bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
/
Job 3
Job 3
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
← Chapter 2
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 4 →
1
Niloa-bava ihany i Jôba tamin’ny farany ka nanozona ny andro nahaterahany.
2
Nandray fitenenana izy ka nanao hoe:
3
Enga anie ka hofoanan’Andriamanitra ny andro nahaterahako sy ny alina izay nanao hoe; «zazalahy no torontoronina»!
4
Ho tonga haizina anie izany andro izany, ka tsy hotsarovan’Andriamanitra any ambony any ary tsy hisy mazava hamiratra aminy intsony.
5
Izay aloka mainty indrindra anie handrakotra azy; ary aoka hisy raho-matevina hitatao aminy na koa fanakona-masoandro mahatahotra.
6
Enga anie ka izany no ho alina maizina indrindra ka tsy ho tafasisika amin’ny marikandro-taona ary tsy hiditra intsony amin’ny fanisàm-bolana.
7
Ho momba anie izany alina izany ka tsy handrenesam-pihobiana mihitsy!
8
Hanozona azy anie ny mpanozona andro izay mahay mamoha ilay dragona lehibe!
9
Tsy hahita ny kintan’ny maraina ka hiandry ny mazava tsy ho tonga ary koa tsy hahatsinjo akory ny fiposahan’ny mazava atsinanana!
10
Satria tsy nahasakana ny hahaterahako izy sy ny hahitako izao fahoriana izao.
11
Nahoana aho no tsy maty hatrany am-bohòka, na tsy niala aina fony vao nivoaka avy tany an-kibo?
12
Nahoana no nisy lohalika roa nandray ahy sy nono roa ninonoako?
13
Tahaka izay aho mba nilamina tany am-pasana ka nandry am-piadanana feizay
14
niaraka tamin’ny mpanjaka sy ireo mpifehy ny tany izay nanangana indray ny tsangambato efa rava,
15
na niaraka tamin’ny andriandahy be volamena sady manana volafotsy mameno trano.
16
Na koa naleoko fotsiny tsy ary toy ny zaza tsy azo ka nafenina, dia toy ny zaza tsy nahita mazava.
17
Any ny olon-dratsy no mitsahatra amin’ny fampahoriana ary any ny reraka no miala sasatra.
18
Mahita fiadanana koa ny mpigadra, ka tsy handre intsony ny antsoantson’ny mpiambina.
19
Samy tafakambana any na kely na lehibe ary ny mpanompo aza dia ho afaka amin’ny tompony.
20
Nahoana no ataon’Andriamanitra mahita masoandro ny olona ory ary ataony velona ireo tototra alahelo?
21
Miandry ny fahafatesana tsy ho tonga izy sady mitady azy fatratra mihoatra noho ny harena.
22
Hibita-kafaliana tokoa ireo sady ravoravo hahazo fasana!
23
Nahoana no velona ny olona tsy mahita lalan-kombana fa toa voahidin’Andriamanitra ho anaty tamboho.
24
Eny, toloko hatrany no sakafo fihinako ka migororoana toy ny rano ny fidradradradrako.
25
Izay atahorako ka mampitebiteby ahy no tanteraka sy mihatra amiko.
26
Tsy manam-pitoniana na fiadanana aho, tsy misy fitsaharana fa tebiteby lava.
← Chapter 2
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 4 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36
37
38
39
40
41
42