bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
/
Job 2
Job 2
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
← Chapter 1
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 3 →
1
Indray andro raha tonga nanao tatitra tamin’ny TOMPO ireo zanak’Andriamanitra, dia mba tafaraka taminy teo koa i Satàna.
2
Dia hoy ny Tompo tamin’i Satàna: –Avy taiza moa ianao? Dia namaly ny Tompo izy hoe: –Avy nitetitety ny tany sy nihaodihaody tany aho.
3
Hoy indray ny Tompo taminy: –Efa nahita an’i Jôba mpanompoko ve ianao? Fa tsy misy tahaka azy eny ambonin’ny tany: lehilahy tsy misy hokianina sady mahitsy ary manaja Ahy izy ka mifady ny ratsy. Ary na dia nandrisika Ahy hamely azy tsy amin’antony aza ianao, dia mbola mahatoky ihany izy.
4
Fa mbola namaly ny Tompo i Satàna ka nanao hoe: –Hoditra solon’ny hoditra. Izay ananan’ny olona dia homeny hiarovany ny ainy.
5
Fa ahinjiro aminy ange ny tananao ka kasiho ny taolany sy ny nofony e, raha tsy an-kitsirano izao no haniratsirany Anao!
6
Dia hoy ny Tompo tamin’i Satàna: –Indro eo am-pelatananao izy, ny ainy tokana ihany tsimbinina.
7
Dia niala teo anatrehan’ny TOMPO i Satàna ka namely aretin-koditra mahatsiravina an’i Jôba hatreo am-paladiany ka hatrany an-tampon-dohany.
8
Dia nitombina teo an-davenona i Jôba ary naka vakim-bilany tany hihaorany.
9
Ary hoy ny vadiny taminy: –Mbola mikiry amin’ny fahamarinanao foana ve ianao? Lavy Andriamanitra, dia matesa any ianao!
10
Dia hoy i Jôba namaly azy: –Miteniteny foana tahaka ny vehivavy adala ianao. Raha ekentsika fa avy amin’Andriamanitra ny zavatra tsara, nahoana no tsy ekentsika ny zavatra ratsy ho avy aminy? Tamin’izany fitsapana azy izany, dia tsy mba nanota tamin’ny molony i Jôba na dia kely aza.
11
Ary nandre ny fahoriana rehetra nianjady tamin’i Jôba ny sakaizany telo lahy, dia i Elifaza avy any Temàna sy i Bildada avy any Soha ary i Tsofara avy any Nahamà, ka samy niala tany aminy avy ary nifanaiky fa haneho aminy ny fiaraha-miory sy hankahery azy.
12
Saiky tsy nahafantatra azy anefa ireo raha nahatazana an’i Jôba, ka dia nitomany; nandriatra fitafiana izy ary nanopy vovoka teny amin’ny rivotra mba hiraraka eny an-dohany avy.
13
Dia nijanona nipetraka tamin’ny tany niaraka tamin’i Jôba nandritry ny fito andro sy fito alina ireo sady tsy nisy niteny na inona na inona taminy satria hitany ny halehiben’ny fahoriany.
← Chapter 1
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 3 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36
37
38
39
40
41
42