bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
/
Job 1
Job 1
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 2 →
1
Nisy lehilahy iray nonina tany amin’ny tany Hotsa, ka nantsoina hoe Jôba. Tsy misy hokianina sady mahitsy ary nanaja an’Andriamanitra izany lehilahy izany ka nifady ny ratsy.
2
Nanan-janaka lahy fito sy zanaka vavy telo izy.
3
Nanana ondry fito arivo sy rameva telo arivo ary omby arivo sy borikivavy dimanjato mbamin’ny mpanompo marobe koa izy. I Jôba no lehilahy nanan-kaja indrindra tany atsinanan’i Palestinina.
4
Fanaon’ireo zanakalahin’i Jôba ny mifandimby mifanasa amin’ny sakafo tsara. Koa nasainy ireo anabaviny telo mba hiaraka mihinana sy misotro aminy.
5
Ary rehefa tapi-nihodina ny fanasana, dia nampiantsoin’i Jôba ny zanany mba hodiovina. Dia nifoha maraina be izy ny ampitso ka nanolotra sorona dorana manontolo araka ny isan’izy rehetra; fa hoy Jôba hoe: «Fandrao nanota na nandà an’Andriamanitra tao am-pony ny zanako.» Izany no nataon’i Jôba mandrakariva.
6
Indray andro raha tonga nanao tatitra tamin’ny TOMPO ireo zanak’Andriamanitra, dia mba tafaraka taminy teo koa i Satàna.
7
Dia hoy ny Tompo tamin’i Satàna: –Avy taiza moa ianao? Dia namaly ny Tompo izy hoe: –Avy nitetitety ny tany sy nihaodihaody teny aho.
8
Ary hoy ny Tompo taminy: –Efa nahita an’i Jôba mpanompoko ve ianao? Fa tsy misy tahaka azy eny ambonin’ny tany: lehilahy tsy misy hokianina sady mahitsy ary manaja Ahy izy ka nifady ny ratsy.
9
Fa mbola namaly ny Tompo i Satàna ka nanao hoe: –Moa tsy fanantenan-javatra ve no anajàn’i Jôba Anao?
10
Moa tsy Ianao ve no miaro azy sy ny fianakaviany mbamin’ny fananany toy ny fefy manodidina? Notahinao izay asa nataony, ary efa nomenao omby aman’ondry mameno ny taniny izy.
11
Fa esory aminy ange izay ananany e, raha tsy ankitsirano izao no haniratsirany Anao!
12
Dia hoy ny Tompo tamin’i Satàna: –Indro eo am-pelatananao izay ananany rehetra. Nefa aza kasihinao kosa ny tenany. Dia niala teo anatrehan’ny TOMPO i Satàna.
13
Indray andro raha nihinana sy nisotro tao an-tranon-jokiny lahimatoa ireo zanak’i Jôba,
14
dia nisy iraka tonga tany amin’i Jôba nilaza taminy hoe: «Raha teo am-piasàna iny indrindra ny omby ary raha nihinana teo akaikiny ny borikivavy,
15
dia nidinan’ny Sabeanina tampoka ka norobainy; novonoiny ho faty tamin’ny sabatra ny mpanomponao, ary dia izaho irery no afa-nandositra hampandre anao.»
16
Fa raha tsy mbola tapitra akory ny teniny, dia nisy iray hafa koa tonga nilaza hoe: «Nilatsaham-potaka ny ondry aman’osy sy ny mpiandry azy ka levona, ary dia izaho irery no afa-nandositra hampandre anao.»
17
Fa raha tsy mbola tapitra akory ny tenin’io? dia nisy iray hafa koa tonga ka nanao hoe: «Nasian’ny andian-jiolahy kaldeanina telo toko ny rameva ka norobainy; novonoiny ho faty tamin’ny sabatra ny mpanomponao. Izaho irery no afa-nandositra hampandre anao.»
18
Fa raha tsy mbola tapitra koa ny teniny, dia nisy iray hafa koa tonga ka nanao hoe: «Raha teo am-pihinanana sy teo am-pisotroana tao an-tranon-jokiny ireo zanakao,
19
dia nifofofofo avy any an-taniefitra ny rambondanitra ka nipaoka ny zoron-trano efatra; maty nianjeran’ny trano tao avokoa ireo zatovo, ary dia izaho irery no afa-nandositra hampandre anao.»
20
Dia nitsangana i Jôba ka nandriatra ny fitafiany sy nanaratra ny lohany ary niampatra tamin’ny tany ka niankohoka
21
sady nanao hoe: Nitanjaka no nivoahako avy tao an-kibon’ineny, ary mitanjaka koa no hiverenako avy an-kibon’ny tany. Ny TOMPO no nanome, ny TOMPO no naka. Isaorana anie ny anaran’ny TOMPO.
22
Tamin’izany fahoriana rehetra izany dia tsy mba nanota i Jôba ary tsy nanome tsiny an’Andriamanitra.
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 2 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36
37
38
39
40
41
42