bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
/
Job 24
Job 24
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
← Chapter 23
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 25 →
1
Nahoana no tsy feran’Andriamanitra Tsitoha ny fotoanandro voatendry hitsarany, ka hahitan’ny mpanompony Azy manafay ny ratsy.
2
Fa afindran’ny olona ny baorin-taniny; ary biby fiompy nangalarina no andrasany.
3
Indaosina ny borikin’ny kamboty ary atao antoka ny ombin’ny mpitondratena.
4
Voatosika ivelan’ny lalana ny mahantra; ka voatery miafina avokoa ny madiniky ny tany.
5
Indro tahaka ny fiaingan’ny borikidia ho any an-taniefitra no iaingan’ireo mahantra hiasa any an-taninay hahazoany hanina hameloman-janaka.
6
Eny an-tsahan’ny hafa ireo madinika no voatery hamory vilona ary eny an-tanimboaloboky ny olon-dratsy no voatery hitsimpontsimpona voaloboka.
7
Mandry miboridana izy amin’ny alina; fa tsy manan-damba hisaronana; tsy mba mirakotra izy raha mangatsiaka.
8
Kotsan’ny orana any an-tendrombohitra izy, ka mitampifimpify amin’ny vatolampy satria tsy manan-kialofana.
9
Na dia ny kamboty mbola minono aza dia sarihin’ny olon-dratsy ho mpanompony, ary ataony ho antoky ny mahantra.
10
Ampandehanina amin’izao tsy miakanjo ireo sady ampitondraina amboaram-bary nefa noana.
11
Ao anaty sahan’ny olon-dratsy izy no manery ôliva hahazoan-menaka sady manosihosy koa ny famiazam-boaloboka saingy tsy afa-misotro divay hialan-ketaheta.
12
Mitoreo ao an-tanàna ny olona, mitaraindraina ny maratra miala aina, nefa tsy ahoan’Andriamanitra izany.
13
Ny olon-dratsy no mankahala ny mazava, ka tsy mahalala ny lalany akory na mizatra amin’ny sakeli-dalany.
14
Mifoha vao mangiran-dratsy ny mpandatsaka aina ka mamono ny mahantra sy ny ory, ary lasa mpangalatra rehefa tonga ny alina.
15
Mikendry somambisamby ny mpaka vadin’olona ka manao anakampo hoe: «Tsy misy hahita ahy». Ary dia misaron-tava amin’izay izy.
16
Ao anaty haizina no mamaky trano ny mpangalatra fa mihidy an-trano kosa izy nony antoandro ka tsy mahalala akory ny mazava;
17
ho azy rehetra ireo dia ny alina mahatahotra no maraina satria efa zatra ny alina mahatahotra izy.
18
Fa ianareo kosa milaza hoe «Mitsinkafona entin-drano ny olon-dratsy, voaozon’ny olona ny anjara-taniny eto. Tsy iviliany ny lalana mankany amin’ny tanim-boaloboka.
19
Tahaka ny andevonan’ny hafanana sy tanihay ny ranomandry no andevonana ny mpanota any amin’ny fonenan’ny maty.
20
Manadino azy ny kibo nifonosany, ary manjary hanim-py ho any’ny olitra izy, ka dia tsy hotsaroana intsony. Eny, tapaka tahaka ny hazo ny faharatsiana.
21
Nampahory ny momba tsy niteraka izy, ary tsy mba nanisy soa ny mpitondratena.
22
Fa Andriamanitra dia manan-kery hamotika ny matanjaka; Mitroatra Izy ka tsy manampo ho velona intsony ireo.
23
Avelany hatoky tena tanteraka izy, kanefa arahiny maso ny lalan-kalehany.
24
Nisandratra vetivety izy, dia tsy hita intsony; Mitolefika toa voninkazo malazo izy, ka tangosana toy ny salohim-bary.»
25
Raha tàhiny ka tsy izany no marina, dia iza no sahy hanao ahy ho mpandainga ka haneho fa tsinontsinona izay voalazako?
← Chapter 23
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 25 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36
37
38
39
40
41
42