bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
/
Job 22
Job 22
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
← Chapter 21
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 23 →
1
Dia niteny i Elifaza avy any Temàna ka nanao tamin’i Jôba hoe:
2
Mba mahasoa an’Andriamanitra ve ny olona? Tsia, fa mahasoa ny tenany izy raha hendry.
3
Mampaninona an’ilay Tsitoha moa ny fahamarinanao? Inona no soa azony na dia mahatoky aza ianao?
4
Ny fanajànao Azy ve no hiarovany anao sy hiandaniany aminao amin’ny fitsarana?
5
Tsia, satria be loatra ny faharatsianao ary tsy hita fetra ny helokao.
6
Fa naka antoka tsy an-drariny tamin’ny rahalahinao ianao ka nanendaka ny hany fitafiana teny an-kodiny.
7
Tsy nanome rano ho an’ny mangetaheta ianao ary tsy nahafoy mofo kely ho an’ny noana.
8
Fa ny be sandry no navelanao hahazo ny tany ary ny mpiandranandrana no nekenao hitoetra eo.
9
Noroahinao hitondra tanam-polo ny mpitondratena ary norobainao ny teo an-tanan’ny kamboty.
10
Izany no mahatonga anao ho voahodidim-pandrika sy ho voafahiranon-korohoro tampoka.
11
Na hoe rakotry ny haizina ianao ka tsy mahita na inona na inona intsony; fa rendrika ao anaty onjan-drano.
12
Tsy any an-danitra avo any ve Andriamanitra? Igagana ny halaviran’ny kintana ambony indrindra.
13
Ka hoy ianao hoe: «Inona no fantatr’Andriamanitra? Afa-maninteraka ny raho-mainty ve Izy mba hitsara antsika?
14
Takon’ny raho-matevina Izy ka tsy mahita, rehefa mandehandeha mitety ny lanitra.»
15
Tianao hizorana ve ny lalam-pahagola izay falehan’ireo olon-dratsy,
16
dia ireo voailika alohan’ny fotoana ka lasan’ny riaka hatramin’ny fanorenany?
17
Eny, ireo olon-dratsy ireo indrindra no nanao tamin’Andriamanitra hoe: «Mialà aminay! Fa afaka ny hanao inona aminay moa ilay Tsitoha?»
18
Kanefa Izy no nampanankarena ny ankohonany. Ho lavitra ahy anie ny fisainan’ny olon-dratsy.
19
Ny marina mahita ny fahavoazany ka faly ary ny tsy manan-tsiny mba maneso azy hoe:
20
«Indreo fa ringana ny fahavalontsika! Efa kilan’ny afo avokoa ny fananany.»
21
Ifankazaro sy ihavano re Andriamanitra dia hiverina aminao ny fahasambarana.
22
Mbola raiso ny fampianarana omeny anao ary alatsaho ao am-ponao ny teniny.
23
Miverena am-panetren-tena amin’ilay Tsitoha, ampanalaviro ny lainao ny tsy fahamarinana.
24
Ario amin’ny tany ny vongam-bolamenanao na avelao eny amin’ny vaton-driaka;
25
fa ilay Tsitoha no ho volamenanao sy ho volafotsy miavosa ho anao.
26
Koa dia hifaly amin’ilay Tsitoha ianao ary hanandra-tava mitoky amin’Andriamanitra.
27
Raha mivavaka aminy ianao, dia hohenoiny; ary hefainao aminy ny voadinao.
28
Fa ho tanteraka aminao izay kasainao hatao; ary ny mazava hamiratra eo amin’ny lalanao.
29
Fa Andriamanitra manetry ny miavonavom-pisainana, nefa kosa mamonjy ny manetry tena.
30
Satria manafaka na dia ny olo-meloka aza Izy; eny, ny fahadiovan’ny tananao no hanafaka azy.
← Chapter 21
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 23 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36
37
38
39
40
41
42
Recommended Reading
Commentary
Job Commentaries
→
Devotional
Job Devotional Guide
→
Get This Bible
Malagasy (DIEM PROTESTANTA) Study Bible
→