bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
/
Job 28
Job 28
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
← Chapter 27
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 29 →
1
Misy ny tany fitrandrahana volafotsy ary ny toerana fanadiovana volamena.
2
Ny vy dia alaina avy amin’ny tany, ary ny varahina avy amin’ny vato narendrika.
3
Mampisava ny haizina ny mpitrandraka; ka hatrany amin’ny fanambanin’ny tany no ikarohany ny vato miafina ao anatin’ny haizim-pito mangitsokitsoka.
4
Mihady lavaka lavitry ny fonenana izy; ka any amin’ny toerana tsy fandalovan’olona no ihantonany sy itsingevahevany amin’ny tady.
5
Ny vohon-tany no mamokatra hanina fa ny ao ambany kosa toa navadibadiky ny afo.
6
Ny vatony no fitoeran’ny safira ary ny vovony no ahitam-bolamena.
7
Tsy fantatry ny papango ny lalana mankany sady tsy hitan’ny masom-boromahery.
8
Tsy mbola nodiavin’ny biby masiaka izany, ary tsy mba falehan’ny liona.
9
Nefa sahy mihady ny vatomainty ihany ny olona ka misava ny tendrombohitra hatrany ifotony.
10
Anokafany lalana ao anaty vatolampy mba hahitany ny zava-tsarobidy rehetra.
11
Hainy ny manampina ny loharano tsy hikorianan’ny renirano; ka avoakany eo amin’ny mazava ny harena miafina rehetra.
12
Fa ny Fahendrena, aiza kosa no hahitana azy? Aiza no toerana ipoiran’ny fahalalana?
13
Tsy misy olona mahalala ny hasarobidiny, satria tsy hita ao amin’ny tanin’ny velona izy.
14
Fa hoy ny hantsana anaty ranobe: «Tsy aty izy.» ary hoy ny Ranomasina: «Tsy ato amiko izy.»
15
Tsy mahatakalo azy ny vongam-bolamena madio ary tsy mahavidy azy ny antontam-bolafotsy.
16
Tsy mifandanja aminy na ny volamena avy any Ôfira na ny berila sarobidy mbamin’ny safira aza.
17
Tsy mitaha aminy na ny volamena na ny fitaratra. Ary ny vazy tena volamena tsy mahatakalo azy.
18
Tsy misy antony aminy na ny voahangy na ny kristaly, fa mihoatra noho ny perla ny fahazoam-pahendrena.
19
Tsy azo ampitahaina akory ny tôpaza avy any Etiopia; ary tsy mifandanja aminy na dia ny volamena madio aza.
20
Fa avy aiza àry ny fahendrena? Aiza no toerana ipoiran’ny fahalalana?
21
Miafina amin’ny mason’ny velona rehetra izany, ary takona amin’ny vorona eny an-danitra koa aza.
22
Hoy Rafahafatesana sy Rafandravana hoe: «Eny, renay siosio fotsiny ny aminy.»
23
Fa Andriamanitra no mahalala ny lalana mankany, ary Izy ihany no mahafantatra ny misy azy.
24
Fa mahatsinjo hatrany am-paran’ny tany Izy ary mahita izao rehetra ambanin’ny lanitra izao.
25
Rehefa nametra ny lanjan’ny rivotra sy nandraikitra ny fatran’ny rano Izy
26
ary nandrindra lalàna ho an’ny orana sy nanori-dalana ho an’ny kotroka,
27
dia nahita ny Fahendrena ka nanambara ny hatsarany nony avy nandinidinika azy ary koa namotopototra ny aminy.
28
Dia hoy Andriamanitra tamin’ny olona: «Ny fanajana ny Tompo, izany no Fahendrena; ary ny fialana amin’ny ratsy no fahalalana.»
← Chapter 27
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 29 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36
37
38
39
40
41
42
Recommended Reading
Commentary
Job Commentaries
→
Devotional
Job Devotional Guide
→
Get This Bible
Malagasy (DIEM PROTESTANTA) Study Bible
→