bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
/
Job 19
Job 19
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
← Chapter 18
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 20 →
1
Dia namaly i Jôba ka nanao hoe:
2
Hafiriana no mbola hampahorianareo ahy ka handrerahanareo ahy amin’ny fitenenana?
3
Efa impolo kely izao no nanevatevanareo ahy, ka tsy menatra ve ianareo mampahory ahy toy izao?
4
Fa raha nisy tokoa aza fahadisoako, dia ahy samirery ihany ny amin’izany.
5
Nefa raha mihevitra ny hirehareha amiko kosa ianareo ka hanao ny fahoriako ho porofon’ny maha meloka ahy,
6
dia fantaro fa Andriamanitra no nahatonga izao fahavoazako izao sady nanarona ahy tamin’ny haratony.
7
Raha miantso mafy aho hoe: «Loza!», dia tsy misy mamaly ahy. Raha mba miantso vonjy aho, dia tsy mahazo rariny.
8
Bahanan’Andriamanitra ny lalako mba tsy hahafahako mandeha; ary amin’ny sakeli-dalana alehako dia nasiany haizina hiraparapako.
9
Efa nataony afa-boninahitra aho ary nesoriny teo an-dohako ny satroboninahitro.
10
Toa trano narodany hatraiza hatraiza aho ka potika ary nongotany toa fanongotra hazo ny fanantenàko.
11
Dia nirehitra tamiko ny fahatezerany, ka nataony toy ny fahavalo aho.
12
Tafangona avokoa ireo andia-miaramilany ka nitady lalana hahatrarana ahy ary mitoby nanao fahirano ny laiko.
13
Ny rahalahiko efa nampanalavirina ahy. Ireo nahafantatra ahy tsy te hahalala intsony.
14
Ny havako akaiky efa nihatakataka tamiko, ireo sakaizako efa nanadino ahy.
15
Ny vahiny nampiantranoiko sy ny mpiasako dia nihevitra ahy ho olon-kafa; eny, tonga tsy fantany intsony aho.
16
Antsoiko ny mpanompoko fa tsy mamaly na dia efa nitalahoako fatratra aza.
17
Tsy mahatanty ny fofonaiko intsony ny vadiko ary tofoka amiko koa ireo zanaka naterako.
18
Mamingavinga ahy hatramin’ny ankizy kely; fa raha mitsangan-kamindra aho, dia esoiny.
19
Tsiravina amiko ireo sakaiza nitokiako; ary nivadika tamiko avokoa ny olon-tiako.
20
Taolana mifono hoditra sisa aho ankehitriny; ary ny akanjo-nifiko no hany entiko mandositra.
21
Iantrao dia iantrao aho, ry sakaizako isany, fa ny tanan’Andriamanitra no namely ahy.
22
Nahoana no manenjika ahy tahaka an’Andriamanitra koa ianareo ka tsy sasatry ny mampijaly ahy?
23
Tiako raha mba voasoratra ny teniko, ka ho voasokitra any ho any.
24
Enga anie ka ho voasokitra amin’ny fandrabỳ izany sady harahina loko firaka isaky ny litera ka haharitra mandrakizay eo amin’ny vatolampy.
25
Fantatro fa velona ny Mpanavotra ahy; ka hitsangana farany eo amin’ny tany Izy.
26
Rehefa mihintsana izao hoditro izao ka ho afaka amin’ny nofoko aho, dia hahita an’Andriamanitra.
27
Eny, izaho mihitsy no hijery Azy, ka ny masoko no hahita fa tsy ny hafa. Efa sasa-miandry izany ny foko ato anaty.
28
Hoy ianareo hoe: «Ahoana no fanenjika azy, hahitana izay anton-javatra hitsarana azy?»
29
Koa matahora ny sabatra ianareo, fa hovalian-tsabatra ny di-dohanareo; ary ho fantatrareo fa misy fitsarana.
← Chapter 18
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 20 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36
37
38
39
40
41
42