bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
/
Job 31
Job 31
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
← Chapter 30
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 32 →
1
Efa nanao fanekena tamin’ny masoko aho, fa tsy hanam-pijery mitsiriritra tovovavy.
2
Raha tsy izany dia inona no lova ho ahy avy amin’ilay Andriamanitra Tsitoha any amin’ny toerana ambony any?
3
Tsy loza va no anjaran’ny ratsy fanahy, ary fahoriana ho an’ny mpanao heloka?
4
Moa tsy hitan’Andriamanitra ve ny toetrako? Moa tsy manisa ny diako rehetra ve Izy?
5
Raha tàhiny nandeha tamin’ny lainga aho na nihazakazaka ho amin’ny fitaka,
6
dia enga anie holanjain’Andriamanitra amin’ny mizana tsy mandainga hahafantarany fa tsy manan-tsiny aho.
7
Fa raha niala tamin’ny lalany ny diako na nanaraka ny filan’ny maso ny foko na nisy tsiny niraikitra tamin’ny tanako,
8
dia aoka olon-kafa no hihinana izay nafafiko na aoka hongotana ny zavatra izay namboleko.
9
Raha tàhiny sodokam-behivavy iray ny foko ka namitsaka teo am-baravaran’ny namako aho,
10
dia aoka hampiasain’olon-kafa ny vadiko, ary aoka ny olon-drehetra no handry aminy!
11
Fa fanitsakitsaham-bady izany nataoko izany, eny, heloka melohin’ny mpitsara.
12
Afo mandevona hatrany am-pahaverezana izany, ka handrava ny vokatro manontolo.
13
Raha tàhiny nanan-drariny ny mpanompolahiko na ny mpanompovaviko izay nifamaly tamiko, dia tsy nolaviko fa notandroviko tokoa.
14
Raha tsy izany, dia inona no hataoko, rehefa hitsangana hiampanga ahy Andriamanitra? Ary inona no havaliko, rehefa mamototra Izy?
15
Moa tsy Andriamanitra iray ihany no nahary anay tao an-kibon-dreninay, sady Izy koa no namolavola anay tao am-bohoka na ny tenako na ireo mpanompoko ireo?
16
Moa efa nanosi-bohon-tanana ny mahantra ve aho ka nahapahina ny mason’ny mpitondratena,
17
na nihinana samirery ny mofoko, ka tsy namela akory ho an’ny kamboty?
18
Fa hatramin’ny fahatanorako aho dia tahaka ny ray niahy ny kamboty; ary hatramin’ny fahazazako aho ny mpitondratena no nikarakara.
19
Moa efa nahita mahantra mitanjaka ve aho na fadiranovana tsy nanan-kitafy,
20
ka tsy nisaotra ahy ny tenany noho izy nomeko akanjo nanafana azy dia akanjo natao tamin’ny volon’ondriko?
21
Raha naninji-tanana hampahory ny kamboty aho satria mahita fa iandaniam-pitsarana,
22
dia aoka ny soroko hiendaka amin’ny toerany ary ny sandriko hitsoaka amin’ny kihoko.
23
Satria matahotra ny famaizan’Andriamanitra aho ka tsy afa-manoatra manoloana ny fiandrianany.
24
Moa nametra-pitokiana tamin’ny volamena ve aho na nanao taminy hoe: «Ianao no aroko»?
25
Tsy nifaliako noho ny habetsahan’ny fananako sy ireo harena voaangon’ny tanako.
26
Raha nahita ny masoandro mamirapiratra aho na ny volana mizotra mangarangarana,
27
moa voababo mangingina hitsaoka azy ve ny foko, ary moa nanoroka tanana ve aho ho fanajana azy?
28
Ny fanaovako izany zavatra izany dia heloka melohin’ny mpitsara ihany koa, satria fandavako an’Andriamanitra Avo Indrindra.
29
Moa faly tamin’ny fahavoazan’ny fahavaloko ve aho na nibitabitaka raha nianjadiam-pahoriana izy?
30
Tsia, fa tsy navelako hanota akory ny vavako ka hanompa azy sy hanozona azy ho faty.
31
Moa ny fianakaviambeko tsy efa nanao hoe: «Iza no tsy novokisany hena?»
32
Tsy nandry tany alatrano ny vahiny, fa novohako varavarana hatrany.
33
Moa nanafina ny fahadisoako tahaka ny sarambaben’olona ve aho na nikobona ny heloko tato anatiko?
34
Tsia, tsy natahotra ny vavam-bahoaka aho na nanahy ny fanaratsian’ny fokonolona, ka hoe hangina ary tsy sahy hivoaka ny trano.
35
Satriko mba hisy hihaino ahy, fa azoko soniavina izay voalazako! Hamaly ahy anie Andriamanitra Tsitoha. Fa ny amin’ny taratasy fiampangana voasoratry ny mpifanandrina amiko
36
dia hiantsorohako tokoa izany ary hisatrohako toy ny satroboninahitra aza.
37
Hambarako amin’Andriamanitra ny zavatra tsirairay nataoko; ary toy ny zanak’andriana aho ka tsy matahotra hanatona Azy.
38
Raha niantso tody tamiko ny tany voleko ka niara-nitomany ny vavasako,
39
raha nihinam-bokatra maimaim-poana aho ka tsy nanaja ny zon’ireo mpiasako,
40
dia aoka ny tsilo no haniry hisolo ny varimbazaha ary ny ahi-dratsy no hirobona hisolo ny ôrza! Tapitra ny tenin’i Jôba.
← Chapter 30
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 32 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36
37
38
39
40
41
42