bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
/
Job 9
Job 9
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
← Chapter 8
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 10 →
1
Dia namaly i Jôba ka nanao hoe:
2
Fantatro tokoa fa izany no izy: aiza no hahamarina ny olona eo anatrehan’Andriamanitra?
3
Raha olona no te hiady hevitra aminy, dia tsy hahavaly na dia fanontaniana iray amin’ny arivo aza.
4
Lalim-pahendrena Izy sady mahery tsy hay tohaina, koa iza no hanohitra Azy ka ho afa-maina?
5
Andriamanitra no mamindra ny tendrombohitra, nefa tsy ampoizin’ireo akory Ilay manova toerana azy amim-pahatezerana.
6
Mampihorohoro ny tany Izy ka mihozongozona ny andriny.
7
Mandidy ny masoandro tsy hiposaka Izy ary manidy ny kintana amin’ny fitombo-kase.
8
Mamelatra ny lanitra samirery Andriamanitra ary mandeha eny amin’ny onjan-dranomasina.
9
Izy no nanao ny vondron-kintana isan-karazany: dia ny Orsa sy Telonohorefy ary Ikotokelimiadilaona mbamin’ny andian-kintana any atsimo.
10
Tsy takatry ny saina ireo zava-dehibe ataony ary tsy hita isa ny zava-mahagaga vitany.
11
Mandalo ahy Andriamanitra nefa tsy hitako, ary mihelina indray saingy tsy fantatro.
12
Raha misy zavatra voatazony, zovy no hampamotsotra azy an’izany? Zovy no hiteny aminy hoe: «Inona ity ataonao?»
13
Tsy voatana Andriamanitra rehefa tezitra. Milefitra eo anatrehany i Rahaba sy ny tariny.
14
Mainka fa Izaho indray ve no hamaly Azy ka hahafantina izay teny hatao aminy?
15
Fa na marina aza ny ahy, dia tsy hamaly akory aho fa hitalaho kosa ny famindrampon’ny mpitsara ahy.
16
Raha niantso ihany aho, ka namaly ahy aza izy, dia tsy ho nino aho fa nekeny ny fitalahoako.
17
Mamely ahy amin’ny tafiotra Izy ka mampitombo ny feriko tsy amin’antony.
18
Tsy avelany mba haka aina akory aho fa vokisany fahoriana mangidy kosa.
19
Raha hery no hampiasaina, mahery rahateo Izy; raha fitsarana indray, dia hoy Izy hoe: «Zovy no sahy hitory Ahy?»
20
Na marina aza ny ahy, dia hodisoin’ny vavako ihany; ary na tsy manan-tsiny aza aho, dia holazainy meloka ihany.
21
Eny, tsy manan-tsiny aho, nefa tsy mampaninona ahy izay fiainana, mankaloiloy ahy ny fisiako.
22
Iray ihany izany, ka hoy aho hoe: na ny tsy manan-tsiny na ny meloka dia samy aringan’Andriamanitra.
23
Raha tonga tampoka ny loza ka mahafaty ny tsy manan-tsiny, dia ihomehezan’Andriamanitra fotsiny ny fahoriana manjo azy ireo.
24
Raha mby eo an-tanan’ny olon-dratsy ny tany iray, dia tapenan’Andriamanitra ny mason’ny mpitsara. Fa raha tsy Izy no manao izany, dia mba ho iza kosa àry?
25
Nandeha faingana noho ny mpihazakazaka ny androko, ka nandositra tsy nahita hasambarana akory,
26
nisosa malaky toy ny lakan-jozoro, tahaka ny voromahery miantoraka amin’ny hazany.
27
Hoy aho anakampo hoe: aoka hohadinoiko ny fahoriako, hatsahatro ny alaheloko ka ho miramirana aho.
28
Kanefa mbola mangovitra ihany aho noho ny fijaliana rehetra hanjo ahy, ary fantatro fa Andriamanitra dia tsy hanala tsiny ahy velively.
29
Satria aminy dia meloka hatrany aho, koa inona no hisahiranako hanamarin-tena?
30
Na dia handro amin’ny savony aza aho ka hanasa ny tanako amin’ny ranon-davenona,
31
tonga dia harobokao indray ao anaty fotaka, ka haloan’ny fitafiako toa zava-maharikoriko.
32
Fa tsy olombelona tahaka ahy Andriamanitra ka ho azoko valiana sy iarahana miseho amin’ny fitsarana.
33
Raha mba nisy ahay mpanelanelana izay nametra-tanana taminay roa tonta,
34
dia ho nesoriny tamiko ny karavasin’Andriamanitra ka ho nitsahatra ny fampihorohoroany ahy;
35
ho niteny aminy tsy amin-tahotra aho. Noho ny toe-javatra tsy toy izany, dia honjohonjoko izaho irery.
← Chapter 8
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 10 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36
37
38
39
40
41
42
Recommended Reading
Commentary
Job Commentaries
→
Devotional
Job Devotional Guide
→
Get This Bible
Malagasy (DIEM PROTESTANTA) Study Bible
→