bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
/
Job 4
Job 4
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
← Chapter 3
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 5 →
1
Dia nandray fitenenana i Elifaza avy any Temàna ka nanao tamin’i Jôba hoe:
2
Tsy misy sahy miteny aminao, satria sorena mafy ianao; nefa tsy azo atao ny hangina ela intsony.
3
Indro efa nanabe olona maro ianao ary nampahery ireo niraviravy tanana.
4
Ny teninao no nampitraka ireo efa saiky lavo; efa nampatanjaka lohalika mangozohozo ianao.
5
Ankehitriny, tojo izany ianao ka kivy, mby an-koditrao ka mahaketraka anao!
6
Satria nanaja an’Andriamanitra ianao sy nanana fitondrantena mendrika, ka moa tsy hatoky sy hanantena va?
7
Tsarovy izao: efa nahita tsy manan-tsiny na olo-marina maty nahantra ve ianao?
8
Hitako tsara fa izay mamboly tsy fahamarinana sy mamafy fahoriana no hijinja ny vokany.
9
Ny fofonain’Andriamanitra no andringanana azy; ny fahatezerany no toa rivo-mahery mahalevona azy;
10
na mierona toa liona izy na minaonaona toa tigra, dia tapatapahiny nify ireo toa biby masiaka ireo.
11
Lany remby ny bibidia ka maty; ary ny zanaky ny liom-bavy kosa miparitaka.
12
Nisy teny izay tonga tamiko mangingina; ary bitsika malefaka no reko taminy.
13
Noho ny eritreritra misafotofoto vokatry ny nofy amin’ny alina raha sondrian-tory ny olona,
14
dia nangovitry ny tahotra aho ka nipararetra ny taolako rehetra.
15
Ary nisy rivotra nisafo ny tavako ka nampihoron-koditra ny tenako.
16
Nisy endrik’olona mitsangana nefa tsy fantatro, fa manjavozavo izy no teo anoloan’ny masoko. Dia nangina aloha, vao nisy niteny hoe:
17
«Ho marina sy ho madio ve ny olona eo anatrehan’Andriamanitra Mpahary azy?
18
Indreo ny mpanompony aza tsy atokiany, ary ny anjeliny mbola ahitany tsininy;
19
koa mainka fa izay olombelona mora potika toa tanimanga, sady vovo-tany no fiaviany! ka mety voaporitra tahaka ny fositra.
20
Indray andro monja no hahamontsana sy hahalevona azy mandrakizay; ka tsy hisy hahatandrintandrina akory.
21
Tsy efa tapaka va ny kofehin-dainy? Ho faty tsy manam-pahendrena izy.»
← Chapter 3
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 5 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36
37
38
39
40
41
42