjakan’i Filistinina tao Gerara.
2
Niseho taminy ny TOMPO ka nanao hoe: –Aza mandeha midina any Ejipta, fa monena eo amin’ny tany izay hambarako anao.
3
Mivahinia eto amin’ity tany ity fa homba anao Aho ary hitahy anao, satria ny taranakao no homeko ireo faritany rehetra ireo, fa hotanterahiko ny fampanantenana efa nianianako tamin’i Abrahama rainao.
4
Hataoko marobe tahaka ny kintana eny an-danitra ny taranakao ary homeko ireto faritany rehetra ireto. Amin’ny alalan’ireo taranakao no hitahiako ny firenena rehetra eto ambonin’ny tany,
5
satria efa nihaino ny feoko i Abrahama, ka nitandrina ny baikoko sy ny didiko ary ny fitsipiko sy ny lalànako.
6
Nonina tao Gerara i Itsehàka.
7
Nanontany azy momba ny vadiny ny olona tamin’izany toerana izany, fa novaliany hoe: «Anabaviko izy.» Natahotra ny hilaza azy hoe vadiny izy, fandrao hovonoin’ny olona tamin’izany toerana izany ho faty ny tenany noho ny amin’i Rebekà fa tsara tarehy loatra ravehivavy.
8
Ary rehefa ela no nitoeran’i Itsehàka tao, dia nitsirika teo am-baravarankely i Abimelèka indray andro ka nahita an’i Itsehàka nisangisangy an’i Rebekà vadiny.
9
Nampanantsoin’i Abimelèka i Itsehàka ka nilazany hoe: –Hay tena vadinao tokoa izy, koa nahoana no nolazainao hoe anabavinao? Hoy kosa ny navalin’i Itsehàka azy: –Nilaza izany aho fandrao vonoina ho faty noho ny aminy.
10
Dia hoy indray i Abimelèka hoe: –Inona ity nataonao taminay? Efa nisy lehilahy anankiray tamin’ny vahoaka saika handry tamin’ny vadinao, ka ho nahatonga heloka taminay ianao.
11
Ary i Abimelèka mpanjaka nandidy ny vahoaka rehetra hoe: –Izay mikasikasika an’ity lehilahy ity sy ny vadiny dia hovonoina ho faty tokoa.
12
Tamin’izany taona izany dia namafy tao amin’io tany io i Itsehàka, ka nahazo zato heny satria notahîn’ny TOMPO.
13
Tsy nitsaha-nitombo ny fananany ka tonga mpanan-karena be izy.
14
Nanana andian’ondry aman’osy sy andian’omby ary mpanompo maro izy, ka nialonan’ny Filistinina.
15
Izany no antony nanotofan’izy ireo tany ny lavaka fantsakana izay nohadîn’ny mpanompon’i Abrahama rainy fony fahavelony.
16
Dia niteny tamin’i Itsehàka i Abimelèka hoe: –Mialà eto aminay satria efa tonga mahery lavitra noho izahay ianao izao.
17
Koa niala teo i Itsehàka, dia nanorin-day tao an-dohasahan’i Gerara ka nipetraka tao.
18
Nasainy nosokafana ireo fantsakana izay voahady fony fahavelon’i Abrahama rainy fa nototofan’ny Filistinina taorian’ny nahafatesany. Ary naveriny tamin’ireny fantsakana ireny indray ny anarana izay efa nomen-drainy azy.
19
Indray andro dia nihady lavaka fantsakana tao an-dohasaha ireo mpanompon’i Itsehàka ka nahita loharano velona.
20
Dia niady tamin’ireo mpiandry ondrin’i Itsehàka ireo mpiandry ondry tao Gerara ka nanao hoe: –Anay ny rano. Dia nantsoin’i Itsehàka hoe Hesèka izany hoe Fifandirana ny fantsakana, satria nifandiran’ireo izy.
21
Dia nihady lavaka fantsakana hafa koa ireo mpanompon’i Itsehàka, nefa nilàn’ireo sotasota indray. Io fantsakana io dia nantsoina hoe Sitnà, izany hoe Sotasota.
22
Koa niala tao izy ary nampandavaka fantsakana hafa indray; fa tsy mba niadian’ireo kosa io ka nantsoin’i Itsehàka hoe Rehôbôta na Fahalalahana, satria hoy izy hoe: «Ankehitriny ny TOMPO dia efa nanome toera-malalaka ho antsika mba hahazoantsika fahombiazana eto amin’ity tany ity.»
23
Dia niala teo izy ka nankany Beera-Seba.
24
Nisehoan’ny TOMPO izy nony alina ka nilazany hoe: –Izaho no Andriamanitr’i Abrahama rainao. Aza matahotra fa miaraka aminao Aho, ary mitahy anao. Hampitomboiko ny taranakao noho ny fampanantenana efa nataoko tamin’i Abrahama mpanompoko.
25
Nanorina alitara teo i Itsehàka ka nivavaka tamin’Andriamanitra sady niantso Azy hoe TOMPO. Namelatra ny lainy izy ary nihady lavaka fantsakana hafa koa ireo mpanompony.
26
Niainga avy tao Gerara i Abimelèka ka nankany amin’i Itsehàka niaraka tamin’i Ahozata sakaizany sy i Pikôla komandin’ny tafiny.
27
Nanontany azy ireo i Itsehàka hoe: –Inona moa no alehanareo aty amiko, kanefa ianareo nankahala sy nandroaka ahy?
28
Dia novalian’ireo hoe: –Tsapanay tokoa fa momba anao ny TOMPO; koa nihevitra izahay fa tokony hanao fifanekena ombàm-pianianana isika.
29
Mianiàna àry aminay fa tsy hanisy ratsy anay ianao tahaka ny tsy nampijalianay anao. Tsy nisy afa-tsy ny soa no nataonay taminao ka nalefanay ombàm-piadanana ianao, izay efa notahîn’ny TOMPO ankehitriny.
30
Dia nanao fanasana ho an’i Abimelèka i Itsehàka, ka nihinana sy nisotro izy.
31
Nifoha maraina avy izy ireo ny ampitso ary samy nifanao velirano. Avy eo nalefan’i Itsehàka izy telo mianaka, ka lasa nody ombàm-piadanana.
32
Androtr’iny ihany dia tonga ireo mpanompon’i Itsehàka nanambara taminy ny vaovao momba ny fantsakana izay nolavahany ka nilaza hoe: –Nahita rano izahay.
33
Nantsoin’i Itsehàka hoe Sibehà (na hoe Fianianana) ilay fantsakana. Izany no nanaovana ny anaran’ny tanàna hoe Beera-Seba na hoe Fantsakana fianianana mandraka androany.
34
Feno 40 taona i Hesao raha nampakatra vehivavy hetita anankiroa ho vadiny, dia i Jehodita zanakavavin’i Bery sy i Basemàta zanakavavin’i Elôna.
35
Nangidy hoditra tamin’i Itsehàka sy i Rebekà izy roa vavy ireo.
← Chapter 25
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 49
Chapter 50
Chapter 27 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36
37
38
39
40
41
42
43
44
45
46
47
48
49
50