bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
/
Job 39
Job 39
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
← Chapter 38
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 40 →
1
Fantatrao ve ny fotoana fiterahan’ny osidia? voadinikao ve ny diera vavy raha miteraka?
2
Firy volana no itondrany vohoka raha voaisanao, ary fantatrao ve ny fotoana fiterahany?
3
Mitorovoka izy mandatsaka ny zanany sady mampisinda ny fanaintainany.
4
Any an-kodahoda any ireo zanany ireo no mihamatanjaka sy mihalehibe ka lasa tsy miverina intsony.
5
Iza no nandefa ny borikidia hikarenjy? Zovy no namaha fatorana azy handeha?
6
Fa efa nomeko ho fitoerany ny tany hay, ary ho fonenany kosa ny tanin-tsira.
7
Tsy raharahainy ny tabataba ao an-tanàna ary tsy mba reny na oviana na oviana ny fitrerotreron’olona mpampiasa.
8
Ny tendrombohitra fitetiny no fihinanany, ka rehefa ahi-maitso dia katsahiny avokoa.
9
Hanaiky hanompo anao ve ny ombimanga ka handry ao am-pahitrao amin’ny alina?
10
Voafolakao hiasa ny sahanao ve izy sy hitarika hersa eny an-dohasaha?
11
Hatoky azy noho ny tanjany ve ianao ka hamela ny asanao hovitainy?
12
Hiantehitra aminy hampiditra ny vokatrao sy hanangona izany am-pamoloana ve ianao?
13
Faly mikopakopaka elatra ny ôtrisy; kanefa tsy mampalemy fanahy azy toy ny vano na ny elany na ny volo malefaka ananany.
14
Fa raha mandao ny atodiny amin’ny tany izy ka mamela azy hokotrehin’ny fasika mafana,
15
dia tsy ahiny mety hisy mpanitsaka ireo na mety ho voahosihosin’ny bibidia.
16
Reny mafy fo amin-janaka ny ôtrisy, fa ataony hoatra ny tsy azy akory ireo; na dia very maina izay nisasarany, dia tsy mampaninona azy mihitsy izany.
17
Fa tsy mba nataoko manam-pahendrena izy ary tsy mba nomeko anjara fahaizana.
18
Kanefa raha vao mitraka sy miainga hihazakazaka izy, dia tsy mahomby azy ny soavaly sy ny mpitaingina.
19
Ianao ve no mampahatanjaka ny soavaly na manafy vombo mihofahofa ny vozony
20
na mampifalihavanja azy toa valala? Mampihorohoro ny fihiakany sahisahy!
21
Mihehy ao an-dohasaha izy ary mientan-kafaliana asesiky ny heriny ka mitroatra hisedra fiadiana.
22
Tsy mampiraika azy ny tahotra ka tsy mivadi-po izy ary tsy ny sabatra no hampihemotra azy.
23
Mikorintsana eo an-damosiny ny tranon-jana-tsipîka; manjelanjelatra kosa ny lefona sy ny sabatra.
24
Mihoalahoalam-pahavinirana izy ka lasa miriotra sady tsy tana rehefa maneno ny anjomara.
25
Mihiaka izy raha vao mahare ny anjomara, ary eny lavitra eny no anamboloany ny ady sy ny treron’ny manamboninahitra ary ny akoran’ady.
26
Fahaizanao ve no mampanidina ny papango rehefa mamelatra ny elany hianatsimo izy?
27
Baikonao ve no iakaran’ny voromahery sy anaovany akany eny an-tendrombohitra?
28
Ny haram-bato no onenany sy itoerany dia ny tendrony maranitra tsy hay anihina.
29
Avy eny no itiliany ny remby fa mahatazan-davitra ny masony.
30
Mitsentsi-dra aoka izany ireo zanany; ka na aiza na aiza itoeran’ny faty, dia ifamotoanan’ny voromahery.
← Chapter 38
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 40 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36
37
38
39
40
41
42