bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
/
Job 10
Job 10
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
← Chapter 9
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 11 →
1
Koa satria maharikoriko ahy ny fiainana, dia tsy hitana ela intsony ny fitarainako aho fa tezitra anaty ka voatery hiteny.
2
Izany no hitenenako amin’Andriamanitra hoe: Aza manameloka ahy, fa ampahafantaro ahy kosa ny alahelonao amiko.
3
Mahafaly anao ve ny mampahory ahy ka tsy hiraharaha ny asan’ny tananao, fa homba kosa ny tetiky ny olon-dratsy?
4
Mijery zavatra tahaka ny fijerinay olombelona azy ve Ianao na manomban-javatra tahaka ny fanombànanay olombelona azy?
5
Moa fohy tahaka ny anay ve ny fiainanao, ka voafetra ho taona vitsivitsy monja?
6
Koa nahoana no mitady ny fahadisoako Ianao ary mikatsaka ny fahotako?
7
Fantatrao tsara ange fa tsy meloka aho, ary tsy misy olona afa-miala eo am-pelatananao.
8
Ny tananao izay nanao sy namolavola ahy no indro fa mitady hanimba ankehitriny.
9
Tadidio fa notefenao toy ny fanaka tanimanga aho ary haverinao ho amin’ny vovoka indray.
10
Ianao no namorona ahy tao an-kibon’i neny toy ny famela ronono handry ao anaty tavoara.
11
Koa notafinao hoditra sy nofo aho ary norarinao taolana sy hozatra.
12
Nomenao aina ombàm-pitiavana aho, ka ny fiahianao no niaro ny aiko.
13
Saingy nisy tsiambaratelo nafeninao ahy, dia izao zavatra fantatro fa tao an-tsainao izao:
14
raha vantany vao nanota aho, dia hahatratra ahy ambodiomby Ianao ka tsy hamela mihitsy ny hadisoako.
15
Koa lozako raha tàhiny ka meloka aho; fa na dia tsy manan-tsiny aza aho, dia tsy ho sahy hiandrandra akory, satria safo-kenatra sady fadiranovana.
16
Raha mba mitraka aho, dia hihaza ahy toy ny liona ianao, ka ny asanao mahatalanjona no hamelezanao ahy indray.
17
Totoafo ny fanafihana ataonao amiko; ataonao avo roa heny ny fahatezeranao amiko, ary tafika mifanontona no mamely ahy.
18
Nahoana no navoakanao tao an-kibon’i neny aho? Toy izay aho mba maty tao tsy nisy mpahita,
19
ka vao niala tao an-kibo dia nentina ho any am-pasana tahaka ny tsy ary akory.
20
Fotoana vitsy sisa iainako ankehitriny. Koa atsaharo amin’izay ny famelezanao ahy mba hahazoako maka aina kely,
21
alohan’ny handehanako tsy hiverina intsony any amin’ny tanin’ny haizina sy alo-pahafatesana;
22
any ny mangiran-dratsy na somambisamby dia toy ny alina izay anjakan’ny alo-pahafatesana sy ny korontana, any ny hazavana dia tahaka ny alina mikitroka.
← Chapter 9
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 11 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36
37
38
39
40
41
42