bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
/
Job 16
Job 16
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
← Chapter 15
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 17 →
1
Dia namaly i Jôba ka nanao hoe:
2
Kabary efa mankaleo ahy izany reko izany: mpampionona mahasorena ianareo rehetra, dia ianareo izay manontany ahy hoe:
3
«Hifarana rahoviana izany teny foana izany? Sa inona no manesika anao hamaly toy izany?»
4
Afaka hiteny tahaka anareo koa aho, raha ianareo no mba teo amin’ny toerako. Hanaovako kabary tsara lahatra ianareo ary hanifikifi-doha ho fangorahana anareo aho.
5
Hiteny aho hankaherezako anareo, fa ny fampiononana lazaiko no hampitonena.
6
Kanefa na dia miteny aza aho, dia tsy mihamaivana ny fahoriako; ary na dia mangina koa aza aho, dia tsy misinda akory izany.
7
Ankehitriny dia nandreraka ahy Andriamanitra, fa naringany avokoa ny ankohonako rehetra.
8
Ireo ketrona nataony amiko no vavolombelona, ary ny fahiazako no miampanga sy manameloka ahy.
9
Am-pahavinirana no amiraviran’Andriamanitra ahy; manao haza lambo ahy Izy sy mikitro-nify amiko. ary mivandravandra miseho ho fahavaloko.
10
Misanasana vava handrahona ahy ny olona, ka mamely tehamaina sady manevateva ahy ary koa miara-mioko hamely ahy.
11
Efa natolotr’Andriamanitra amin’ny tsivalahara aho ary navelany ho eo an-tanan’ny olon-dratsy.
12
Tonga nanakotaba ahy Andriamanitra, tamin’iny aho nilamina tsara iny; noraisiny tamin’ny hatoko aho ka naronjiny ary nataony lasibatry ny zana-tsipîkany.
13
Misavoana manodidina ahy hatraiza hatraiza ireny. Trobarany tsy ananany antra ny voako; ka mifafy amin’ny tany ny ranon’aferoko.
14
Ratra miampy ratra no afitsony ahy ary toy ny mpiady mahery no iantsampazany amiko.
15
Nanjaitra lamba fisaonana aho, mba hanaronako ny hoditro; ary nahosiko tanaty vovoka ny handriko.
16
Ny tavako efa tera-menan’ny fitomaniana; ary alo-pahafatesana no teo amin’ny masoko.
17
Kanefa tsy voaloton-kerisetra ny tanako; ary ny fivavahako dia madio hatrany.
18
Ry tany ô, miraraka ny rako ka aza rakofanao izany, fa aoka ho re hatraiza hatraiza ny fitarainako.
19
Dieny izao dia misy vavolombeloko any an- danitra; ary any amin’ny sehatra ambony any misy mpiaro ahy.
20
Na dia mihomehy ahy aza ny namako dia tomany kosa no ijereko an’Andriamanitra.
21
Enga anie ilay mpiaro ahy no hanelanelana ny tenako olombelona sy Andriamanitra, toy ny fanaon’ny olona samy olona etỳ an-tany.
22
Hanelanelana anie izy, fa miserana ny taona vitsy iainako; ary hizotra ny lalana ho amin’ny varo-tsy mifody aho.
← Chapter 15
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 17 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36
37
38
39
40
41
42