bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
/
Job 38
Job 38
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
← Chapter 37
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 39 →
1
Avy ao anaty tafio-drivotra ny TOMPO no namaly an’i Jôba ka nanao hoe:
2
Zovy moa ianao no sahy maneso ny fikasàko amin’ireo teny foana tsisy dikany?
3
Misikîna àry ho tena lehilahy, fa hanontany anao Aho ka hovalianao.
4
Taiza moa ianao fony Aho nanorina ny tany? ambarao Ahy raha manam-pahalalana tokoa ianao.
5
Iza no nametra ny refiny raha hainao? Ary iza no nanenjana izay andrefesana azy?
6
Amin’inona no ipetrahan’ny andry mitondra azy? Ary zovy no nametraka ny vato fehizorony,
7
raha niara-nihira ny kintan’ny maraina ary nihoby avokoa ireo anjelin’Andriamanitra?
8
Iza no nanidy varavarana tsy hihoaran’ny ranomasina, raha nifantsitsitra nivoaka avy tamin’ny lalina izy?
9
Dia nampitafiako rahona ny ranomasina ary nofonosiko zavona matevina.
10
Namoaka didy aho hamerako ny fitroarany ary nanisy varavarana mihidy teo anoloany
11
sady niteny taminy hoe: «Hatreto ihany fa tsy mahazo mihoatra; eto no hifarana ny fisafoaky ny onjanao!»
12
Indray maka teo amin’ny androm-piainanao mba efa nibaiko ny hisian’ny maraina ve ianao? Efa notondroinao toerana ve ny mazava atsinanana
13
mba handraisany ny tany amin’ny sisiny ka hakopany hihintsanan’ny olon-dratsy?
14
Koa amin’izay ny tany dia hiseho endrika tahaka ny tanimanga voatombokase, ary miloko tahaka ny lamba misoratsoratra.
15
Nefa hoesorina amin’ny olon-dratsy ny fahazavàny ary hotapahina izay sandry miainga hamely olona.
16
Efa tonga tany an-doharanon-dranomasina ve ianao na efa nandehandeha tany amin’ny fanambanin’ny lalina?
17
Efa naseho anao ve ny vavahadin’ny fahafatesana, ka nahazoanao nahita ny fidirana mankao amin’ny sehatra maizin’ny fahafatesana?
18
Efa voadinikao ve ny fidadasiky ny velaran-tany? Valio aho raha toa hainao izany rehetra izany.
19
Aiza àry no lalana mankany amin’ny fonenan’ny mazava? Ary aiza koa no toerana misy ny haizina,
20
mba hitondranao azy any amin’ny faritra ka hahafantaranao ny sakeli-dalana ho any an-tranony?
21
Tokony ho fantatrao tsara izany satria efa teraka ianao tamin’izay ary marobe ny isan’ny androm-piainanao!
22
Efa notsidihinao ve ny fitehirizana ny orampanala ary efa hitanao ve ny fanangonana ny havandra,
23
fa voatahiriko ho amin’ny androm-pahoriana ireo, dia ny andro ifamelezana sy iadiana.
24
Aiza moa ny lalana ipariahan’ny fahazavana, ary ny toerana iaingan’ny rivotra avy atsinanana mba hielezany etỳ ambonin’ny tany?
25
Iza no nihady lalan-drano hikorianan’ny oram-be sy nanoritra ny lalan’ny varatra mikotrokotroka?
26
Iza no nampisy orana amin’ny tany foana, sy amin’ny taniefitra tsy misy olona,
27
mba hahavonto rano ny tany karankaina ka hampaniry ny ahi-maitso vao mitsimoka?
28
Manan-dray ve ny ranonorana? Ary iza no niteraka ny ranonando mitete?
29
Kibon’iza no nivoahan’ny ranomandry ary iza no niteraka ny fanàlan’ny lanitra,
30
ka mahatonga ny rano hihamafy toy ny vato ary mahatonga ny velaran-dranomasina handry?
31
Moa ve ianao mahafatotra mitambatra ny vondron-kintana Ikotokelimiadilaona, na mahavaha ireo tady mamehy ny vondron-kintana Telonohorefy,
32
na mampitranga ny andian-kintana ara-potoana, na koa mahatarika ny vondron-kintana Orsa lehibe mbamin’ny vondron-kintana zanany Orsa kely?
33
Mahalala ireo lalàna mifehy ny lanitra ve ianao ary mandrindra ny fiantraikany amin’ny tany?
34
Ampy hampitosaka ny ranobe aminao ve ny fanandratanao baiko amin’ny rahona?
35
Ianao ve no mahay mandefa ny tselatra ka hilazany aminao hoe: «Indreto izahay»?
36
Iza no milaza amin’ny vorona ibisy fa hiakatra ny ony Neily? Iza no mampahalala ny akoholahy fa ho avy ny orana?
37
Iza no manam-pahaizana mahaisa ny rahona? Iza no mampitotongana ireo siniben-drano any an-danitra, hampitosaka ranonorana mivatravatra
38
ka hanambatra ny vovo-tany ho tonga fotaka ary hampiraikidraikitra ny bainga vonton-drano?
39
Ianao va no mihaza remby ho an’ny liom-bavy na mahavoky ny zana-diona noana,
40
raha mamitsaka ao an-davany izy na manotrika anaty kirihitra?
41
Iza no mikarakara ny hanin’ny goaika raha mitaraina amin’Andriamanitra ny zanany ka mirenireny tsy mahita hanina?
← Chapter 37
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 39 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36
37
38
39
40
41
42