bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
/
Job 29
Job 29
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
← Chapter 28
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 30 →
1
Dia mbola nandahatra ihany i Jôba ka nanao hoe:
2
Iza re no hamerina amiko indray ireny volana taloha izay niainako teo ambany fiarovan’Andriamanitra,
3
fony mbola nirehitra teo ambony lohako ny jirony ka ny fahazavàny no nitari-dalana ahy tamin’ny alina?
4
Tao anatin’ny andro fanambinana aho tamin’izay ary narovan’ny fisakaizan’Andriamanitra ny fonenako,
5
fony mbola niaraka tamiko ilay Tsitoha ary nanodidina ahy ireo zanakalahiko.
6
Tamin’izay no nilomanosako tao anatin’ny harena miavosa sy nikorianan’ny diloilo ho ahy avy amin’ny vato famiazana ôliva.
7
Raha nankeny am-bavahadin’ny tanàna aho ka nandray ny toerako teo an-kianja,
8
dia nahita ahy ny tanora ka nitsoatsoaka, ary ny antitra nitsangana ka nijaridina teo.
9
Nangina tsy nahateny ny lehibe fa nitampim-bava fotsiny.
10
Tankina koa ny feon’ireo mpanapaka ka toa niraikitra tamin’ny lanilany ny lelany.
11
Izay nandre dia nidera ahy; ary izay nahita dia samy nankasitraka.
12
Satria novonjeko ny mahantra izay nitaraina tamiko ary koa ny kamboty tsy nanan-kianteherana.
13
Tonga tamiko ny tsodranon’ny miala aina ary dia nampifalifaliako ny fon’ny mpitondratena.
14
Ny fahamarinana no akanjo fanaovako, ny fitandroako ny rariny no ihaingako tahaka ny lamba sy toy ny fehiloha.
15
Nanjary maso ho an’ny jamba aho ary tongotra ho an’ny malemy.
16
Eny efa tonga ray ho an’ny mahantra aho; ary nandray an-tanana ny olan’ireo vahiny.
17
Nomontsaniko ny valanoranon’ny olon-dratsy hanafahako izay voagejan’ny nifiny.
18
Dia hoy aho hoe: «Ato amin’ny akaniko no hialako aina toy ny feniksa ka hahamaro ny androm-piainako indray.
19
Tahaka ny hazo manana faka azon-drano aho, sady manana ny ravin-drantsana izay handrian’ny ando amin’ny alina.
20
Hohavaozina tsy tapaka ny voninahitro ary ho toy ny tsipîka voahenjana ny heriko.»
21
Nihaino ahy tamim-panantenana ny olona, ka samy nangina teo am-pandraisana ny hevitro.
22
Rehefa niteny aho dia tsy nisy namaly intsony, ary nanenika azy tsikelikely ny teniko.
23
Niandry ahy toy ny fiandry ranonorana izy, ary toy ny mitanatana vava miandrandra ny oran-dohataona.
24
Raha nisy nila ho ketraky ny hakiviana ireo, dia notolorako tsiky fampaherezana ary tsy nahamaloka ny fahazavan’ny tavako.
25
Nitarika azy sy nanoro lalana azy aho, ka nahavatra niara-nitoetra taminy toy ny mpanjaka milasy miaraka amin’ny tafiny na toy ny olona mampionona ny tra-pahoriana.
← Chapter 28
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 30 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36
37
38
39
40
41
42
Recommended Reading
Commentary
Job Commentaries
→
Devotional
Job Devotional Guide
→
Get This Bible
Malagasy (DIEM PROTESTANTA) Study Bible
→