bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
/
Genesis 39
Genesis 39
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
← Chapter 38
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 49
Chapter 50
Chapter 40 →
1
Tafidina tany Ejipta i Jôsefa, satria ireo Jismahelita no nitondra azy tany. Lehilahy ejiptianina atao hoe Pôtifara, tandapan’ny Farao sady lehiben’ny mpiambina, no nividy azy tamin’ny Jismahelita.
2
Ary ny TOMPO nomba an’i Jôsefa izay nanjary lehilahy nambinina. Nitoetra tao an-tranon’ilay Ejiptianina tompony izy;
3
ary hitan’ity tompony fa nombàn’ny TOMPO i Jôsefa ka nampahombiaziny avokoa izay rehetra nataony.
4
Ary nahafaly fatratra ny tompony i Jôsefa ka nataony mpiasa manokana; dia nomeny hiandraiketany ny tao an-tranony sy izay nananany rehetra.
5
Nanomboka hatreo, noho ny amin’i Jôsefa, dia notahîn’ny TOMPO ny tao an-tranon’ilay Ejiptianina sy izay rehetra nananany. Io fitahian’ny TOMPO io dia nanenika ny fananany rehetra na an-tsaha na an-tanàna.
6
Noho izany dia navelany teo am-pelatanan’i Jôsefa avokoa ny fananany rehetra; ka tsy nihevitra na inona na inona intsony i Pôtifara, afa-tsy izay sakafo hohanin’ny tenany ihany. Tovolahy tsara tarehy sady bikàna i Jôsefa.
7
Taorian’ireo zava-niseho ireo, dia nangata-maso tamin’i Jôsefa ny vadin’ny tompony, ka nanao taminy hoe: –Avia handry amiko!
8
Fa hoy ny navalin’i Jôsefa azy: –Sanatria! Napetraky ny tompoko eo an-tanako avokoa ny fitandremana ny fananany rehetra ary matoky manana ahy izy ka tsy mikarakara na inona na inona intsony ato an-trano.
9
Ary na ato an-trano aza dia tsy manana fahefana noho izaho izy; ka tsy nisy nandrarany ahy, afa-tsy ianao izay vadiny. Koa ahoana no ahazoako manao zava-dratsy lehibe toy izany, ka hanotako amin’Andriamanitra?
10
Isan’andro isan’andro dia mbola nanangoly an’i Jôsefa ihany ilay vehivavy; fa tsy nanaiky handry na hiray aminy izy.
11
Indray andro dia niditra tao an-trano i Jôsefa mba hanao ny raharahany, ary tsy nisy mpanompo tao an-trano.
12
Dia nosamborin’ny vadin’i Pôtifara tamin’ny lambany izy, ka nataony hoe: –Avia handry amiko! Fa navelan’i Jôsefa teny an-tanan-dravehivavy ny lambany, dia nandositra nivoaka ny trano izy.
13
Nony hitan-dravehivavy fa nandositra i Jôsefa ka namela ny lambany teo an-tanany,
14
dia niantso vonjy tamin’ireo mpanompony izy ka nanao hoe: –Jereo fa nentina taty amintsika iny lehilahy hebreo iny mba hanadala antsika. Nanatona ahy saika handry tamiko izy, kanjo niantsoantso mafy aho.
15
Fa raha vao nandre ahy nanandra-peo sy niantsoantso izy, dia nandositra nivoaka ny trano ka namela ny lambany teto anilako.
16
Dia napetrak’ilay vehivavy teo anilany teo ihany ilay lamba mandra-pahatongan’ny vadiny tao an-trano.
17
Dia nitantara tamin’ny vadiny araka ireo teny ireo koa izy ka nanao hoe: «Nanatona ahy mba hanadala ahy ilay mpanompolahy hebreo nentinao taty amintsika iny.
18
Fa nanandra-peo sy niantsoantso aho, dia lasa nandositra nivoaka ny trano izy ka namela ny lambany teto anilako.»
19
Tezitra mafy ilay tompon’i Jôsefa, rehefa nandre ny fitantaràn’ny vadiny izay nataon’ny mpanompony taminy.
20
Koa nasain’i Pôtifara nosamborina i Jôsefa sy nasainy nohidîna tao am-ponja izay nisy ireo mpigadra meloka tamin’ny mpanjaka. Fa raha tao am-ponja i Jôsefa,
21
dia nomba azy kosa ny TOMPO sy naneho hatsaram-po taminy, ka nampahita sitraka azy tamin’ny lehiben’ny fonja.
22
Dia natolotr’ilay lehiben’ny fonja teo an-tanan’i Jôsefa avokoa ireo mpigadra rehetra, ka izy no mitarika ny asa rehetra nataon’ireo mpigadra.
23
Koa ilay lehiben’ny fonja dia tsy niraharaha na inona na inona tamin’ny zavatra rehetra nankininy tamin’i Jôsefa, satria ny TOMPO nomba azy ka nanambina izay nataony.
← Chapter 38
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 49
Chapter 50
Chapter 40 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36
37
38
39
40
41
42
43
44
45
46
47
48
49
50