bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
/
Job 21
Job 21
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
← Chapter 20
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 22 →
1
Dia namaly i Jôba ka nanao hoe:
2
Mba henoy tsara izay lazaiko, fa izany no hampiononanareo ahy.
3
Mandefera amiko mba hahazoako miteny; fa rehefa tapitra ny teniko, dia afaka mananihany ianareo.
4
Ny ataon’olombelona ve no itarainako? Tsia, koa nahoana aho no hahalefitra?
5
Mitodiha aty amiko, fa ho gaga ianareo ary hitampim-bava tsy hahaloa-peo.
6
Raha mieritreritra izany ny tenako, dia raiki-tahotra sady mari-koditra.
7
Nahoana no mbola ahaveloman’ny olon-dratsy? Nahoana izy no tratra antitra sady be fahefana?
8
Ny taranany koa mipetraka tsara eo aminy, ary ny zafikeliny mitombo eo imasony.
9
Miadana ao an-tranony izy ka tsy matahotra ary ny fikapohan’Andriamanitra tsy mahavoa azy.
10
Ny ombilahiny manaraka ka mahavanona; ary ny ombivaviny tsy mba mamotsotra.
11
Mampiriaria ny zanany toy ny zanak’ondry izy ary mampifalihavanja ireo zafikeliny.
12
Mihira miaraka amin’ny amponga sy ny lokanga izy sady faly mandihy amin’ny feon-tsodina.
13
Rehefa niaina tamim-pahasambarana izy, dia midina miadana any amin’ny fonenan’ny maty,
14
Kanefa hoy ireo tamin’Andriamanitra: «Mialà aminay, fa tsy te hahalala akory izay lalanao any izahay.
15
Zinona koa ilay Tsitoha no hotompoinay? Ary mitondra inona izay fivavahana aminy?»
16
Marina fa tsy tompon’ny fahasambarany izy. Ho lavitra ahy anie ny fisainan’ny olon-dratsy.
17
Matetika ve no maty tampoka ny jirom-piainan’ny olon-dratsy? Matetika ve izy no iharan-doza, na ianjadian’ny fahatezeran’Andriamanitra mba ho anjara sahaza azy?
18
Sa ho toy ny mololo entin-drivotra sy akofa indaosin-tadio araka ny fiteny?
19
Fa hoy ianareo hoe: «Andriamanitra noho ny helo-dray, dia mbola hanasazy ny zanany.» Tsia! Fa aoka ilay meloka ihany no hosazin’Andriamanitra mba hahatonga saina azy.
20
Aoka ny olon-dratsy hahita maso ny fahoriany ka higoka ny fahatezeran’ilay Tsitoha.
21
Ahoan’ny meloka inona moa izay hanjo ny taranany, rehefa tapitra hatreo ny androm-piainany?
22
Andriamanitra va no hampianarina izany, nefa na ny anjely aza eo ambany fifehezany?
23
Ny olona sasany dia tomady tsara sady miadana no tsy manana ahiahy, mandra-piavin’ny fahafatesany;
24
mavesatry ny tavy ny kibony, ary vonton-tsoka ny taolany.
25
Fa ny olona sasany kosa maty ao anatin’ny ngidim-piainana, ka tsy mba nanandram-pahasambarana.
26
Samy mandry eo amin’ny vovoka ny tenan’izy roa tonta ireo, ka samy rakotry ny olitra.
27
Tandremo fa fantatro ny hevitrareo sy izay eritreretinareo ny amiko,
28
fony ianareo miteniteny hoe: «Aiza izao ny tranon’ny mpampahory, aiza ny lay fonenan’ny olon-dratsy?»
29
Mba anontanio kosa ange ny mpitety tany, ary mahaiza mamantatra ny zavatra ambarany hoe:
30
Raha avy ny loza, afaka ihany ny olon-dratsy, raha tonga ny fahatezerana, dia voaaro izy.
31
Zovy no mba sahy hitsikera ny toetrany na hampanonitra azy ny ratsy nataony?
32
Rehefa maty izy, dia entina halevina, ary mbola ambenina aza ny fasany.
33
Ho maivana aminy ny tany izay manototra azy ao an-dohasaha, fa vahoaka maro no nitanjozotra taoriany ary olona tsy hita isa no nisesy teo anoloany.
34
Koa tsy misy antony amiko izay fampiononanareo, fa lainga avokoa no raketin’ny valinteninareo.
← Chapter 20
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 22 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36
37
38
39
40
41
42