bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
/
Job 30
Job 30
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
← Chapter 29
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 31 →
1
Fa ankehitriny kosa dia mihomehy ahy ireo tanora kokoa noho izaho, dia ny zanak’ireo olona nolaviko tsy ho naman’ny amboa mpiandry ondriko.
2
Sady inona moa no azoko andrasana amin’izay olona efa tra-pahosana?
3
Anan’ny hanoanana sy ny fahantrana izy ka mitady hohanina any an-tany hay izay faritra mampalahelo sady karankaina.
4
Mitsongo anan-dia akaiky kirihitra izy ary mivelona amin’ny kifakafakan-javatra.
5
Voaroakan’ny mpiara-monina ireo karazan’olona ireo sady voakora toy ny mpangalatra,
6
ka mitady fialofana eny an-tehezan-tevana, any an-dava-johy na any an-dava-bato.
7
Mivangongo anaty ambiaty izy ka mitrena ao anaty kirihitra.
8
Karazan’olona adala sy kentrina izy, ka noroahina tamin’ny kapoka mba hiala ny tany nonenany.
9
Ary dia ny tenako indray ankehitriny no ataon’ny taranak’ireo olona ireo an-kira sady efa tonga ambentin-teniny hatrany.
10
Maharikoriko azy aho ka halaviriny; ary tsy menatra ny mandrora ny tavako izy.
11
Fa noketrahin’Andriamanitra aho mba hangaihay, ka nahintsan’ireo olona ireo ny lamboridy izay nihazonako azy.
12
Faikan’olona no mihahohaho eo ankavanako ka mitady hamingana handavo ahy, ary manangana tovon-tany hanatrarany ahy.
13
Mandrava ny lalan-kalehako ireo, ary samy miady fo hamery ahy ka tsy mila ampiana akory amin’izany.
14
Toy ny fiditra amin’ny fefy banga no fibosesiny anaty korontana hamely ahy.
15
Lasibatry ny fampitahorana aho, ka toy ny rivotra mipaoka ny voninahitro izany; dia nanjavona tahaka ny rahona izay mba fanantenàko handresy.
16
Ankehitriny miempo ato anatiko ny aiko ary mangeja ahy ny androm-pahoriana.
17
Ny alina mikiky ny taolako ho afaka amiko ary ny fanaintainako tsy manam-pitsaharana.
18
Naka an-keriny ny akanjoko Andriamanitra ka manakenda ahy toy ny vozon-dobaka tery.
19
Nazerany tao amin’ny fotaka aho ka naetriny toy ny vovoka aman-davenona.
20
Miantso Anao aho, Andriamanitra ô, nefa tsy valianao akory; mitsangana hivavaka eo anoloanao aho, nefa dia jerenao fotsiny.
21
Tonga masiaka amiko Ianao ka mandrafy ahy amin’ny herinao.
22
Avelanao hindaosin’ny rivotra aho ka atambolimbolin’ny tafiotra mahery.
23
Eny, fantatro fa hoentinao any amin’ny fahafatesana aho, dia any amin’ilay fonenana ifamotoanan’ny olombelona rehetra.
24
Kanefa nahoana Ianao no hanainga tanana hamely izay efa mila ho trotraka, dia ny olona tra-pahoriana ka miantsoantso vonjy?
25
Izaho kosa tsy efa nitomany ireo niangaran’ny vintana ve aho ary tsy efa nangoraka ny mahantra?
26
Saingy mba niandrandra hasambarana aho, kanjo sendra ny fahoriana; ary mba nanantena ny mazava aho, kanjo sendra ny haizina.
27
Tsy mitsaha-mandevilevy ny tsinaiko; androm-pahoriana no mianjady amiko.
28
Mandeha amim-pisaonana aho; tsy misy masoandro mihiratra ho ahy. Vory vahoaka no hitsanganako mba hiantsoantsoako vonjy.
29
Ka tonga naman’ny amboadia aho ary tonga zandrin’ny aositritsy amin’izato feoko mampahonena.
30
Mihamainty ny hoditro sady miempaka. Mahamay sy mainan’ny tazo ireo taolako.
31
Dia feo mitoreo no ataon’ny lokangako ary feo mitomany no avoakan’ny sodiko.
← Chapter 29
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 31 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36
37
38
39
40
41
42
Recommended Reading
Commentary
Job Commentaries
→
Devotional
Job Devotional Guide
→
Get This Bible
Malagasy (DIEM PROTESTANTA) Study Bible
→