bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
/
Job 37
Job 37
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
← Chapter 36
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 38 →
1
Mipararetra ny foko eo am-pahitana izany, ka mitepotepo mila hiala amin’ny toerany.
2
Henoy, henoy ny fidoboky ny feon’Andriamanitra ary ny firohondrohona avoaky ny vavany.
3
Mamakivaky ny lanitra manontolo ny tselany ka tonga hatrany am-paran’ny tany.
4
Aorian’izany dia re ny feon’Andriamanitra mirohondrohona amin-kery lehibe; koa mandritra ny andrenesana izany feony izany, dia avelany hipariaka ny tselatra
5
Mirohondrohona ny feon’Andriamanitra ka mahatalanjona fatratra, satria tsy takatry ny saintsika ireo zavatra goavana vitany.
6
Fa ny ranomandry baikoiny hoe: «Milatsahà amin’ny tany». Izany koa no ataony amin’ny orana, dia amin’ny oram-be mivatravatra.
7
Aatony ny asan’ny olona tsirairay avy mba hieken’ny olombelona rehetra ny zavatra vitan’Andriamanitra.
8
Ary na ny biby aza dia miditra ao am-ponenany ka mamitsaka ao amin’ny toeram-piereny.
9
Tonga avy any atsimo ny rivo-doza ary avy any avaratra ny hatsiaka.
10
Ny fofonain’Andriamanitra no mampisy ny ranomandry ka mampivaingana ny velaran-drano.
11
Dia vesarany etona mando ny raho-matevina ka aeliny etsy sy eroa ombàn-tselatra.
12
Andriamanitra no mampihodinkodina azy mba hahatanteraka, araka ny fikasany, izay rehetra nandidiany azy eran’izao tontolo izao.
13
Izany no ataon’Andriamanitra mitranga na hamaizana ny tany, na hanambinana azy.
14
Anongilano sofina izao lazaiko izao, ry Jôba. Miatoa kely aloha ka diniho ny zava-mahagaga ataon’Andriamanitra.
15
Fantatrao ve ny fibaikoan’Andriamanitra ireny sy ny mahatonga ny tselatra eny amin’ny rahona?
16
Fantatrao koa ve ny mampihevaheva ny raho-matevina? Ny manao ireny zava-mahagaga ireny dia Ilay tanteraka amin’ny fahalalana;
17
Ianao kosa dia mafana loatra anaty fitafianao, rehefa vesaran’ny andro migaingaina ny tany noho ny rivotra manempotra avy any atsimo.
18
Afaka nanampy an’Andriamanitra ve ianao, fony Izy nanefy ny habakabaka sy nahamafy izany toa fitara-by?
19
Mba ampianaro anay ireto àry, ry Jôba, izay holazainay amin’Andriamanitra. Fa tsy hitanay izay hotenenina noho ny haizin’ny tsy fahalalanay.
20
Tsy hangataka ny hiteny aminy aho; sa maniry ny hataony levona ve ny tenako?
21
Tampotampoka teo dia tsy hita ny fahazavana fa voatakon-drahona ny masoandro. Avy eo dia nisy rivotra nitsoka sy nampisava izany rahona izany.
22
Tara-bolamena no nipoitra avy any avaratra, ary famirapiratana mahatahotra no indro manodidina an’Andriamanitra.
23
Izy no ilay Tsitoha tsy haintsika akaikezina, sady lehibe amin’ny hery ananany; fatra-pitandro ny rariny sy ny fahamarinana Izy ka tsy mba mampahory ny olona.
24
Koa izany no tokony hanajana an’Andriamanitra; fa tsy jereny kosa izay mihambo ho hendry.
← Chapter 36
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 38 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36
37
38
39
40
41
42
Recommended Reading
Commentary
Job Commentaries
→
Devotional
Job Devotional Guide
→
Get This Bible
Malagasy (DIEM PROTESTANTA) Study Bible
→