bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
/
Job 20
Job 20
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
← Chapter 19
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 21 →
1
Dia niteny i Tsôfara avy any Nahamà ka nanao tamin’i Jôba hoe:
2
Noho izany, ny fieritreretako no manosika ahy hamaly ary koa ny fahamaimaizana misy ato amiko.
3
Nandre lesona manevateva ahy aho, nefa ny saiko mahita ny havaly izany.
4
Moa tsy fantatrao ve fa hatramin’ny ela, hatrizay nampitoerana ny olona teto an-tany,
5
dia vetivety ny fireharehan’ny olon-dratsy ary mihelina ihany ny fifalian’ny tsy mpivavaka.
6
Fa na dia mipaka any an-danitra aza ny haavony ka mitehina amin’ny rahona ny lohany,
7
dia ho levona mandrakizay toy ny dikiny izy; ary izay nahita azy dia hanontany hoe: «Mba aiza àry izy?»
8
Manidina tahaka ny nofy izy ka tsy hita intsony, ary levona tahaka ny fahitana amin’ny alina.
9
Izay nahatazanan’ny maso azy dia tsy hahitana azy intsony, fa ny toeram-ponenany aza tsy hahatsikaritra azy intsony.
10
Ny zanany hanonitra amin’ny mahantra, ary ny tanany ihany no hampody aminy ny hareny.
11
Herim-pahatanorana no manenika ny taolany, nefa hiara-mandry aminy ao am-pasana izany.
12
Na mamy ao am-bavan’ny tsy mpivavaka aza ny ratsy ka afeniny ao ambanin’ny lelany,
13
ary na ankafiziny ela aza izany ka tahiriziny ao ambanin’ny lanilaniny,
14
dia hivadika hankarary kibo fa efa tonga poizina ao anatiny.
15
Handoa ny harena izay nateliny izy; holoaran’Andriamanitra tao an-kibony izany.
16
Fa poizin’ny bibilava no efa notsentsefiny: ka dia ho fatin’ny kaikitry ny menarana izy.
17
Tsy ho hitany intsony ny tantely sy ronono, izay mitosaka toa renirano na ony aman-driaka.
18
Haveriny izay nisasarany fa tsy azony hanina; koa na betsaka aza ny tombom-barony, dia tsy mba hifaliany akory izany.
19
Eny, nanosihosy sy nahafoy ny mahantra izy, ary nangalatra tranon’olona an-keriny fa tsy mba nanao ho an’ny tenany.
20
Tsy mba nahalala onony velively izy, koa tsy hahavonjy ny zavatra nankamamîny.
21
Ary tsy nisy tsy nanamparany fahalian-karena; ka dia tsy haharitra ny hasambarany.
22
Hitaintaina ny tsy mpivavaka na dia manan-karembe aza, satria tebiteby mangeja no hianjady aminy.
23
Iny izy mbola sondriana mameno kibo iny, dia andefasan’Andriamanitra fahatezera-mirehitra izay hirotsaka aminy ho solon-tsakafony.
24
Raha miala ny sabatry ny fahavalo izy, dia ho voatrobaky ny tsipîka varahina.
25
Ongotany ny zana-tsipîka nitrobaka azy; ka raha vao tafatsoaka amin’ny atiny izany, dia ny tenany indray no iharan’ny horohorom-pahafatesana.
26
Ny haizim-pandringanana no voatokana ho an’ny zava-tsoa rehetra izay voaangony; ary afo tsy narehitr’olombelona no mandoro azy ka mandevona ny sisa ao an-tranony.
27
Ny lanitra mampiharihary ny helok’io olona io, ary ny tany mitsangan-kiampanga azy.
28
Lasa rano ny harembe ao an-tranony, amin’ny androm-pahatezeran’Andriamanitra.
29
Toy izany no anjara sy lova voatokan’Andriamanitra ho an’ny olon-dratsy sy voatendrin’ny teniny hianjady aminy.
← Chapter 19
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 21 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36
37
38
39
40
41
42