bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
/
Job 32
Job 32
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
← Chapter 31
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 33 →
1
Noho i Jôba nihevi-tena ho marina, dia nitsahatra tsy namaly azy intsony i Elifaza sy i Bildada ary i Tsôfara.
2
Koa nirehi-pahatezerana noho izany i Elihò zanakalahin’i Barakela avy amin’ny fokon’i Boza sady anisan’ny tarik’i Rama; tamin’i Jôba no nirehetan’ny fahatezerany, satria mihambo ho marina i Jôba teo anoloan’Andriamanitra.
3
Nirehi-pahatezerana tamin’ny sakaizany telolahy koa i Elihò, satria sady tsy nahita valinteny ho an’i Jôba ireo no nanome tsiny an’Andriamanitra.
4
Fa mbola niandry i Elihò vao niteny tamin’i Jôba, satria be taona kokoa noho izy ny hafa.
5
Rehefa hitany anefa fa tsy nanan-kavaly intsony izy telolahy, dia nirehitra ny fahatezerany.
6
Dia niteny i Elihò zanakalahin’i Barakela avy amin’ny fokon’i Boza ka nanao hoe: Mbola tanora loatra aho fa ianareo kosa efa be taona koa dia natahotra aho aloha ary tsy sahy nanambara taminareo izay mba fantatro.
7
Fa hoy aho anakampoko hoe: «Aoka ny be taona hiteny, ary ny anti-panahy hampianatra ny fahendrena.»
8
Kanefa ao amin’ny olombelona ao dia ny fanahy, na ny fofonain’ilay Tsitoha, no manome fahalalana azy.
9
Fa tsy hoe taona na traikefa ananana no mampahendry sy ahalalana ny marina.
10
Noho izany, mangataka anareo aho hihaino ahy fa hambarako aminareo koa izay mba fantatro.
11
Mba niandry izay kabarinareo aho ary nampandry sofina tamin’izay halahatrareo, mandra-pandinidinikareo izay holazaina.
12
Eny, nihaino tsara anareo aho, fa tsy nisy naharesy lahatra an’i Jôba ianareo.
13
Ary aza manao hoe: «Efa hitanay ny fahendrena: Andriamanitra fa tsy olombelona no hamaly azy.»
14
Tsy nikabary hamely ahy anefa i Jôba, ary tsy ny teninareo no hamaliako azy.
15
Indro fa very hevitra izy telo lahy, ry Jôba, hany ka tsy mamaly anao intsony ary tsy mahita izay hotenenina.
16
Niandry foana aho fa tsy niteny izy sady nijanona tsy namaly intsony;
17
koa anjarako indray no miteny hanambara izay mba fantatro.
18
Fa feno izay tokony holazaina ny foko; fanoitra ato anatiko no manery ahy hiteny.
19
Mamorivory toa iotrehan-divay ny ato anatiko ka tahaka ny siny hoditra vaovao efa ho triatra.
20
Koa avelao aho hiteny hampahamaivana ahy; dia ho afaka hanoka-bava aho ka hamaly.
21
Tsy mba hizaha tavan’olona aho na handodoka na iza na iza;
22
fa tsy mahay mandodoka olona aho, sao hofoanan’ny Mpahariko tsy ho ela.
← Chapter 31
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 33 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36
37
38
39
40
41
42