bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
/
Job 18
Job 18
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
← Chapter 17
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 19 →
1
Dia niteny indray Bildada avy any Soha ka nanao hoe:
2
Rahoviana no hatsahatrareo roa lahy izany teny izany? Mieritrereta aloha ianareo; izay isika vao miresaka!
3
Nahoana no ataon’i Jôba ho donto toy ny biby isika telo lahy? Sa olona tery saina ve isika eo imasonareo?
4
Ary ianao kosa, ry Jôba, izay mampahory tena amin’ny fahatezeranao, noho ny aminao ve no hahalao ny tany sy hampifindra toerana ny vatolampy?
5
Eny, ho faty tokoa ny jiron’ny olon-dratsy, ary tsy hirehitra intsony ny lelafony.
6
Ny hazavana hihamaizina ao an-tranony; ary ho faty ny fanaovan-jiro eo amboniny.
7
Hiambakavaka ilay famindrany matoky iny, ary ho lavon’ny foto-pisainany ihany izy;
8
satria ny tongony no hitarika azy ho amin’ny harato, ka dia handroso ho voasingotra avy hatrany izy.
9
Ho azon’ny fandrika ny ombalahintongony, ary hangeja azy mafy ny tadivavarana.
10
Miafina eo amin’ny tany eo ny tady hamingana azy; ary efa misy longoa mitoto-bozaka eny an-dàlany.
11
Manemitra azy hatraiza hatraiza ny horohoro ary manara-dia azy amin’izay alehany.
12
Lanin’ny mosary ny fahavitrihan’ny olon-dratsy ary mitoetra eo anilany ny fahantrana.
13
Eny, laniny tsikelikely ny sombin-kodiny, ary kikisan’ny areti-mandoza ny rantsam-batany.
14
Hoesorina amin’ny fonenany azo antoka izy ka hoentina eo anatrehan’ilay mpanjaka Rafahafatesana.
15
Tsy misy mpipetraka ny tranony ka azo itoerana, dia hofafazana solifara ny faritra fonenany.
16
Fa ho tonga toy ny hazo efa ho faty izy; mihamaina ny fakany avy ao ambany ary mihamalazo ny raviny avy any ambony.
17
Ho foana eto amin’ity tany ity ny fahatsiarovana ny olon-dratsy, ary efa hadino hatrany ivelany ny anarany.
18
Hakifika hiala amin’ny mazava hankamin’ny haizina izy ary horoahina hiala amin’izao tontolon’ny velona izao.
19
Ho lany tamingana tsy hamela taranaka izy ary tsy hisy ho velona ny ao amin’ny fonenany.
20
Igagan’ny any Andrefana ny fahavoazany, ka mampihorohoro ny any Atsinanana.
21
«Toy izany, hoy ireo, no miandry ny fonenan’ny mpanao ratsy; izao no manjo ny toerana izay tsy niekena an’Andriamanitra.»
← Chapter 17
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 19 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36
37
38
39
40
41
42